Ao anatinâny Fihaonambenâny Governemanta maneran-tany faha-11 na « World Governments Summit » (WGS), dia hanana anjaram-pitenenĂ na ny Filohanâi Madagasikara, Andry Rajoelina, ny Talata 13 Febroary 2024 tolakandro. Izany dia ao anatinâny fivoriana atrehinâny rehetra (« Plenary session»), mitondra ny lohahevitra hoe: « Fanafainganana Fy fanovana ny Governemanta » (« Government Acceleration and Transformation »).
Handray anjara aminâity fihaonana an-tampony any Dubai ity ihany koa ny Filoham-pirenanâny Nosy Maorisy, Prithvirajsing Roopun; ny Filoham-pirenanâny Nosy Maldives, Dr. Mohamed Muizzu, ary ny Filoham-pirenanâireo Nosy Seychelles, Wavel Ramkalawan.
Ho hita ao aminâio fivoriana fara-tampony ao Dubai ihany koa ny Filoham-pirenanâny Rwanda, Paul Kagame; Filoham-pirenanâny Kenya, William Ruto; Filoham-pirenanâny Torkia, Recep Tayyip ErdoÄan; ny Filohan'ny Repoblika Kyrgyz, Sadyr Japarov, ary ny Praiminisitra India, Narendra Modi.
Inona moa ity WGS ity ?
Tokony ho fantatrao aloha fa ny WGS dia Vondrona tsy miankina aminâny Fanjakana, na NGO, nitsangana tamin'ny 11 Febroary 2013 ary ny Foibeny dia ao Dubai any aminâireo EmirĂ Arabo Mitambatra («United Arab Emirates »). Nanomboka teo, ary isan-taona, ity fihaonana an-tampony ity dia mampivondrona ireo mpitondra fanjakana maneran-tany mba hiresaka sy hiady hevitra mihitsy mombanâny olana misy eo aminâny politikan'ny governemanta sy ny fizotrany, ka mifantoka amin'ny Hoavy (« Futurism »), ny fanavaozana ara-teknolojia ary ny lohahevitra maro hafa momba ny planetantsika. Ny WGS dia mikendry ny ho sehatra fifanakalozana fahalalĂ na eo amin'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, ny mpitondra hevitra, ny mpanao politika ary ny mpitarika ao aminâny sehatra tsy miankina. Ny WGS koa dia mikendry ny ho Ivon'ny famakafakana ny fironana, ny olana sy ireo tranga mahavelombolo samihafa mety hatrehin'ny Olombelona atsy ho atsy. (Loharano: Wikipedia).
Mikasika ity WGS 2024 ity
Ny andiany faha-11 ny Fihaonamben'ny Governemanta Manerantany (WGS 2024), izay mampivondrona mpandray anjara maherin'ny 4.000 ao Dubai, manomboka ny 12 ka hatramin'ny 14 Febroary 2024, dia hanohy hatrany ny fitadiavana vahaolana vaovao mba hiatrehana ireo fanamby maika amin'ny Hoavy.
Nasongadinâi HE Mohammed Abdullah Al Gergawi, Minisitry ny Kabinetra sady Filohanâny NGO WMS, izany, taminâny namelabelarany ny fandaharam-potoananâny WGS andiany faha-11, ny Talata 6 febroary, tao aminâny « Museum of the Future ».
Ao anatinâny lohahevitra hoe « Mamolavola ny governemantan'ny ho avy » («Shaping Futur Governments»), ny NGO WGS dia mikarakara ity Fihaonambe fara-tamponâny Governemanta maneran-tany handraisana delegasiona miisa 120 misy Filoham-panjakana, tomponandraikim-panjakana ary solontenam-panjakana, miampy Mpitarika fikambanana iraisam-pirenena sy isam-paritra maherin'ny 80 isa.
Mpitarika hevitra (« Opinion Leaders »), Matihanina ary Manam-pahaizana avy any aminâny lafivalonâny planeta tany -anisan'izany ireo nahazo ny loka Nobel mihoatra ny 8- dia ho avy hanatsara sy hampiakatra ny adihevtra amin'ny alĂ lan'ny fifanakalozan-dresaka miisa 110. Maherinâny 200 ireo mpandahateny manan-kaja, anisanâizany Filoham-pirenena, Minisitra ary mpahita sy manana jery lavitra (« visionaries »). Ireo no hizara ny heviny mandritra ny Fivoriana miisa 23 ataonâireo minisitra tonga any an-toerana (« ministerial meetings ») sy ny Fivorianâny Mpanatanteraka (« executive sessions ») izay hampiantrano minisitra maherinâny 300. Mampanantena ny hanazava ny lĂ lana mankany amin'ny fandrafetana Hoavy tsara kokoa ho an'ny rehetra ity WGS andiany faha-11 ity.
Handray anjara amin'ity WGS 2024 ity ihany koa ny CEO miisa 27, ka anisan'izany i Ajaypal Banga, Filohan'ny Vondrona Banky Iraisam-pirenena ; Kristalina Georgieva ; Tale Mpitantana ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena - izay anjaram-pitenenana amin'ny lanonana fanokafana ny WGS 2024 - ; Ahmed Aboul Gheit, Sekretera jeneralin'ny Ligy Arabo ; Jasem Mohamed Albudaiwi, Sekretera Jeneralin'ny Filankevitry ny fiaraha-miasa amin'ny Golfa ; Sam Altman, Tale Jeneralin'ny âOpenAIâ (mombanâny « Artificial Intelligence » misokatra).
Ity WGS dia antenaina ho fanombohana ny andian-tatitra stratejika, mihoatra ny 25 isa, mifantoka amin'ireo fomba fanao sy fironana lehibe indrindra amin'ny sehatra tena ilaina sy saro-pady. Ireo tatitra ireo dia hirakitra « Forums », Fivorian'ny ministra ary fotoam-pizarana fahalalà na.
Ny WGS 2024 dia hampiatrano « forums » iraisam-pirenena miisa 15 hifantoka amin'ny famolavolana paikady sy drafitra matihanina ho ana sehatra manan-danja mifandraika amin'ny maha-olombelona. Ireo « forums » ireo dia nokarakaraina tamin'ny fiaraha-miasa amin'ireo Fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany, ireo Andrim-panjakana ara-teknolojia manerantany sy ireo Orinasa goavam-be, ary koa ireo Andrim-panjakana natokana ho amin'ny fanavaozana sy fanatsarana vahaolana vaovao hiatrehana ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonin'olombelona maneran-tany.
Ireo « Forums » ireo dia ahitana ny « Global Health Forum » (Mombanâny Fahasalama); ny «Government Services Forum» (Mombanâny raharaham-panjakana); ny « Arab Government Administration Forum » (Mikasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana ao aminâireo firenena arabo); ny «Knowledge Exchange Forum» (Mombanâny Fifanakalozana ny Vola); ny «Future of Transport Forum » (Mombanâny Hoavainâny Fitanterana) ; ny «Public Finance Forum for Arab Countries» ((Mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana ao aminâireo firenena arabo) ; « the Future of Education Forum » (Mombanâny Hoavinâny Fanabeazana); «the Space Future Forum and the Advanced Industry and Technology Forum » (Mombanâny Hoavinâny fifamoivoizana any aminâny habakabaka any sy mombanâny Indostria sy ny Teknolojia mandroso sy mampandroso).
Ny WGS 2024 koa dia hanohy ny fifanakalozan-dresaka isan-karazany amin'ny alĂ lan'ny « Forums » hafa toy ny « Forum Artificial Intelligence » (Fahaizana artifisialy), ny « Future of Work Forum » (Ny mombanâny Hoavinâny sehatry ny Asa) ; ny « Emerging Economies Forum » (Mombanâny Toe-karena vao misondrotra ») ; ny Geotechnology Governance Forum (Mombanâny fitantanana ny teknika hiarovana ny tany) , ny « Forum on the Sustainable Development Goals » (Mombanâny OMD), ary ny « Arab Meeting of Young Leaders » (Fihaonanâireo Arabo tanora Mpiratika) sy ny hetsika « Temps 100 ».
Ny WGS faha-11 dia hampiantrano ihany koa fifanakalozan-kevitra manerantany mifantoka amin'ny fandinihana ny fananganana ireo governemanta Hoavy. Hivondrona ireo mpitarika eran-tany, ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta maneran-tany, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo mpitarika eritreritra ary ireo tompon'andraikitra amin'ny sehatra tsy miankina, mba hiantohana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, hamantarana ny vahaolana vaovao ho an'ny fanamby amin'ny Hoavy, hamantatra dieny mialoha ny fahafahana lehibe indrindra (« Key oppotunity ») ary hanentana ireo taranaka governemanta ho avy manaraka.
Ireo lohahevitra miisa 6 lehibe
Ny WGS 2024 dia mifantoka amin'ny lohahevitra fototra enina maika, ka ao anatin'izany ny « Fanafainganana sy ny fanovana ireo governemanta », ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ary ny fanavaozana ireo fitsipika famaritana sy sisin-tany manaraka, ny famoronana indray amina fomba hafa (« reimagination ») ny fampandrosoana sy ny toe-karenanâny Hoavy, ny fiarahamonina sy ny fanabeazananâny Hoavy, ny faharetana ary ny fiovana eran'izao tontolo izao, ary koa ny fandrindrana ny tanan-dehibe (« urbanization ») sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny tontolonâny fahasalamana manerantany.
Mikasika mpiara-miombonâantoky ny WGS
Ireo mpiara-miombon'antoka stratejika amin'ny fihaonambe (FMI, UN, UNESCO, OECD, World Economic Forum...) dia nanamafy fa ny WGS 2024 dia ho lasa fivoriambe maneran-tany ho an'ny vondron'olona sangany ahitana mpitondra fanjakana, minisitra, tompon'andraikitra ambony, mpanapa-kevitra, mpitarika hevitra sy manampahaizana momba ny raharaha ara-bola, toekarena ary sosialy. Mivondrona izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ny fomba fijery sy ny hevitra mandray anjara amin'ny fampivoarana sy fitadiavana vahaolana vaovao manoloana ny fanamby manerantany sy ny fanatsarana ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina manerana izao tontolo izao.
Fanomezana loka (« Prize »)
Ny WGS 2024 dia hanome loka eran-tany maromaro, hankasitrahana ireo minisitry ny governemanta, solontenan'ny sehatra tsy miankina, mpamorona ary mpamorona noho ny fandraisany anjara miavaka amin'ny fananganana fiarahamonina tsara kokoa ho an'ny olombelona. Ireto avy izany mari-pankasitrahana izany: ny â Lokanâny Minisitra tsara indrindra maneran-tany â na «Prix du Meilleur ministre du Monde»; ny " Loka Iraisam-pirenenanâi Dubai " na «Prix international de Dubaï» ho an'ny paika ady amin'ny fampandrosoana maharitra tsara indrindra; ny " Lokan'ny fanavaozana sy ny famoronana ao aminâny tontolonâny gouvernemanta " na « Prix des innovations gouvernementales crĂ©atives »; ny â Loka maneran-tany ho an'ny fampiharana governemantaly tsara indrindra na ««Prix mondial des meilleures candidatures gouvernementales », ary ny â Loka Excellence ny Governemanta Maneran-tany â na «Prix d'excellence du gouvernement mondial».
Jeannot Ramambazafy
Source Loharanom-baovao : WAM Emirates News Agency