]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

BARIVILA RASOAVATSARA

++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

Nodimandry ny Alahady faha-11 Novambra 2012 , tamin'ny 10 ora maraina, teo amin'ny faha-50 taonany i Bariliva, izay mpitendry valiha ao amin'ny tarika Kolibera, Erick Manana ary Feo Gasy.

Araka ny vaovao azo avy tamin'ni Bebey (Lôlô sy ny tariny), vokatry ny aretin'ny sarakaty no nitarika ny fahafatesan'i Barivila. Efa nitsabo tena tany ivelany izy nialohan'ny nodiany taty Madagasikara. Ny zoma teo no nampidirina tao amin'ny « Clinique des Soeurs » ao Ankadifotsy.

Rasoavatsarà Bariliva no tena anarany. Mpianatr'i Jean Bernardson izy, izay namolavola azy teo amin'ny mozika klasika amina piano. Fa ny hamonium sy ny orga no tena nankafiziny. Efa nitendry valiha izy fony mbola mpianatra tany Bordeaux, ary tany no nifanenany tamin-dry Erick Manana sy ireo zanak'i MR Razafy. Rehefa niverina taty Madagasikara, niara-dàlana tamin-dry Kolibera sy i Nini zanany izy, ary niara-nanangana ny tarika TARATRA. Io tarika io no lasa tarika KOLIBERA taty aoriana.

Nandalo tao amin'ny Vaomaintilany i Bariliva, fomba fitendry mozika noforonin'i Prosper Ralaiarimanana. Nanomboka teo ny fitiavany ny hira sy feo vakodrazana malagasy eto ampovoan-tany.

Ankoatra ny hiran'ny tarika, mpamelona ny sanganasan'ny tarika Ny Antsaly koa izy ireo, ary tena voafehin'i Kolibera ny fitendrena valiha toa ny nataon-dry Sylvestre Randafison. Antsoin'i Erick Manana hatrany izy ireo hanaraka azy rehefa manao fampisehoana aty Madagasikara izy, ary ny farany aza, lasa mpikambana feo tao amin'ny tarika Feo Gasy koa i Bariliva. Mbola ao anatin'ny « Compagnie Erick Manana & Jenny » ihany koa izy, ary anisan'ireo tokony handray anjara amin'ilay fampisehoana « Erick Manana à l'Olympia », faharoa, izay hatao ny 13 Janoary 2013.

Izahay eto amin'ny madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'i Barivila. Ny vatany no tsy hitan-tsika intsony fa ny mozikany sy ny sangan'asany dia mitoetra mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Jeudi, 22 Novembre 2012 18:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO