]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche LOLA RASOAMAHARO. (COUP D’) ARRET N° 94 CATNR/COM/22 DU JEUDI 28 JUILLET 2022 DE LA COUR D’APPEL D’ANTANANARIVO, CHAMBRE COMMERCIALE

LOLA RASOAMAHARO. (COUP D’) ARRET N° 94 CATNR/COM/22 DU JEUDI 28 JUILLET 2022 DE LA COUR D’APPEL D’ANTANANARIVO, CHAMBRE COMMERCIALE

Roland Hubert Rasoamaharo na i Lola teny Anosy ny 31 marsa 2023

Samy mirirotra izay tiana ny tsirairay. Fa iza no tena nanome porofo mikasika ny fitiavany sy/na ny fankahalany an’i Roland Hubert Rasoamaharo fantatra amin’ny anarana hoe Lola. « RE », « TOA HOE », « HOY I ANONA SY ANONA », « VOARAOKA TAO AMIN’NY VILLA PRADON »…

I Roland Hubert dia efa namako nanomboka ny taona 1964, 59 taona lasa, ary azo atao fa nihinana ny manta sy ny masaka tokoa izahay roalahy. Izy anontaniana na marina izany na tsia. Midika izany fa fantatro ny toetrany mitrifana sy sahisahy. Diso sahisahy loatra ka ireo taona 1970, telo lahy ry zalahy -dia Lola, Clotaire, métis avy any Vietnam, sy Clark Raharimanantsoa- no nandravarava « bals » teto Antananarivo. Nisy lafiny ratsy koa tamin’izany fa tsy tantaraiko eto… Teo Ampefiloha teo ampitan’ny « Superette » i Roland Hubert no nipetraka teo amin’ny fahazazany sy ny fahatanorany. Nisy « Dojo » tery akaikin’ny mpivarotra « contre-plaqués » ankehitriny. Nianarany daholo izao karazana « art martial » nisy tamin’izany. I James M. Kelly na Jim Kelly no fitaratra tamin’izany vaninandro izany.

Ny antony tantarako izany dia tsotra : i Roland Hubert dia tsy hoe taitaitra fa manana ny lohany. Ary efa fahazaza izy no te ho « olona ». Rehefa nandeha ny fotoana anefa dia nisy zavatra tsy tsapany mihitsy fa nadikany zavatra hafa : nihevitra izy fa manaja azy ny « olona » sasany kanefa tsy tao an-tsaina mihitsy fa fitaovana ihany izy. Ireny anarana apetapetany ireny dia tsy misy mibaiko izy manao ireny. Izany dia nampisehoany fa « sahy tena sahy » izy. Teo no nanomboka ny tsy fanaovan-gazety intsony. Nitombo io « fahazarana » io rehefa nodimandry i Franck Raharison narahin’i Salomon Ravelontsalama. Nony tsy teo intsony ireo mpanao gazety kalaza sy tena matihanina ireo dia nivarina any amin’ny fanaratsiana olona ny gazetiny ary nanara-dia ireo vao nisondrotra nihevitra fa tena izany ny fahefana faha-4 («4è pouvoir »). Tsy hitako aloha ny tombontsoa azo amin’izany fomba izany afa-tsy alahelo mitoetra ho an’ireo atao tsinontsinona izay manana fianakaviana,vady sy zanaka… Satria ve tsy mampigadra intsony ny « délit de presse ».

Tao anatin’izany anefa sady mpiasa izy no mpampiasa. Misy adidy sy andraikitra io toerana farany io. Ka rehefa nihevitra i Lola fa misy mpiaro any ho any, n’inona n’inona soratany ao amin’ny « La Gazette de la Grande île » dia « adinony » ny resaka herinaratra izay mampiodina ny fitaovam-piasana anefa. Izany hoe saro-pady sy tokonyatao vain-dohan-draharaha. Ny marimarina kokoa dia tsy adinony fa nataony an-tsirambiny. Izaho tsy manoratra raha tsy misy porofo mivaingana. Io resaka Jirama io tsy resaka tamin’ny taona 2007 dia nipoitra tampoka sy hoe mbola « actionnaire » izy tamin’izany. P-Dg izy izao ary io raharaha io vao tamin’ny taona 2022 -ohatry ny vao omaly-. Nefa tsy noraharahiny satria mbola nihevitra hatrany fa misy mpiaro izy.

-Tsy misy hidiran’ny fanaovan-gazety na iray segondra aza ny anenjehan’ny Jirama azy. Tokony mandini-tena tsy hanohy hamita bahoaka ry manam-pahaizana isany. Hafa mihitsy mantsy no hoe asa fanaovan-gazety sy mpanao gazety. Ao amin’ny Facebook izao dia misy misalotra ho mpanao gazety kanefa tsaho, hono hono sy lainga no soratany ary tsy mba misy « droit de réponse » fa rehefa diso dia fafàna. Ny Facebook koa tsy ho gazety na oviana na oviana.

-Tsy noroahan’Atoa Mamy Ravatomanga, tompon’ny Villa Pradon mihitsy « La Gazette de la Grande île ». Fa nalain’ny « huissier » ny fitaovana rehetra tao amin’ny toerana fiasan’ireo mpanao gazety, ilay atao hoe "Desk". Izay no atao hoe « saisie conservatoire ». Ataoko teny frantsay mba hafahanareo mampiasa saina satria resaka goavana izy ity : La saisie conservatoire est une procédure qui permet à un créancier, non encore pourvu d'un titre exécutoire, de saisir à titre préventif des biens de son débiteur en cas de menace dans le recouvrement. Elle a pour objet d'immobiliser la chose qui en est l'objet au profit du créancier saisissant.

-Tsy misy hifandraisany mihitsy ity raharaha Jirama ity sy ny adin’i Lola sy Rtoa Brigitte Razaka. Rehefa avy novakianareo tsara io porofo avoakako eo ambany io, dia tokony hajanon’ny tsy mahalala fa manesika ihany ny hoe : « Mpanao gazety nogadraina ». Tsia, Tompoko. Olo-tsotra tsy nandoa ny faktioran’ny Jirama no misy, izay MD (« Mandat de dépôt ») noho ny raharaha hafa eo amin'olo-tsotra roa ihany koa. Mbola mikaroka mikasika io raharaha io koa aho ka rehefa hitako ny porofo, toa io avoakako io dia ho fantatrareo koa ny marina.

Ho anareo mpanao gazety namana tao amin’ny « La Gazette de la Grande île » rehetra : mafy tena mafy izany hoe tsy afa-miasa tampoka satria tsy misy fitaovana intsony, indrindra koa fa mianjera faran’ny volana... Tsy misy « lesona » omeko na « latsa » avy aty amiko akory. Ary tsy ianareo no nanao fahadisoana mikasika ity raharahan’ny volaben’ny Jirama tsy voaloa ity. Misy aza aminareo mbola tsy niasa tao akory. Eto moa tsy misy hoe hangataka famindram-po amin’iza satria avy ao amin’ny « Cour d’appel » ilay didy. Io izy io koa dia samia mamaky tsara (asaivo misy mandika tsara fa tsy mandika vilana indray).


Misy indray no hiteny hoe : aingana be ! Namaky tsara ve aloha ? Mandehana mitady ny dikan'ny "Délai de prescription" (voambolana hita eo amin'ny faran'ny pejy fahatelo eo ambony). Tsara ho fantatrareo aloha fa aorian’ny « Cour d’appel » dia misy ny « Cour de cassation » izay afaka na tsia, manala ny sazy. Fa izao, mbola ataoko teny frantsay ihany : La Cour de cassation ne juge pas les faits. Elle se prononce sur la conformité en droit, c'est-à-dire qu'elle vérifie que les juges ont appliqué la bonne règle de droit.

Resaka ara-barotra koa moa izy ity matoa ny « Chambre commerciale » no nisahana azy, ka mety mbola ho tantara ihany koa ny fizotran’ny raharaha raha hanao « pourvoi en cassation ». Fa mety ho fanantenana ho an’ny namana mpanao gazety very asa. Asa…

Ny fanontaniana mipetraka koa dia ity : Mety hisy raharaha hafa ve ? Izy Lola tenany no mahalala mikasika izany. Mankahery azy aho ary aoka izay ny miantsy ady, ny manao « défi ». Indrindra avy amin’ireo miseho mahalala azy. Ny taona mandroso, ny toe-batana efa tsy toa ny taloha.

Ity misy vaovao azoko tamin’izaho namita ity lahatsoratra ity : Voaheloky ny « tribunal pénal » any Etazonia, androany 31 Marsa 2023, ny Filoha teo aloha, Donald Trump, tamina raharaha nisy ny taona 2016, fito taona lasa…


Samia mieritreritra sao hoe ny Filoha Andry Rajoelina koa no nahatonga izany. Samia mizaka ny « adalany ». Ny mampalahelo fotsiny dia be no ho diso fanantenana mikasika an’i Maître.

Il côtoyait les grands ; il voulait être l’un d’eux. Hélas, il a eu beau chasser le naturel, il est sans cesse revenu au galop.

Jeannot Ramambazafy, 31 mars 2023

Mis à jour ( Vendredi, 07 Avril 2023 07:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO