]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Iavoloha, 07 Janoary 2022. OJM tarihin’i Rasoloarison H. Monica : « MPANAO GAZETY MATIHANINA MIRAY HINA HO AN’NY FAMPANDROSOANA »

Iavoloha, 07 Janoary 2022. OJM tarihin’i Rasoloarison H. Monica : « MPANAO GAZETY MATIHANINA MIRAY HINA HO AN’NY FAMPANDROSOANA »

V I D E O    E T O

 


 

« (…) 7 janoary 2022. Raisin’ny Filoham-pirenena mivady eto amin’ny Lapam-panjakana eto Iavoloha ny Fikambanam-ben’ny Mpanao gazety eto Madagasikara. Mankasitraka indrindra, Tompoko, ny amin’ny fandraisana anay anio, mankasitraka amin’ny fanomezam-boninahitra atolotra ho an’ny Mpanao gazety.

Entiko amina endrika fifandraisana anankiroa ny anjara fitenenako eto, amin’ny maha Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara.

 


Endrika fifandraisana voalohany, dia eo amin’ny maha ray aman-dreny sy zanaka. Ianareo, dia ianao izany, Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, sy ianao izany, Ramatoa Vadiny. Ianareo no ray aman-dreny voalohany, ray aman-drenin’ny vahoaka malagasy eto amin’ny firenena. Ao anatin’izany izahay Mpanao gazety.

Miarahaba anareo izahay, tratry ny taona vaovao 2022. Mirary fahasalamana, mirary soa sy fahombiazana ho anareo sy ireo rehetra akaiky anareo, amin’izao tonintaona izao. Mankasitraka ny Fitondram-panjakana izay tarihinao koa, Andriamatoa Filoham-pirenena, ny amin’ny fijerena manokana ny asa fanaovan-gazety, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolotsaina.


Eo ny fanomezana trano iasana ho an’ny biraon’ny OJM sy trano fivoriana ho an’ny Mpanao gazety sy fampitaovana amin’izany isaky ny Faritra ; ny fiantoana ny fanotana ny karatry ny Mpanao gazety ; ny nandaniana ilay Lalàna mifehy ny Serasera amin’ny Haino vakijery izay tiako hitondrana fitanisana kely amin’ny maha ray aman-dreny sy zanaka antsika.


 

Misy ilay andian-dalàna faha-116 ao, mamaritra ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana amin’ny famoahana an-gazety milaza fa ny orinasa misehatra eo amin’ny fampahalalam-baovao mitsangana ara-dalàna sy ny mpanao gazety am-perinasa voasoratra ao amin’ny Holafitra dia misitraka ireo zo sy tombon-dahiny voalazan’io fifanekena sy fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara ary koa ireo voazalan’ny lalàna aman-tsipika manan-kery eto amin’ny Firenena. Anisan’izany ny zo sy ny tombon-dahiny ara-ketra sy ny haba-tseranana momban’ireo fitaovana natokana ho an’ny Serasera, amin’ny alalàn’ny fampitam-baovao izay hoferana amin’ny didy aman-tsipika ny lisitra.


Efa misy volavolana lisitra narafitry ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao gazety, Andriamatoa Filoha, koa mangataka izahay mba hamoahana ny didy aman-tsipika mifandraiky amin’ity andian-dalàna ity, izay efa fampanantenana rahateo nataonay nandritra ny fampielezan-kevitra ary, indrindra indrindra, hanatanterahana azy.

Eo ihany koa ilay fikasana tafiditra ao anatin’ny drafitr’asanay hanangana ny tsanganan’asan’ny Mpanao gazety na « Corps du métier du journaliste » izay hanantenaina indrindra ny fanohanana avy any aminao, Tompoko.


Mankasitraka sahady ihany koa arak’izany, izay mbola ho fanohanana everinao hatolotra sy ny fitsinjovanao ny Mpanao gazety rehetra tsy an-kanavaka, Tompoko, indrindra moa manoloana izao valan’aretina iarahana miatrika izao.

 



Endrika fifandraisana faharoa hitondrana ny anjara fitenenako eo amin’ny maha mpiara-miasa.Voafehin’ny tondrozotram-panoratana ny gazety iasana na « Ligne éditoriale » ny Mpanao gazety. Na mpomba io na mpanohatra ny fitondram-panjakana, dia izay no mifehy ny asany. Izao anefa : mpiara-miasa tsy afaka misaraka amin’ny fitondram-panjakana ny Mpanao gazety satria manana zo fototra hisitraka vaovao maro lafy feno ny olom-pirenena araka ny lalàna velona eto amintsika sy ireo fifanarahana fifanekena iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara, ka ny Mpanao gazety no miantoka izay fampisitrahana izay zo fototra izay, na manao ahoana ny fomba hitaterany vaovao, na manao ahoana ao anatin’ny maha matihanina azy, dia miankina amin’io tondrozotram-panoratana io.


Ary eto, ankasitrahanay manokana ianao, Andriamatoa Filoha, mbola mampanaja hatrany ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy mampanaja ny tondrozotram-panoratan’ny gazety tsirairay. Izany akory tsy tokony hanararaotana ka tsy hanatanterahana ny asa amin’ny maha matihanina antsika Mpanao gazety izay isaorako antsika rahateo ihany koa.


Vinan’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara amin’izao efa-taona fe-potoam-piasana nahavoafidy anay Birao izao ny hoe : « MPANAO GAZETY MATIHANINA MIRAY HINA HO AN’NY FAMPANDROSOANA » - « JOURNALISME PROFESSIONNEL UNI POUR LE DEVELOPPEMENT ». Koa, ireo rehetra maniry hifanome tànana ao anatin’ny fanatanterahana io vina io dia raisinay an-tànan-droa, ankasitrahana indrindra, ary manantena ny fitondram-panjakana izahay, raha ireo veliranom-pampandrosoana imasoana, fa afaka manamafy izay fiarha-miasa izay isika eo amin’ny Mpitondr Fanjakana sy ny Mpanao gazety.

Ny angatahanay, hahatsara kokoa izany, dia efa misy saingy hampiarina misimisy, ny andian-dalàna faha-60 ao amin’ilay Lalàna 2020-006 ihany mifehy ny Serasera amin’ny Haino vakijery, dia ny amin’ny zon’ny Mpanao gazety matihanina mitaky ny fahalalahana miditra amin’ny loharanom-baovao rehetra, sy ny zo hanao ny fanadiadiana malalaka mikasika ny zava-misy rehetra izay iankinan’ny fiainam-bahoaka. Eo koa ny zon’ny Mpanao gazety matihanina mitaky ny fiarovana ny loharanom-baovao azony.


Maniry ny hitondra ny anjara birikinay eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena izahay, mifanentana amin’izay.

Eto aho dia iala tsiny, mamela ahy ianao, Andriamatoa Filoha, mialohan’ny hamaranako ny fandraisam-pitenenako, indrana ireo fomba fiteny nahafantarana anao hampifandray azy, vetivety monja, amin’ny asanay Biraon’ny OJM : « Mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao » ; « Zavatra tsy nisy tao anatin’ny 60 taona », hoy ianao izay.


7 Janoary anio. Izahay izao, miampy ny solontenanay efatra isaky ny Faritra, no birao faha-7 mitantana ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara. Vehivavy voalohany ny tenako, voafidy amin’ny toerana maha-Filoha. 7 ihany koa ireo tanjona manokana nofaritanay ao amin’ny drafitra stratejika ho amin’ny efatra taona, izay efa nampitainay taminao. Nampitainay taty aminao rahateo ihany koa moa, tamin’ny volana desambra 2021. Tsy hoe finoanoam-poana akory fa misy ireo milaza fa isa masina ny isa 7.


Ka dia manantena indrindra ny fiaraha-miasa hatrany avy amin’ny fitondram-panjakana, ny fanohanana avy aminareo mivady, ray aman-dreny voalohany eto amin’ny Firenena. Ny fijerenao ny Vehivavy Mpanao gazety, Ramatoa Renin’ny Malagasy ho an’ny fiantsoroanay izany andraikitra izany mba ho tena hanana ny toerany amin’ny maha Asa masina azy tokoa ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.



Amaranako ny teniko, Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ianao Ramatoa vadiny, isika rehetra tafavory eto, dia faly izahay manolotra fahatsiarovana ho anareo ray amandreninay, fomba fanao rehefa tonon-taona toa izao, ho mari-panajàna sy fanomezam-boninahitra eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Kely, tsy mendrika anareo ho tolorana, fa ny fo manolotra sy ny firariantsoa no mameno azy avy aminay ho anareo.


Ho salama mandrakariva, hahomby amin’ny andraikitra makadiry nahavoafidy, iantsorohanay ihany koa eto amin’ny Firenena, amin’izay taona vaovao izao, Tompoko.

 



Samia ho tahian’Andriamanitra, ho salama hahatontosa ny andraikitra manandrify antsika avy ho an’ny Fampandrosoana ny Firenena.

Mankasitra, Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy »./.


RASOLOARISON Hanimbola Monica

Filohan’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara – OJM


Nandray sy nandika an-tsoratra - Transcription : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 09 Janvier 2022 09:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO