]
Les quotidiens du 17 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara : nodimandry i Moïse Rakotosihanaka, dia ahoana ?

Madagasikara : nodimandry i Moïse Rakotosihanaka, dia ahoana ?

Nodimandry ny 8 Aogositra 2013, i Moïse Rakotosihanaka (sary eo ambony). Tonga dia ilay izy Lehiben’ny Arofenitry ny Prezidansy (« Chef du Protocole de la Présidence ») tamin’ny andron’ny Amiraly Didier Ignace Ratsiraka no mby an-tsaina. Eny na dia tsy voasoratra ao amin’ny ferapara aza izany. F’efa Loholona (“Sénateur”) koa izy.


Dia eto no mipetraka ny fanontaniako, ary manomboka androany dia tokony hametraka izany fanontaniana izany daholo ny Malagasy tsirairay avy eto an-tanindrazana: fa inona kay ny zavatra mba napetrany ho an’i Madagasikara, ho an’ny taranaky ny Malagasy ? Na teto Antananarivo na any amin’ny fatritry ny Sihanaka (Lac alaotra sy Ambatondrazaka) ? Satria, amin’ny naha olona ambony teto amin’ny firenena azy dia nanana fotoana, ary indrindra indrindra fahefana nametrahana fotodrafitr’asa izy, tamin’izy teo amin’ny fitondrana. Nefa toa tsy nisy na sekoly iray aza no natsangany, fa any aoriana any mety hampitondrana ny anarany indray ny sekoly iray any Ambatondrazaka. Satria ve Loholona teo aloha? Fa raha ilay hoe Lehiben’ny Arofenitra dia mazava be: ny Amiraly no tena notompoiny fa tsy ny vahoaka Malagasy velively. Io no tadidy sisa anefa…

Hisy indray no hiteny fa tsy manaja ny maha-Malagasy indray aho. Milaza ary aho fa tokony hajanona manomboka hatreto ny fiatsarana ivelan’ny tsihy (“hypocrisie”). Ny maty rehetra, Tompoko, dia toa lasa olo-masina daholo amintsika Malagasy. Firy izay ny olona ambony efa maty? Inona moa ny zavatra mba napetrany ho an’ny firenena? Rehefa mamaky ferapara vao fantatra fa ministra teo aloha, depiote teo aloha, senatora teo aloha…

Raha miresaka ireo Filoha voafidy teto, dia izao ny zavatra nisongadina napetrany: I Philibert Tsiranana mba nametraka ireo tranon’ny Seimad ao Ampefiloha, Ambodin’Isotry sy ao amin’ny 67ha. Natao “vente-location”. Efa lasa tompony daholo ireo rehetra nanofa taloha, ary dia samy nanova ny endriny daholo. Tao amin’ny fitondran’i Dadabe Tsiranana no natsangana ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA). Ny mikasika an’ny Amiraly Ratsiraka indray dia izy no nanamboatra io Lapa ao Iavoloha ao. An’ny fanjakana io, izany hoe an’ny vahoaka ihany koa.

Raha miresaka an’i Zafy Albert dia tena tsy nisy zavatra mivaingana napetrany tamin’ny fitondrany; Asa raha azo ampidirina amin'ny zava-bitany ilay hoe “Place Zafy Albert” ao Ambilobe… Ny an’i Marc Ravalomanana indray dia nanova ny vola 10.000 ariary izy (misy ireo olona telo mandeha amina lalàna); nanamboatra lalàna izy, nefa ireo mety ho simba. Fa raha ireo Magro, Mana, MBS sy ny tariny… dia tsy an’ny fanjakana velively ireo fa an’ny orinasa Tiko, an'ny fianakaviana Ravalomanana.

Ka tokony hihevi-tena amin’izay ireo tompon’andraikitra ho lany na ho voafidy amin’ny repoblika faha-4: mametrà re zavatra ho an’ny vahoaka alohan’ny hanamboaranareo ny villa-nareo sy hividiananareo 4X4 raitra be. Satria tsy hentinareo any am-pasana akory ireo. Rehefa hisy olon’ambony maty (tsy azo hialana io fa tsy manozona aho akory) dia lazao ahy ny mba nataony sy napetrany maharitra ho an'ny firenena e ! Raha i Herizo Razafimahaleo indray aloha dia nanangana orinasa tokoa izy, toa ny AFoma, saingy tsy an’ny fanjakana ihany koa…

Dia an’ny tsirairay amin’izay no mandinika hoe iza marina ny mpitondra tena namela zavatra mivaingana ho an’ny vahoaka Malagasy ka maharitra sy tena ilainy amin’ny fiainany manontolo. Amin'izay tsy hadino tokoa ny anarany fa hijanona ao amin'ny tena Tantaran'ny Fampandrosoana an'i Madagasikara iombonantsika.

Na izany aza, isika Malagasy tsy miady amam-paty, ka dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Moïse Rakotosihakana izahay ato aminy madagate.com

Jeannot Ramambazafy – 11 Aogositra 2013

Mis à jour ( Dimanche, 11 Août 2013 13:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques