]
Les quotidiens du 17 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche C.A.S.T. milalao ny sanganasan’i Georg Friedrich Haendel

C.A.S.T. milalao ny sanganasan’i Georg Friedrich Haendel

Indro ny akon’ny fitoriana ny Evanjely na ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny Mozika klasika nandritra ny kaonseritra klasika (CONCERT DE MUSIQUE CLASSIQUE SYMPHONIQUE RELIGIEUSE), nataon’ny C.A.S.T.(Choeur Artistique et Spirituel de Tanà) tao amin’ny Ekar Masindahy Michel Itaosy, ny asabotsy 14 jolay 2012 teo nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro.

Tafitan’ny C.A.S.T. ny “Messiah” sangan’asan’i Georg Friedrich Haendel ny ny asabotsy 14 jolay 2012 lasa teo tao amin’ny Ekar Saint Michel, izay nadikan’i Lucien Emmanuel Randrianarivelo tamin’ny solfa sy tamin’ny teny malagasy ranoray. Inty no kaonseritra voalohany tamin’ity taona ity. Endrika vaovao voalohany koa izao satria sambany nohirain’ny C.A.S.T.(Choeur Artistique et Spirituel de Tanà) tamin’ny androatokony ity famoronana nataon’i G.F. Haendel ity, raha ampahany hatrany no natao hatramin’izay. Nampianatra ny hira i Jules Randriamanantsoa, izay misahana ny feo fahefatra (basse).

Hira 33 amin’ireo 53 ao anatin’io amboara io no nohirain’izy ireo niaraka tamin’ireo mpitendry miara-dia amin-dRakotoniaina Casimir, notarihin’I Eric Rasamimanana nandritra ny adiny roa sy sasany. Nohamafisin’ny filohan’iy CAST, Liva Ramanalinarivo fa anjara biriky entin’izy ireo ho fampielezana ny Vaovao Mahafaly na ny Filazantsara ho an’ny rehetra no ataon’izy ireo, amin’ny alalan’ny fizaràna izany anaty mozika klasika.

Antoko mpihira tsy miankina amin’ny fiangonana fa miara-miasa amin’ny fiangonana sy ny antokom-pinoana rehetra ny CAST izay niorina tamin’ny 16 marsa 2003. Maro ny fitoriana ny Evanjely na ny Filazantsara efa nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny mozika klasika. Hankalaza ny faha-10 taonany izy ireo amin’ny taona ho avy (2013).

Ny mpampita vaovao :

Zoelson Randrianindrina

Mis à jour ( Dimanche, 15 Juillet 2012 15:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON