Tsy hiverenako intsony ny mombanâity ramatoa efa hananinka ny 44 taona tsy gasy tsy vazaha ity fa nandositra ny firenena malagasy rehefa nanompa ny mpitandro filaminanâi Madagasikara (Dago), taminâny fitondrana HVMâŠ
Izany sisa no ho tadidinâny vahoaka malagasy maro anâisa izay manaraka tsara ny voalazanâny Ohabolana 14 : 15 ao aminâny Baibolinâny Krisitiana tsy ankanavaka : « Ny kely saina mino ny teny rehetra ; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany ». Ndao ary.
Ny zom-pirenena dia iray amin'ireo singa mandrafitra ny satan'ny olona iray, izay ametrahan'ny LalĂ na torohevitra eo anatrehany. Indrindra indrindra mombanâny zo hanajana ny fiainana manokana (« vie privĂ©e ») izay mila arovana amin'ny fidiran'ny olon-kafa ao amin'ny sehatry ny tsiambaratelon'ny tsirairay.
Noho izany, ny fifampidinihana sy ny fampitam-baovao momba ny angon-drakitra manokana dia tsy maintsy hamarinina fa ho anâny tombontsoanâny daholobe marina, ary ampiharina amin'ny fomba sahaza sy mifanaraka amin'izay tanjona izay.
Amin'izao zava-misy izao, dia manan-jo ve isika â ara-bakiteny sy ara-panoharana â hanontany tena raha marina tokoa fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka ny famoahana amin'ny tambajotra sosialy ny zom-pirenena roa ananan'Andriamatoa Andry Rajoelina ? Tena mahasoa ny vahoaka ve izany sa mifanohitra amin'izany, ka tombontsoa manokana na/sy ara-politika mihitsy aza no mibaiko ny lalin-tsaina nanao izany ?
Ary izany, volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ka mahatonga ny sasany mazoto aminâny fanilikilihana ny Filoha aminâizao fotoana izao ? Ka dia adika vilana ny andininy faha-46 ao aminâny LalĂ mpanorenana malagasy izay milaza fa âizay kandidĂ rehetra misahana ny asanâny Filohanâny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy (âŠ)â. Tsy misy filazana mihitsy ao fa hoe zom-pirenena malagasy IRERY IHANY.
Ary dia arosy koa ny voalazanâny andininy faha-42, Lohateny faha-3, toko voalohany aminâny didim-panjakana laharana faha-60-064 taminâny 22 jolay 1960, mikasika ny fizakana zom-pirenena malagasy : âVery zom-pirenena Malagasy, ny Malagasy ampy taona izay mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapoâ.
Io fepetra noraisina taoriana kelin'ny fiverananâny Fahaleovantenanâi Madagasikara io anefa dia zara raha nampiharina, hany ka tsy nampiasaina intsony mihitsy aza ka lasa toa haingon-dalĂ na sisa. Ary tsy eto Madagasikara ihany. Iangaviako ianareo mpamaky tia fahamarinana hitodika aminâny lalĂ nanâny zom-pirenena any Espagne, Allemagne ary Belgique. Ao aminâity firenena farany ity dia izao no voalazanâny fehezan-dalĂ na momba ny zom-pirenena Belze ao amin'ny andininy faha-22, andalana 1, 1° : "Izay Belze rehetra tonga eo aminâny faha 18 taona, ka mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapo, dia manary ny maha Belze azy". Torakâizany ny any Espagne sy Allemagne, kanefa tsy nampiarina mihitsy izany tany fa lasa haingon-dalĂ na fotsiny ihany.
Mazava ho azy fa saika âcopiĂ©-collĂ©â aminâny lalĂ na malagasy ireo, fa tsy misy mahafantatra hoe iza marina no nandika nitovy anâiza.
Na izany na tsy izany, ny ankamaroan'ny Fanjakana eto amin'izao tontolo izao dia manaiky ny fanĂ nana zom-pirenena roa na mihoatra ao aminy. Eny, na dia tsy mbola nisy fiovana mazava aza ny lalĂ nanâizy ireo. Ary ny zom-pirenena roa na mihoatra dia tsy mametraka olana intsony eo amin'ny lafin'ny lalĂ na iraisam-pirenena sy mikasika ny filaminana anatiny ao amin'ny firenena tsirairay.
Anisanâizany isika eto Madagasikara hatraminâizay, raha tsy mikasika anâny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa (13 avrily 1906 - 09 may 1979) izay nandimby ny Filoha Philibert Tsiranana, ny taona 1972. Tsy vitanâny hoe nanambady frantsay vavy izy fa sady nizaka zom-pirenena frantsay sy malagasy izy. Mbola tsy teraka i Fanirisoa Ernaivo taminâizany. Sa nataony nahita « niaraka taminâny vava » koa raha teo izy ? Eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy lalĂ na manery ny olom-pirenena hanao fanambarana aminâny sata sivily (« Etat-civil ») fa manana zom-pirenena hafa izy, ka hafahana milaza fa « manao fanambarana diso » na « fandikan-dalĂ na aminâny fanadinoina ninia natao ».
Marina fa ny Filohanâny Fitsarana ambaratonga voalohany dia afaka manome ny atao hoe : « Certificat de nationalitĂ© malagasy ». Fa tsy voarakitra ao anatinâny lalĂ na malagasy kosa anefa ny mikasika ny zom-pirenena roa na mihoatra izany. Tsy misy ihany koa ny taratasy manamarina (« Certificat ») izany.
Tena lalĂ na marina ve no nianaran-dry Fanirisoa Ernaivo sy Eric Rafidison ? Mampanontany tena tokoa an !... Fantatrâizy ireo ve, ohatra, fa ny LalĂ na frantsay dia tsy manery olom-pirenena hafa lasa nizaka zomp-pirenena frantsay, hanary ny zom-pirenena niaviany ? (« La loi française n'exige pas qu'un Ă©tranger devenu Français renonce Ă sa nationalitĂ© d'origine »). Mazava be izany fa tsy voatery miaro ny tombontsoanâi Lafrantsa mihitsy ny Filoha Andry Rajoelina. Mafy ilay lainga fa ravanâny Fahamarinana hatrany.
Tokony ho fantan-dry Faniry sy Eric kosa aloha fa misokatra ho an'ny mpanao lalĂ na, ary amin'ny fotoana rehetra, ny fanovana ny voarakitra teo aloha, na fanafoanana azy ireo mihitsy aza, raha ilaina, ka soloina amina fepetra hafa mifanaraka aminâizao vaninandro misy izao. Ary tsy misy manakana ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona tsy hizotra aminâizany mihitsy.
Izany dia tafiditra aminâilay hoe « parallĂ©lisme des formes » azo adika aminâny hoe fitovianâny endri-dalĂ na. Ka na didy iray aza dia ampy hanitsiana mazava ny didy tamin'ny 1960, izay sady tsy niasa no tsy nampiarina mihitsy nandritra izay 63 taona izay. Fa tampoka teo dia indro ry « lalin-tsaina manam-pahaizana fara-tampony » fa nitsangana ka dia nanandrana toe-javatra tsy ho voafehiny mihitsy satria loza foana ho anâireo niavihanâny fanafintohinana (« malheur Ă ceux par qui le scandale arrive »). Nalefa daholo ny tsaho sy lainga rehetra azo atao handavoana anâi zandry kely ! Ny marina anefa marina ihany ary tokana tsy azo forononina.
Andriamatoa Macron : homeo azy ny zom-pirenena frantsay andrandrainy efa ela ihany, na dia tsy mendrika izany izy, fa mba « niady » ihany e ! Ho anâiza anefa ? Raha tsy izany kosa anie ho lasa « apatride » izy e ! Angaha ho sahy hiverina eto Madagasikara moa ? Mafy anie ireto izany enjehinâny eritreritra izany e ! Mahavita ny tsy fanao mihitsy. Dia io i Fanirisoa Ernaivo porofo velona. Ny mba any isaorana azy ? Dia ny nandavoany anâi tomponâny hotely A&C, Claudine Razaimamonjy, taminâny fitondranâi Hery Rajaonarimampianina. Fa dia naninona azy loatra re ny Filoha Andry Rajoelina e ?
Samia ela velona isika rehetra hahalana ny tena antonâizany lova ratsy apetrany ho anâny taranany tsy ho gasy tsy ho vazaha raha izao no mitohy.
Jeannot Ramambazafy â 1 Jolay 2023