]
Les quotidiens du 04 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Jules Ravelomanana. Nivoaka ny boky vaovao : "NY FANDROSOANA - Misy vahaolana ho antsika sy ny Firenentsika"

Jules Ravelomanana. Nivoaka ny boky vaovao : "NY FANDROSOANA - Misy vahaolana ho antsika sy ny Firenentsika"

Jules Ravelomanana na i Deel sy ireo boky roa voalohany nosoratany

Boky miresaka sy manazava ny hoe FANDROSOANA. Milaza tarehimarika sy tantara voasoratra momba ny fiainan’ny Malagasy. Misy sary 130 mahery. Ny sary natao tànana dia vitsy fa tsy tahaka ny tamin’ny boky roa voalohany hoe " Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. " sy "Ny Laharam-pahamehana".

Boky mirefy 21 cm X 31 cm, misy 80 pejy io boky fahatelo nosoratan'i Jules Ravelomanana na koa i Deel izay mpihira koa. Ny imprimerie Harinivo ao Ambalavao Isotry no namoaka azy.

Hita ao ny dia nataony tany ivelany. Izany hoe ny sary mba azontsika Malagasy hakana hevitra.

Ny mampiavaka ny boky kosa dia ny hevitra arosony. Mikendry hatrany mba ho mpamaky boky sy gazety ny Malagasy i Deel. Miteniteny foana sy mamita-tena isika raha tsy te-hamaky boky, kanefa milaza fa te-handroso. Tsy ny boky ataony, na ny gazety ataony no haely sy hovakiana amin’izany fa izay tian’ny olona. Izay boky hita ao amin’ny tsena iombonana ifanohanana.

Ny hevitra lehibe faharoa dia ny hahafahantsika Malagasy manao fitsapana hevitra amin’ny ENY na TSIA. Fotoana fohy dia hahavita izany isika, ary nolazainy aza fa ho azo hatao io na dia ho isaky ny 3 volana aza. Isika ihany, izany hoe ny olona mivonona hianto-tena dia ampy hahaantoka ny fampanaovana fitsapana hevitra eto. Raha vola 2 000 Ar no haloan ny tsirairay, dia efa afaka hanaovana fitsapana hevitra inefatra io. Raha misy olona 1 500 000 isa kosa no mahatsapa tena hiroso eo vao azo tanterahana izany.

" Tsy aleo ve manome io vola io isika, dia ho afaka hamaha olana, toy izay hiandry fanampiana lava eto, amin'izay mihamaty harena eto", hoy izy.

Io hevitra faharoa io dia tsy natao ho famahana izao krizy iainana izao, fa azo hampiasaina kosa aoriana. Mbola ilaina haiditra amin'ny Lalam-panorenana, sady mila fiomanana 6 volana mialoha. Izany hoe: enim-bolana mialoha dia efa fantatra ny isan’ny olona mivonona handatsa-bato. Ireo olona handatsa-bato ireo dia tsy mbola mahafantatra ny fanontaniana hovaliany.

Boky sahaza ny fianakaviana manontolo izy io. Ny tantarantsika Malagasy teto Imerina dia misy mahaliana tokoa ao. Notsongaina avy tao amin ny Tantara Ny Andriana ny sasany, fa nisy koa avy tamin'ny boky hafa. Amin’izany no mba tena tiany hitondrana fanitsiana amin'ny anarana disoan'ny mpanao politika ankehitriny ka ampiasan'izy ireny ny teny na anarana hoe "Tsy maty manota". Diso be ny ampiasana azy io ankehitriny. " Raha diso ny lazaina, moa mety hitondra fandrosoana ho antsika ve izany ? Raha misy milaza ve eto sady manizingizina fa ny ny 1+1=11, dia ahoana no ho tohiny aoriana rehetra ??? ".

Jereo eny amin’ny fivarotam-boky: Espace Loisirs sy FLM Antaninarenina io boky vaovao io. Vao hanaterana ny Librairie Mixte izay tsy ao Analakely intsony fa lasa nifindra ao Antanimena.

Azo atao koa ny manafatra azy mivantana amin ny finday. Vidiny: 15 000 Ar.


033 17 037 48

034 80 996 58

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 02 Septembre 2013 13:47 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO