]
Les quotidiens du 07 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Chronique Didier Ratsiraka. Tantara marina momba azy tsy misy manana

Didier Ratsiraka. Tantara marina momba azy tsy misy manana

Mora tokoa no miteny ho an’ireo miseho mahalala nefa na ny tantarany manokana aza tsy misy ho resahiny ireo ho an’ny tanarany. Ka ny an’ny hafa no ezahiny somparana hatrany. Azy ireo ny azy fa raha mikasika ny Amiraly Didier Ratsiraka dia ao anatina rakibolana maro ny anarany, ary fa hatry ny ela. Fa ny anaranareo miseho lalin-tsaina ireo, mba aiza ? Afaka taona vitsy dia adino tanteraka, ny sasany moa tsy sahy mampiasa ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny akory
 Kanosa mihevitry ny tsy ho tatry ny aloka e.

Lasa tsy hiverina eto an-tany intsony i Didier Ignace Ratsiraka, ny 28 marsa 2021. Inona marina moa ny làlana nodiavin’izany lehilahy izany ? Ity ny tantaran’ireo dingana nandalovany, ivelan’ny fitondrany ny Repoblika malagasy nandritra ny 22 taona mahery

Ny 4 novambra 1936 izy no teraka tao Vatomandry. Faralahy amina mpiray tampo miisa folo izy. Tao Moramanga izy no nanomboka nanaraka ny fampianarana fanabeazana fototra (« études primaires »). Avy eo notohiziny tao amin’ny sekolin’ny masera ao Ambatondrazaka sy tao amin’ny sekolin’ny Sefrera ao Toamasina. Ny dingana faharoa na «études  secondaires » dia tao amin’ny Kolejy Masindahy Misely ao Amparibe ny notontosainy.

Tany Frantsa izy no nandranto fianarana ambony (« études supĂ©rieures »). Ny volana Febroary 1955 izy no niainga avy teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny sambo « Pierre Loti » ary tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Marseille ny volana manaraka, izany hoe marsa 1955. Ny ray aman-dreniny no nitrosa mba nanohizany ny fianarany tany ampita, satria tsy nizaka izany zom-pirenena frantsay izany izy. Tao amin’ny LycĂ©e ao Montgeron, tanĂ na atsimon’i Parisy i Didier Ratsiraka no nanohy nianatra ary tao izy no afaka baccalaurĂ©at dinga voalohany. Io no nafahany niditra tao amin’ny kilasy famaranana («Terminale») sokajy «MathĂ©matiques Ă©lĂ©mentaires modernes», tao amin’ny LycĂ©e Henri IV ao Parisy. Ary rehefa tadiditra tao amin’ny sokajy « MathĂ©matiques supĂ©rieures et MathĂ©matiques spĂ©ciales » izy, noho ny vokatra tsara vitany, dia tapaka ny heviny fa hanao miaramila izy, ary hanao tatsambo no finidiny.

Ny taona 1960 dia tafiditra tao amin’ny École Navale de LanvĂ©oc Poulmic de Brest (FinistĂšre) izy, ary dia rehefa nahazo ny laharana faharoa tamin’ny vondrona («Promotion») nisy azy i Didier Ratsiraka dia nobatainy ny diplaoma maha «IngĂ©nieur de l’École Navale» azy ka lasa nitondra ny grady «Officier de Pont» izy.

VIDEO TENY IAVOLOHA ETO

Ny 13 desambra 1963 dia nanambady an’i Ramatoa kely CĂ©line Velonjara i Didier Ratsiraka. Tao amin’ny fiangonana katolika Ambatonilita Antananarivo izany fanambadiana izany no nohamasinin’ny Monsenera Armand GaĂ«tan Razafindratandra, izay mbola pretra tsotra tamin’izany fotoana izany. Efatra ny zanak’i CĂ©line sy Didier, dia : Olga, Sophie, Annick sy Xavier Velonsoa, ary dimy ny zafikeliny : lahy efatra, vavy iray.

Ny taona 1965, dia tao amin’ny «École des Officiers de Transmission Ă©lectronique » any Toulon izy no nahazo ny diplaoma maha «IngĂ©nieur BrevetĂ© des Transmissions» azy. Dimy taona taorian’io, izany hoe ny taona 1970, dia tafiditra tao amin’ny «École SupĂ©rieure de guerre navale» ao Parisy izy ary nibata ny diplaoma «Brevet d'Ă©tudes militaires supĂ©rieures (BEMS)» nomen’ny tao amin’io sekoly ambony ara-miaramila io, ny taona 1972. Fa nianatra tao amin’ny Sorbonne koa ny lehilahy ary nanaraka ny « filiĂšre Droit, Économie politique et Institutions financiĂšres internationales ». Ho an’izay tsy mahalala dia izany Sorbonne izany dia toerana misy oniversite miisa valo (8) mitondra io anarana io, izay nalaina tamin’ny anaran’i Robert de Sorbon, olom-piangonana («Chapelain») teo ambanin’ny fiahian’ny mpanjaka frantsay Saint Louis, tamin’ny taon-jato faha-III. Ireto avy izany oniversite izany, amin’izao vaninandro izao : UniversitĂ© Paris I PanthĂ©on-Sorbonne ; UniversitĂ© Paris 3 – Sorbonne Nouvelle ; Sorbonne Université ; UniversitĂ© de Paris ; Sorbonne UniversitĂ©s ; Sorbonne Paris Cité ; Hautes etudes-Sorbonne-Arts et MĂ©tiers (HĂ©sam).

