]
Les quotidiens du 20 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Abu Dhabi, 07 May 2024. Filoha Andry Rajoelina. Ny kabariny, nadika teny malagasy, tamin’ny fisokafan’ny AIM andihiny faha-13

Abu Dhabi, 07 May 2024. Filoha Andry Rajoelina. Ny kabariny, nadika teny malagasy, tamin’ny fisokafan’ny AIM andihiny faha-13

« Son Altesse Royale Sheikh Saud Bin Saqr Al Qasimi, Mpikambana ao amin'ny Filankevitra Ambonin'ny Emirà Arabo Mitambatra sy Emir an'i Ras Al Khaimah,

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fondation AIM,

Ramatoa sy Andriamatoa Minisitra isany avy,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ianareo mpandray anjara hajaina.

 

An-kafaliana lehibe ny atongavako eto Abu Dhabi hiatrika ity Fivoriana faha-13 momban’ny fampiasam-bola, atao isan-taona ity.

Voninahitra ho an’i Madagasikara ny mandray anjara amin’ity fihaonana ity ary maneho ny fisaorana feno indrindra an’ny Son Altesse Mohamed bin Zayed Al Nahyan, Filohan’ny Emirà Arabo Mitambatra noho ny fandraisany sy ny fisakaizana tso-po nasehony tamin’ny fandraisana anay, ho vahiny mana-kaja amin'ity sehatra fampiasam-bola lehibe indrindra maneran-tany.

Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny mpanjaka ihany koa aho, amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy sy amin’ny tenako manokana, noho ny famoizana havana manan-kaja akaiky.

Ity fihaonambe AIM 2024 ity dia tena manan-danja indrindra amin'ny toe-javatra izay hitrandrahana ny mety ho fampandrosoana ara-toekarena manerantany. Ity fihaonana ity dia ahafahantsika manangana fiaraha-miasa mahomby sy hitrandrahana sehatra fihariana vaovao.

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Miaina ao anatina tontolo izay ananan’ny firenena tsirairay tanjaka isika,izany na eo amin'ny lafiny fahaizana, na eo amin’ny sehatry ny loharanon-karena na eo amin’ny fanànana fitaovana.

Ny fiaingan’ny fandrosoana malaky dia malaky an'i Dubai sy Abu Dhabi, tanàna roa nambabo izao tontolo izao tamin'ny fiovan'izy ireo, dia ohatra tsara harahina satria mampiseho amintsika fa ny vina, sy ny fahavononana ary ny fanavaozana dia afahana mamadika ny fahitantsika ho asa azo tsapain-tanàna.

Tany efitra dia lasa niova ho ivon-toe-karena manerantany miroborobo, manintona talenta sy fampiasam-bola avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Io fahombiazana io dia maneho tanteraka ny maha-zava-dehibe ny faharetana.

Izany faharetana izany dia manentana antsika hanome lanja ny fahafahana miandry fotoana fanararaotana azo vokarina ao amin’ny firenenay.

Araka ny efa fantatrareo, i Madagasikara dia manana harena voajanahary isan-karazany tsy mampino sy fahasamihafana ara-kolontsaina miavaka tsy manam-paharoa.

Mba hanatrarana ny fipoiranay dia mitady ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo firenena namana izahay mba hanohanan’izy ireo ny fampandrosoana izay andrasan’ny Malagasy hatry ny ela.

Ny toerana ara-jeografika sy stratejika misy an'i Madagasikara, sy ny toerany afovoany eo amin'ny sarintanin'izao tontolo izao, izay eo amin'ny sampanan-dàlana faleha an-dranomasina, dia manambara ny anjara asa lehibenay eo amin'ny varotra sy ny fifaneraserana ara-paritra.

Ny fanananay morontsiraka mirefy 5.000 km dia mametraka ny firenenay ho tetezana stratejika mampiray ny Afrika, ny Azia, ny faritra Afovoany Atsinanana (« Moyen-Orient ») ary ny faritry ny ranomasimbe Indianina manontolo.

Ny 5%-n'ny zava-manan-aina eto amin'izao tontolo izao dia ao amin’ny Nosy Lehibenay ny misy azy. Rakotra harena voajanahary izy, izay midika fa misy fahafahana fanararaotana famokarana ara-toekarena sy ara-pizahan-tany tsy tambo isaina.

Mbola midadasika ny fampandrosoana ny indostrian'ny fizahantany, indrindra amin'ny fizahantany ara-panatanjahantena, ara-kolontsaina, eny amoron-dranomasina, ary indrindra ny fijerena ireo biby an-dranomasina goavam-be any aminay, ka anisan'izany ireo "big four" malaza : ny trozona misy trafo, ny antsantsa trozona, ny sokatra an-dranomasina ary ny feso.

Mba hafahanay mampiroborobo ireo sehatra ireo, dia mikaroka loharanom-bola vaovao izahay, indrindra fa avy aty amin’ny Emirà Arabo Mitambatra, mba hampivelatra ny mpanjifanay mpizaha tany sy hanentanana ny fitomboana maharitra ireo sehatra ireo ao Madagasikara.

Ny fanorenana efitrano fatoriana fanampiny miisa 11.500, hatsangana manerana ny faritaninay rehetra, dia laharam-pahamehana ho anay mba hanomezana fahafaham-po ny mpitsidika mia mitombo isa andro amanalina.

Efa manana toeram-boajanahary natioraly efa vonona izahay, handraisana ireo trano fandraisam-bahiny ekôlôjika, toeram-pisakafoanana ara-tontolo iainana ary hotely klioba avo lenta.

Toerana maromaro ara-voajanahary no mety amin'ny fandrindrana tobi-tsambo, ka afahana manome tolotra eo amin’ny fitsangatsanganana an-dranomasina tsy hay hadinoin’ny mpitsidika, sady miaro ny asaro-bidin’ny tontolo iainana amorontsiraka. Ny toeran-kafa dia natao hampitomboana ny hetsika toy ny fitsangatsanganana misidina anaty Mongolfières, ny fitsidihina toerana fizahan-tany misy rano mafana avy ambanin’ny tany, na ny fitsangantsanganana ambony renirano.

Ny firenenay dia misy mponina miisa 28 tapitrisa, izay latsaky ny 30 taona ny ankamaroany, ary 587.000 km2 amin'ny tany lonaka. Ny kinendrinay dia ny hanorina rohy stratejika ary hisarihana mpiara-miombon'antoka sy mpampiasa vola mizara vina fampandrosoana ara-ekonomika maharitra mitovy amin'ny vinavinay. Madagasikara dia afatra manolotra tontolo iainana mahasoa amin'ny fampiasam-bola amin'ireo sehatra lehibe samihafa.

 

Voalohany indrindra, te-hiresaka aminareo momba ny sehatry ny fambolena aho.

Amin'izao fotoana izao, ny fitomboan'ny mponina dia mitarika amin'ny fitomboan'ny filana ara-tsakafo maneran-tany ary ny fitomboan'ny fihinanana hena dia efa any amin’ny 350 tapitrisa taonina, raha manodidina ny 500 tapitrisa taonina isan-taona ny fanjifana vary.

Manoloana ny filàna hamelomana ny mponina eran-tany tsy mitsaha-mitombo sy amin’ny fijerena ny tsy fahampian’ny tany azo volena, dia tombanana fa tany fambolena maherin’ny 800 tapitrisa hektara no ilaina hamelomana ny mponina maneran-tany.

Manana tany azo volena maherin'ny 36 tapitrisa hektara i Madagasikara, midika fanomezana fahafahana lehibe hanakatona io hantsana ara-tsakafo maneran-tany io.

Manana ny harena voajanahary izahay : ny tany lonaka ary ny toetr'andro tsara ho lasa sompitra goavam-be ho an’ny fambolena.

Na izany aza, mba hitrandrahana tanteraka izany hery tahiry izany, dia tsy maintsy manavao ny teknika momba ny fambolena isika, mampiasa vola amin'ny fikarohana sy ny fampandrosoana ary mandrisika ny fampiasam-bola amin'ity sehatra ity.

Amin'ny alàlan'ny fanavaozana ny fomba fambolena no afahanay manatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo, izay vao afaka mamaly ny filan'ny tsenam-paritra, midika fandraisana anjara amin'ny fiarovana ara-tsakafo manerantany.

Eo amin’ny sehatry ny fiompiana trondro dia misongadina amin’ny harena miavaka ao amin’ny morontsiraka misy ao aminy i Madagasikara.

Ny ranonay dia manankarena amin'ny vokatra trondro manara-penitra, indrindra fa ny makamba, izay mahazo tombony amin'ny Label Rouge malaza, manaporofo ny fahatsarany avo lenta.

Satria mamokatra 30.000 taonina isan-taona ny firenenay dia azo lazaina f’efa mpamokatra manan-danja eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fiompiana trondro. Ary mbola afaka mamokatra avo zato heny isika satria manana tahiry mpamokarana mahatratra hatrany amin’ny 300.000 taonina izahay.

 

Excellences,

Tompokolahy sy Tompokovavy

Tsy afaka miresaka momba ny fahafahana fanararaotana famokarana ara-toekarenan’i Madagasikara aho raha tsy milaza teny vitsivitsy momba ny sehatry ny harena ankibon'ny tany, izay sehatra iray hafa amin'ny fampiasam-bola maha be fanantenana.

Amin’izao toe-draharaha misy maneran-tany izao, izay ananan’ny harena an-kibon’ny tany lanja stratejika ny amin’ny fanomezana ny akora fototra ilaina amin’ny indostria, dia mpanondrana nikela fahatelo aty Afrika i Madagasikara.

Ny Nosinay dia manana toerana lehibe tsy azo iodivirana eo amin'ny tsenan'ny akora amban’ny tany maneran’izao tontolo izao. Satria tombanana ho 300 tapitrisa taonina ny tahiry kobalta, vanadium, vy, volamena, grafita ary vato sarobidy misy ao aminay.

Mahatratra eo amin’ny 33%-n’ny fanondranana io sehatra io any aminay, izay mitondra anjara biriky lehibe amin’ny toekaren’ny firenenay. Mba hanamafisana ny fanoloran-tenanay amin'ny rafitra ara-dalàna matanjaka izay mamporisika ny fampiasam-bola tompon'andraikitra, dia nametraka fehezan-dalàna momba ny harena ankibon'ny tany vaovao misy fepetra fandrisihana izahay.

Manoloana izany, dia faly izahay manambara ny fiaraha-miasa amin’ny Emirà Arabo Mitambatra amin’ny fanokafana ny orinasa mpamokatra volamena voadio voalohany any Madagasikara, izay dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany any aminay.

Mikasika ny sehatry ny angovo, lohahevitra tena akaiky ny foko, ny tanjonay dia ny hampitombo avo roa heny na avo telo heny ny fahafaha-mamokatra angovo.

Ny Fiovana na fifindrana angovo dia miompana amin’ny angovo azo havaozina toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro, ny rivotra ary ny herinaratra avy amin’ny toho-drano. Amin'izao fotoana izao, ny fiankinanay amin'ny angovo termika dia maneho fanamby lehibe, ary ny 90% amin'ny famokarana dia miantehitra indrindra amin'ity loharan’angovo lafo dia lafo ity.

Ohatra : ho ana famokarana 600 MW, dia mandany 250 tapitrisa dolara isan-taona izahay amin'ny solika, indrindra ny lasantsy sy ny gazoala. Io vola io anefa dia afahana amatsiana ny fametrahana 300 MW isan-taona amin’ny alalan’ny parcs solaires.

Mba hanafainganana ny fifindrana angovo dia nanangana tetikasa goavana amin'ny fametrahana parcs solaires amin'ny distrika 47 amin'ny 120 ao amin'ny firenenay izahay.

Ankoatra izay, manana tahiry mpamokarana herin’aratra avy amina toho-drano tombanana ho 7.800 MW mahery i Madagasikara, loharan’angovo makadiry izay ho trandahanay ao anaty fahavononana tsy hisy fihemorana.

Amin'ny alàlan'ny fampiasam-bola amin'ny angovo azo havaozina, tsy miantoka ny fiarovana ny angovo fotsiny ihany izahay, fa mitana anjara toerana lehibe amin'ny fifindrana mankany amin'ny hoavy maitso kokoa sy maharitra.

Ny fanambinay dia ny fanomezana herinaratra ho an'ireo fianakaviana mbola tsy manana jiro ao an-trano.

Mba hanatontosana izany, dia nanangana fandaharanasa nasionaly fitsinjarana ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro antsoina hoe HAZAVANA HO ANAO na “Hazava ho an’ny tokantrano tsirairay” izahay. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity, dia tokan-trano miisa 4 tapitrisa, na 75%-n’ny Malagasy, no afaka hitahiry eo amin’ny 2 ka hatramin’ny 4 dolara isam-bolana.

Vola manakaikin’ny 960 tapitrisa dôlara no ho voatahiry ao anatin’ny 5 taona, ka hanatsara ny fiainana andavanandron'ny fianakaviana tsirairay. Ity fivoarana tsy mbola nisy hatramin’izay ity, izay fanomezana jiro isaky ny tokantrano, dia hanazava ny firenena iray manontolo.

 

Ry mpiara-miombon’antoka,

Hamaranana ny lahateniko, dia tao anaty fanantenana lehibe aho nihaona tamin'ny Filohan'ny Emirates Group mba nanamafisana ny fisokafana tsy ho ela ny zotra mampifandray an'i Emirà Arabo Mitambatra sy Madagasikara. Izany no tena handrisika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Manasa ny mpisehatra rehetra ao amin’ny fanjakana sy ao amin’ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka rehetra manatrika eto aho, mba hifidy an’i Madagasikara ho toerana manokana ho an’ny fampiasanareo vola. Amin'ny fampiasam-bola eto amin'ny firenenay dia azo antoka fa hahazo tombony amin'ny fampiasam-bola mahasoa sy maharitra ianareo.

 

Farany,

Mirary soa ho an'ny mpandray anjara rehetra aho, ary manantena aho fa ity kongresy ity dia hampiroborobo ny fananganana fiaraha-miasa matanjaka ho amin'ny hoavy mivoatra.

Amin'ny fampivondronana hery sy fizarana ny traikefantsika, dia manana fahafahana miavaka hanova ny toe-karena maneran-tany sy hampihenana ny tsy fitoviana sy ny elanelana eo amin'ny fampandrosoana eo amin'ny samy firenena isika.

Misaotra indrindra anareo noho ny fifantohanareo ».

Andry Rajoelina,

Filohan’ny Repoblika Malagasy

Nandika avy tamin’ny teny frantsay : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 14 Mai 2024 09:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany