Ny 5 Septambra 2022 dia voafidy ho lehibenâny antoko âconservateurâ (mitana ny fomba amam-panao nantim-paharazana) i Liz Truss ary lasa Praiminisitry ny Anglisy, nandimby anâi Boris Johnson. Iza moa izy ?
Mary Elizabeth Truss no tena anarany. Teraka ny 26 jolay 1975 tao Oxford izy. Manambady anâ Hugh O'Leary. Izy ary mbola tsy niteraka izy roa. Maro dia maro ny andraikitra nosahaniny tao aminâny governemanta anglisy nanomboka ny taona 2010 nidirany teo aminâny sehatry politika.
Aleho atao aminâny teny frantsay izany andraikitra nosahaninâI Liz Truss izany :
Députée britannique depuis le 6 mai 2010.
SecrĂ©taire dâĂtat Ă lâEnvironnement, Ă lâAlimentation et aux Affaires rurales (2014-2016)
Lord chancelier, SecrĂ©taire dâĂtat Ă la Justice (2016-2017)
Secrétaire en chef du Trésor (2017-2019)
SecrĂ©taire dâĂtat au Commerce international, PrĂ©sidente de la Commission du Commerce (2019-2021)
Ny 6 septambra 2022 i Liz Truss no hanao ny fianianana aminâny maha Praiminisitra azy. Izy izany no vehivavy fahatelo voafidy Praiminisitra hitarika ny governemanta anglisy, taorianâi Margaret Thatcher, âThe Iron Ladyâ (1979-1990) sy Theresa May (2016-2019) izay samy mpikambana ao aminâny antoko âConservateurâ. Ny 8 avrily 2013 no nodimandry tao London i Margaret Thatcher.
Raha hiresaka vehivavy Praiminisitra dia ireto misy efatra ary samy avy any avaratry ny planeta Tany, samy voafidinâny antoko misy azy tsirairay avy. Mahavariana...
Magdalena Andersson, Praiminisitry ny SuĂšde, nanomboka ny taona 2021
Sanna Marin, Praiminisitry ny Finlande, nanomboka ny taona 2019
Mette Frederiksen, Praiminisitry ny Danemark, nanomboka ny taona 2019
Kaja Kallas, Praiminisitry ny Estonie, nanomboka ny taona 2021.
Fa tsy adino ihany koa i Edith Cresson, vehivavy Praiminisitryvoalohany tao France, ny taona 1991-1992. Any indray dia tendrena ny Praiminisitra.
Jeannot Ramambazafy
Antananarivo, 5 septambra 2022