]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Etazonia - Vondrona Afrikana. Fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-kina sy fifanajana, hoy ny Filoha Jo Biden

Etazonia - Vondrona Afrikana. Fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-kina sy fifanajana, hoy ny Filoha Jo Biden

Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony faha 34 ny Vondrona Afrikana ny Filoha Amerikana vaovao, Joe Biden, tamin’ny Zoma 5 febroary lasa teo, ary nampita hafatra tamin’ny alalan’ny horonan-tsary ho an’ireo mpandray anjara.

Notsindriany tao anatin’ny lahateniny fa “matoky ny firenena afrikana” i Etazonia ary “vonona ny hiara-hiasa anatin’ny firaisan-kina sy hanohana ao anatin’ny fifanajana”.

Niverenany ihany koa ny momba ny valan’aretina coronavirus ary nilaza ny Filoha Biden fa “ny taona vao nodiavintsika teo dia mampiseho fa mifamatotra ny tontolo misy antsika ary tsy afaka sarahina ny ho avintsika. Izay no mahatonga ny fitondrana tantanako hiezaka hamerina ny fiaraha-miasa amin’izao tontolo izao sy hamerina ny fifampidinihana amin’ireo rafitra iraisam-pirenena toy ny Vondrona Afrikana”.

Ity manaraka ity ny dikateny malagasy ny kabarin’ny Filoha Joe Biden izay nampitaina tamin’ny fivoriana an-tampony faha-34 ny Vondrona Afrikana

Navoaka ny Zoma 5 febroary 2021

Miarahaba ny tsirairay. Voninahitra ho ahy ny manolotra ny fiarahabana avy amin’ny vahoakan’i Etazonia amin’izao fivoriana an-tampony faha-34 ny Vondrona Afrikana izao.

Ny taona vao nodiavintsika teo dia mampiseho fa mifamatotra ny tontolo misy antsika ary tsy afaka sarahina ny ho avintsika.

Izay no mahatonga ny fitondrana tantanako hiezaka hamerina ny fiaraha-miasa amin’izao tontolo izao sy hamerina ny fifampidinihana amin’ireo rafitra iraisam-pirenena toy ny Vondrona Afrikana.

Tokony hiara-hiasa isika hampiroboroboana ny vina iraisana ho an’ny ho avy mendrika.

Ho avin’ny varotra sy ny fampiasam-bola miabo izay mampiroborobo ny fandrosoan’ny firenendrehetra.

Ho avy izay manome vahana ny fiainana anaty fandriam-pahalemana sy filaminana ho an’ny olompirenena rehetra.

Ho avy izay hanohanantsika ireo rafitra demokratika sy hampiroboroboana ny zon’olombelona ho an’ny rehetra – ny vehivavy sy ny ankizivavy, ireo LGBTQ, ireo manana fahasembanana, ireo hafa fiaviana, ireo hafa finoana ary ireo hafa kolontsaina.

Hahatongavantsika any amin’izay ho avy izay dia tokony hatrehantsika ireo fanamby lehibe izay eo anoloantsika.

Mila ampitomboina ny tetibola ho an’ny fahasalamana maneran-tany – resena ny COVID-19 ary misoroka, mitily ary miatrika ireo olana ara-pahasalamana hitranga amin’ny ho avy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny CDC afrikana sy ireo rafitra hafa miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Mila hakarina ny fiatrehana ny fanambin’ny fiovan’ny toe-tr'andro ka ireo firenena mandroso dia hampihena ny fikorontanan’ny toe-trandro izay efa manomboka miteraka hirifiry ary hahay hifanaraka amin’izany fiovana izany.

Ary hampihatra diplomasia mirindra sy mitsinjo lavitra, mifandray amin’ny Vondrona Afrikana, hiatrehana ireo fifandirana izay mitarika fahafatesana manerana ny kaontinanta afrikana.

Tsy misy mora izany rehetra izany.

Fa i Etazonia dia vonona ny ho mpiara-miasa aminareo anatin’ny firaisan-kina ary hanohana anareo ao anatin’ny fifanajana.

Matoky ny firenena afrikana izahay.

Amin’ny fananana toe-tsaina mandraharaha sy ny fanavaozana eo amin’ny kaontinanta manontolo.

Ary na goavana aza ireo fanamby manoloana dia inoana tsy am-pisalasalana fa ho afaka hiatrika ny firenentsika sy ny vahoakantsika ary ny vondrona afrikana.

Misaotra.


Fisaorana mitafotafo no atolotray eto amin'ny madagate ho an'ny Masoivoho Amerikana miasa eto Madagasikara, nandefa io dikateny io.

Mis à jour ( Lundi, 08 Février 2021 08:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO