]
Les quotidiens du 17 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Behenjy, 02 Mey 2024. Kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny nitokana toha-drano mamokatra herinaratra 1,4MW

Behenjy, 02 Mey 2024. Kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny nitokana toha-drano mamokatra herinaratra 1,4MW

Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo,

Andriamatoa Ministry ny Rano sy ny Fidiovana,

Son excellence Monsieur l’Ambassadeur de Suisse,

Messieurs les Partenaires Techniques et Financiers,

Andriamatoa Governoran’ny Faritra Vakinankaratra,

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny orinasa groupe Gamo

Ianareo Préfets sy Chefs de District,

Ianareo Ben’ny tanàna,

Ianareo Tomponandraikitra sy Manamboninahitra sivily sy miaramila,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Am-pitiavana lehibe no atongavako eto amin’ity toerana izay itokanan-tsika izao foto-drafitr’asa lehibe izao androany. Ny antony nahatongavako eto dia zavatra telo.

Ny voalohany dia ny famporisihina ny orinasa tsy miankina mba hamokatra herinaratra azo havaozina, ary manamarika ny fanomanana sy ny fiaraha-miasa izay apetraky ny fitondram-panjakana sy ny orinasa tsy miankina.

Ny faharoa dia ao anatin’ny fanamby napetra-tsika dia ny hoe hanomezana angovo mba ho tonga isaky ny tokan-trano ny herin’aratra sy ny hazavana.

Ary ny fahatelo indrindra indrindra dia zava-dehibe loatra ny famokarana angovo azo havaozina izany.

Ny antony dia izao : Ankehitriny, efa tsy ampy ny famokarana angovo eto Madagasikara satria mitombo ny mponina nefa tsy mitombo ny famokarana angovo. Iray izay.

Fa faharoa, ny zavatra misy eto amintsika dia ny 90%’ny famokarana angovo eto amintsik dia mbola azo lazaina hoe « thermiques » daholo, izany hoe mbola mampiasa solika, dia miteraka fandaniana mihoa-pampana ; miteraka tsy fahampiana amin’ny famokarana ary miteraka ihany koa fahalafosana amin’izany famokarana herinaratra izany satria ny ankamaroan’ny famokarana eto amintsika, araka ny nolazaiko teo dia mbala mampiasa solika avokoa.

Izany hoe isam-bolana, isan-taona, 1.200 miliara (lavitrisa) ariary ny vola izay atokana hamokarana herinaratra.

Ny famatsiana herinaratra an’ny Jirama dia efa ntaolo, efa antitra avokoa, matetika simba foana izy ireny. Ary izay no tsy maintsy hanaovan-tsika dingana lehibe amin’izao fe-potoana faharoa itondrako ny firenena izao, dia tanjona tokana no tsy maintsy ho tratra ary tsy hapetra-tsika dia ny hoe fomba hamokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina.


Nomen’Andriamanitra masoandro isika, jereo anie io masoandro mibaliaka io. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia afaka hamokarana herinaratra. Ny rivotra, izay maimaim-poana, ananan-tsika amin’ny faritra maro, anisan’izany ny any Atsimo sy any Avaratra izay misy mihitsy ny hoe Varatraza, afaka hamokarana herinartra avokoa.

Fa indrindra ny rano, izay hitantsika sy tazantsika eto, afaka hamokarana herinaratra ihany koa. Izay zavatra izay izany no ataontsika hoe : nomen’Andriamanitra ireo singa telo ireo isika hafahana mamokatra herinaratra.

Vao tamin’ny herinandro teo, tany Toamasina izahay namoaka an’ireo « parcs solaires », « conteneurs » 300 ho entina hamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, izay haparitaka amin’ireo distrikta 47 amin’ireo 120 misy manerana ny Nosy, izany hoe ny distrikta antsasany latsaka kely manerana an’i Madagasikara izay tsy vitany ny mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro dia ho vitain-tsika ao anatin’ny enim-bolana satria mandrapahatongan’ny faran’ny taona dia ho vita ny fametahana an’izany parcs solaires manerana an’i Madagasikara izany.

Vao efatr’andro, dimy andro lasa izay, satria tamin’ny Alakamisy teo, tamin’ny Zoma sy Sabotsy teo izany, tany Taolagnaro (Fort-Dauphin) izahay. Dia nametraka ny vato fototra ny famokarana ihany koa jiro azo avy amin’ny rivotra na hoe « parc éolien » voalohany eto Madagasikara.

Ny dikan’izany dia ny hoe : ny fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina sy ny fitondram-panjakana no antoka lehibe hafahan-tsika manafaingana ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa fa indrindra amin’ny famokarana angovo azo havaozina.


Izao « centrale hydraulique » ho tokanan-tsika izao aty Behenjy, mamokatra angovo azo avy amin’ny rano, dia hamatsy tokan-trano 700 eto Amboasary sy ao Morarano. Mbola maro ny fokontany tokony ho vatsina herinaratra sy jiro ary izao no fanamby apetran-tsika, satria henoko ary tonga aty amiko ny fangatahan’ireo fokontany 10 hafa, dia izao no ataon-tsika : manomboka androany moa izany, rehefa mitokana ity famokarana herinaratra ity, dia tetikasa miaraka amin’ny Jirama ny fanaovana « branchement » mora.

Ny « branchement » mora ? Matetika moa rehefa misy ny jiro dia lafo loatra ny fitarihina ireny jiro ireny isaky ny tokan-trano. Noho izany dia misy tetikasa iarahana amin’ny « Banque mondiale », ka ny vidin’ny « compteur » fotsiny no halohan’ny tokan-trano fa ireo kojakoja hafa, ny « fils » sy « poteaux » dia hiantoan’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny tetikasa iarahana amin’ny Jirama. Izany hoe 30.000 ariary fotsiny. Izay izany no alohan’ny isaky ny tokan-trano mba hazoana ny « branchements » rehetra ho an’ireo tokan-trano eto Amboasary sy ao Morarano.

Ireo fokontany hafa kosa, izay mbola tsy nahazo izany herinaratra izany, araka ny voalazan’ny Tale jeneralin’ny Hydromado teo, dia ny hoe : « zavatra mahafinaritra indrindra dia tsy misy haharesen-tsika ny aizina hafa-tsy ny hazavana ». Marina sa tsy marina ? Noho izany, mila hazavana ny isaky ny tokan-trano.

Ka ny tokan-trano rehetra izay mbola tsy nahazo jiro hatrany amin’ny tokan-trano faran’izay lavitra, any amin’ireny kaominina ireny, dia mila fiaraha-miasa amin’ny Ben’ny tanàna, miaraka amin’ny Sefom-pokontany, eo ambanin’ny fitarihin’ny Governora sy ny Préfet, mba manao lisitra madio ianareo. Miainga avy any amin’ny « liste électorale » hatao mifanandrify amin’ny lisitra izay ananan’ny fokontany : tokan-trano iray, karnem-pokontany iray, fa tsy hoe tokan-trano iray karnem-pokontany telo, mba hafahan’ny olon-drehetra misitraka.

Rehefa madio izay lisitra izay, ireo fokontany rehetra, eto Behenjy sy ny manodidina, dia ho vatsina « kit solaire » maimaim-poana mba tsy hampiasa labozia, mba tsy hampiasa solitany (« pétrole ») intsony. Mety sa tsy mety ? Tanjona apetraka izany. Ary tiako no mampahafantatra anareo fa rehefa vita ny fitokanana eto, amin’ny tolakandro dia hanao Filan-kevitry ny minisitra ary anisan’ny adihevitra sy ny lamin’asa hapetraka ao amin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny lamina apetraka mba hahazoan’ny tokan-trano rehetra manerana an’i Madagasikara -fanamby ataoko ary tsy maintsy ho tratrako- famatsian-jiro ary hahazo « kit solaire » ihany koa.

Betsaka ny tetikasa ho ataoko. Fa anisan’ny tetikasa miraikitra ato am-poko, ary indrindra tsy afaka ato an-tsaiko fa tsy maintsy ho tanterahiko, dia ny fanomezana jiro isan-tokan-trano io. Betsaka ny Filoham-pirenena nandalofa izao kosa : izaho te-hametraka zavatra maharitra, hitondra hazavana isaky ny tokan-trano, ary hanazava ny tokan-tranonareo, hanazava ny Distrikta rehetra, hanazava ny Kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara, Tompokolahy sy Tompovavy.


Ka ny tanjona apetra-tsika dia ny hafahan-tsika mampiasa angovo azo havaozina, ary tsy maintsy ho tratra ntsika izany, ny ampiarina herinatra avy amin’ireo singa telo izay nomen’Andriamanitra antsika ireo.

Eto aho dia miarahaba sy mankasitraka manokana ny Vondrona Orinasa, ny « Groupe Gamo », ao anatin’izany moa ny Sainto izay rano sotroiko isan’andro, Andriamatoa Tale Jeneraly. Tsy hoe manao publicité ho anao aho fa rehefa natao ny « test », teny amin’ny Institut Pasteur, dia ny ranon’ny Sainto no anisan’ny tsara indrindra ho an’ny fahasalamana. Ary izay no hahitanareo ny rano fitsotroko manaraka ahy dia Sainto foana, amin’ny maha-Malagasy azy fa indrindra amin’ny mahatsara ny kalitaon’ny famokarana izany rano Sainto izany.

Miarahaba anao manokanana, Andriamatoa Tale Jeneraly sy ny mpiasa rehetra amin’izao fotodrafitr’asa nataon’ny Hydromado izao. Ohatra nomen’ny Vondrona Orinasa Gamo ny fanaovana izao satria afaka atao tsara tokoa no mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny Firenena, amin’ny fanaovana foto-drafitr’asa sy tetik’asa izay mifandray amin’ny vinan’asa napetraky ny Fitondram-panjakana.

Ary mamporisika hatrany ny tenako, ny sehatra tsy miankina hiara-hientana, hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana mba hampandroso aingana an’ny Tanindrazana izay iarahan-tsika manana.

Ho ela velona anie, ny fiaraha-miasan’ny Fitondrana sy ny tsy miankina, ary ho lava fanapahana ary indrindra ho haharitra izao orinasa izay apetran-tsika izao eto amin’ny Hydromado izao, hitondra herinaratra isaky ny tokan-trano.

Izay no lava, izay no fohy, ka dia mirary soa ho antsika rehetraretra.

Mankasitraka anareo avy lavitra,

Mankatelina anareo eto an-tanàna, ary samia isika rehetra ho tahian’Andriamanitra.

Misaotra, Tompokolahy, mankasitraka, Tompokovavy,

Madagasikara tsy maintsy mandroso.

Andry Rajoelina

Filohan’ny Repoblika malagasy

Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Jeudi, 02 Mai 2024 19:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques