BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes), Foibe Antanimora Antananarivo, Sabotsy 06 Desambra 2019. Nanatanteraka valan-dresaka ho anâny mpanao gazety ny avy aminâny BNGRC sy ny ao amin'ny Sampandraharaha misahana ny Toetr'andro (MĂ©tĂ©o). âNanomboka ny marainan'io Sabotsy 06 Desambra io dia lasa âCyclone tropicalâ (CT) ary nitombo hery ilay rivo-doza nampitondraina ny anarany hoe BELNA izay nihaodihaody tany Avaratry ny Nosyâ, hoy ny Tale ny famantarana ny toe-andro, Raholijaona Nirivololona.
Io Sabotsy 06 Desambra io, taminâny 03 ora maraina dia :
Any aminâny 307 Km somary Avaratra AndrefanâAntsiranana na 360 Km somary Avaratra Andrefana an'i Nosy be no misy ny foibenâilay Cyclone Tropical BELNA.
- Niakatra ho 130 Km isanâora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 180 Km/ora.
- Mikisaka mianatsimo ny diany ka mahafaka 11 Km isanâora
- Hitombo hery hatrany izy ato anatinâny roa andro ho avy ka mety ho lasa Cyclone Tropical Intense.
- Tsy miova ny tombana fa dia manambana ny tapany Avaratra Andrefanâny Nosy izy ka vinavinaina hiditra antanety eo aminâny Distrikanâny Mitsinjo sy Soalala (Faritra BOENY) ny harivanâny Alatsinainy 09 Desambra 2019.
Tsy misy fiovana ny filazana loza voarainâireo Distrika sy Faritra voakasikâizany dia :
- Miloko Maintso : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord, Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.
Entanina araka izany ny mponina mba hanaraka tsara ny toro-marika omenâny Manam-pahefana eny ifotony. Ny mpampiasa ranomasina aminâny morontsiraka Avaratra manontolo dia entanina mba tsy hiandriaka intsony. Hihamafy ny fitsoky ny rivotra.
Ny Alatsinainy 09 Desambra tolakandro dia ho lasa rivo-doza mahery (Cyclone intense) i BELNA. Mety hiakatra 200 km isanâora ny tafiotra hoentiny,Manomboka ny Asabotsy 07 desambra dia mihatra ny loko mao aminâireto toerana ireto :
- Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, BOENY, Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe.
Heriniandry Razafimandimby Tale mpitantana ny loza sy ny tandidona CERVO (Centre dâĂ©tude de RĂ©flexion et de Veille dâOrientation), dia manentana ny tompon'andraikim-pahefana rehetra eny anivonâny Faritra, Distrika, Kaominina sy Fokontany handray ny fepetra rehetra mifanandrify aminâny filazana ny rivo-doza.
Maro rahateo ny fanofanana sy fampianarana nampitainâny BNGRC ka fotoana toy izao no fampiharana drafitra hiatrehana ny loza. Torakâizany ihany koa ny fitaovana izay efa nozaraina. Ka tokony efa ho vonona aminâizany ny tsirairay. Entanina ny mponina voakasika ny loza mba hanaraka ny toro-marika omenâny Manampahefana.
Andry Rakotonirainy