Taorian’ny raharaha 13 mai 1972 dia voatendry ho minisitry ny Raharaham-bahiny tao anatin’ny gouvernemanta tetezamitan’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny Capitaine de corvette Didier Ratsiraka izay 36 taona monja. Marihina fa «attachĂ© militaire» tao amin’ny Masoivohon’i Magasikaraka ao Parisy izy talohan’ny nanendrena azy ho minisitry ny Raharaham-bahiny. Ny 11 Febroary 1975, rehefa maty nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava dia anisan’ny miaramila ambony grady nandrafitra ny «Directoire militaire» izy. Ny 15 Jona 1975 dia nisy ny fitsapan-kevimbahoaka nanoloana ny Lalampanorenanan’ny Repoblika voalohany hidirana amin’ny Repoblika faharoa. Rehefa lany ny « Eny » dia lasa Filoha voalohan’ny Repoblika malagasy faharoa i Didier Ratsiraka izay nantsoina ihany koa hoe Deba ary koa «Amiraly mena» taty aoriana. Ny antony dia satria ilay antoko Arema (Antoko revosionioneran’i Madagasikara) natsangany, dia nirona kokoa tamin’ny foto-kevitra marxiste ary Boky mena no anaran’ilay boky mirakitra ny Satan’ny revolisiona sosialista malagasy («Charte de la rĂ©volution socialiste malgache»).

In-droa miantaona no naha filoham-pirenena voadify azy ary raha totalina dia nandritra ny 22 taona mahery izany. 1) 15 Jona 1975 - 27 marsa 1993. Izany hoe : 17 taona, 9 volana sy 12 andro ; 2) 9 Febroary 1997 - 5 Jolay 2002. Izany hoe  5 taona : efa-bola sy 26 andro. Izany hoe 22 taona sy 12 volana sy 38 andro nitondrana.

Ny 28 marsa 2021, tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no nodimandry tao amin’ny hopitaly miaramila (Homi) ao Soavinandriana Antananarivo ny Amiraly Didier Ratsiraka. Ny ampitsony, ny 29 marsa 2021 izany, dia nasitrika ao amin’ny Fasan’ny Mahery Fo na MausolĂ©e, izay naoriny, etsy Avaratr’Ambohitsaina Antananarivo, izy rehefa nanaovana fara-veloma teny amin’ny Lapam-panjakanan’Iavoloha izay natsangany ihany koa, teo anelanelan’ny taona 1975 sy 1981.

Raha hiverenana kely ny mikasika ny MausolĂ©e dia naorina tamin’ny taona 1977 art anisan’ireo mahery fon’ny firenena malagasy misitrika ao dia singanina ry Jean Ralaimongo, Tia tanindrazana nitolona nanohitra ny fanjanahana frantsay ; JoĂ«l Rakotomalala, Praiminisitrateo aloha ; Pierre Rajaonah, Minisitry ny Fampandrosoana ny any ambanivohitra ; Kolonely Alphonse Rakotonirainy, Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika malagasy ; Amiraly Guy Sibon, Minisitry ny Fiarovam-pirenena te aloha


Nety ve sa tsy nety ny fitondrany ny Firenena malagasy ? Maro ny voasoratra ny momban’izany, be no afaka jerena ao amin’ny Internet satria ny lasa tsy fanadino. Raha izaho manokana dia misimisy ihany ny lahasoratra nosoratako nanakiana ny fomba nitondrany satria tamin’izany aho dia efa mpanao gazety fa tsy arakarak’ireo izay miseho mahalala zavatra nefa mbola tsy teraka akory tamin’ny raharaha 1972 sy 1991. Fa tamin’io taona farany io indrindra, raha tsy nanome baiko ireo federalista naka ahy an-keriny tany Diego, amotsotra ahy ny Filoha Didier Ratsiraka, dia tsy afaka nitantara ireo avy novakinareo eo ambony ireo akory. Mbola tsy nanambady an’i Ramatoa kely CĂ©line no nifankahalala ny fianakavianay satria samy tao amin’ny «Foyer malgache» ao Arago, Paris-13, no nipetraka, izy mpianatra ho tatsambo, izahay sy ny papako namita ny fianarany ho dokotera.

I Didier Ratsiraka, tao amin’ny fahatanorany dia tena tia fanatanjahantena ary mpikatroka amin’ireto taranja ireo : baolina kitra, lomany, tenisy ambony latabatra, jĂčjutsu na koa jiu-jitsu («art martial japonais») ary «jogging» na koa «footing». Nahay nitendry gitara sy nitsoka farara koa izy. Ary nankafiziny ny milalao karatra, indrindra fa ny beloty, niaraka tamin’ny zokiko roalahy dia i Jean-Jack Nelson sy Sylvain JosĂ© Fabien (efa nodimandry).

VIDEO TENY AMIN'NY MAUSOLEE ETO

84 taona sy efa-bolana i Deba no niaina teto amin’ity tany fandalovana ity. Midika izany, na tiana na tsia, f’efa akaiky koa ny anjaran-tsika mikasika izany fahafatesana izany. Na covid io na tranga hafa tsy misy mahalala mialoha. Iray ihany ny fanontaniako ary eto ankatoky ny Paska 2021 : inona no lova ho apetrakao ho an’ny firenena, ho an’ny mpiara-belona, ho an’ny fianakavianao, ho an’ny taranakao ? Ny an’ny sasany, satria tia tena sy tia kely loatra, dia ozona sy fankahalana no havelany eto amin’ity tany fandalovana ity ho an’ny taranany. Ary efa voasoratra sy voaray feo sy vidĂ©o ireo nolazainy sy nataony rehetra. « Moa tsy izany va ? ».

Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande Ăźle" sabotsy 3 Aprily 2021 koa io lahatsoratra fahatsiraovana an'Itompokolahy Didier Ratsiraka io


Mis Ă  jour ( Lundi, 05 Avril 2021 09:03 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO