Antananarivo, 17 Septambra 2012. Mbola lavitra ny ezaka atao eto Madagasikara ho fanatratrarana ny tanjona eo aminâny fiarovana ny sosona ozona (âCouche dâozoneâ) eny fa na ny eran-tany aza, raha ny vinavina dia ho kendrena ho tratra izany any aminâny 50 taona manaraka izay ampihena ho hatrany aminâny 98% ny entona manimba ny sosona ozona; izany hoe any aminâny taona 2030 any.
Midika io, arakâizany, fa mbola tsy ampy ny fanentanana ny mponina sy ny eny anivonâny ladoany, izay mbola ahitana ny fidiranâny fitaovana manimba ity sosona ozona ity, indrindra fa ireo izay tena mampiasa ny entona manimba ity sosona ozona ity eto amintsika.
Voalaza rahateo nandritra ny fanamarihana ny âAndro Iraisam-pirenena hiadiana aminâny entona manimba ny sosona ozonaâ, ny Alatsinainy 17 Septambra 2012 teo, fa ny lafinâny serasera ho fampahafantarana ny isan-tokatrano ny entona manimba (gaz Ă effet de serre) no tena tsy ampy.
Ankoatra ny orinasa sy ny hafa mampiasa ny entona simika mantsy dia hita fa loza mananontanona ny ao an-tokatrano ny fitaovana ampiasaina ao, toy ny vata fampangatsiana izany, izay mitahiry ny entona manimba, nefa ampiasaina ampiodinana ireny vata fampangatsiana ireny. Eo koa ny âclimatiseurâ.
Ny kojakoja fampiasa aminâny fitaovana izay misy ny singa manome hafanana ka mampi-paritaka ny singa toy ny « Chlorofluorocarbures »(CFC) izany, dia hita ao aminâireo fitaovana fanamboarana volo « Hydrochlorofluorocarbures » (HCFC).
Andriamatoa Rivo Rabemananjara, mpandrindra ao amin'ny BNO (Birao nasionaly ozona)
Na dia eo aza ny fifanarahana natao tany MontrĂ©al (âProtocole de MontrĂ©alâ,Canada) hanatratrarana ny tanjona noho ny fahasimbanâity sosona ozona ity, dia ilaina ihany koa ny fanabeazana sy ny fampianarana, ary indrindra indrindra ny fanentanana ny tsirairay. Satria tsy ny tontolo iainana ihany no voakasika raha simba ny sosona ozona fa misy fiantraikany be eo aminâny lafiny ara-sosialy sy toe-karena eran-tany.
Eo aminâny lafinâny fahasalamana moa dia fantatra fa an-tapitrisany ny olona voanâny aretina homamiadananâny hoditra (âCancer de la peauâ) ; eo koa ny fitaovam-pisefoana vokatrinâny rivotra maloto aterakinâny setroka eny rehetra eny ary ao ny areti-maso to any âcataracteâ.
Andriamatoa Ban-ki-Moon, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana
Ny Sekretera Jeneraly ny Firenena mikambana dia nanamafy rahateo fa ny fifanarahana tany MontrĂ©al, izay nentina hanafoanana ny entona simika manimba ny habakabakinâny sosona ozona, dia mampiseho ny tokony hanajana izany. Izany dia mila miainga avy aminâny finiavanâny tsirairay ametraka politika matotra mba hananganana ny fahalalĂ na ara-siantifika sy ny fiarovana tokony atao, ny anjara andraikitra iraisanâny rehetra ho fiarovana ity sosona ozona ity.
Na dia eo aza anefa izay rehetra izay, dia tsy hodia tsy hita akory fa misy ezaka ataonâny firenena tsirairay, ary anisanâizany i Madagasikara. Efa mitsangana rahateo eto Madagasikara ny UFM (âUnion des frigoristes de Madagascarâ), vondronâireo mpanamboatra ny vata fampangatsiahana, ary efa nomena fiofanana manokana, miara-miasa akaiky aminâny minisiteranâny Tontolo iainana sy ny Ala.
Raha tsiahivina dia ny ozona dia sosona anâanabakabaka miaro ny zava-mananâaina rehetra eto an-tany , ka raha simba ny sosona ozona dia tsy ho hisy ny zava-mananâaina eto ambony tany ary dia hikorontany ny toe-andro.
Ka ny tena manimba azy io dia ny akora simika izay vokarinâny zanakâolombelona. Araka izany, ny âProtocole de MontrĂ©alâ dia natao mba hampihenana tsikelikely ny fahasimbanâizay sosona ozona izay, ary indrindra hampitombo ny ezaka hanolona ireny entona ireny ho entona natioraly ity fifanarahana ity. Izany dia endrika iray hizorana mankany aminâny toe-karena maitso. Ny tanjona dia ny hanafoanana tsikelikely ny akora simika .
Raha ny tantara ny âProtocole de MontrĂ©alâ, dia firenena miisa 190 no nanao sonia azy ity ny taona 1997. Izany no natao dia hiadiana sy hanafoanana ny entona manimba ny sosona ozona, ary dia anisanânyy nametraka tanjona lehibe aminâizany ny firenena Malagasy izay anisanâny nanao sonia ity fifanarahana ity.
Ny eto Madagasikara tokoa mantsy dia hita fa mahatratra 13% ny hotely mampiasa fitaovana misy ity entona ity ; 46% kosa ny mpanjono; 3% ny tokantrano sy ny fitaterana ary 26% ny indostria.
Noho izany, ny tsirairay izay mampiasa ireny fitaovana toy vata fampangatsiahana ireny, dia tokony manatona ny teknisiana izay efa voahofana amin'ny fanamboarana azy, indrindra fa ireo fitaovana efa an-taonany maro no nampiasaina tao an-tokantrano. Midika izany fa tsy ny mpanamboatra ny ârĂ©frigĂ©rateursâ rehetra dia afaka manala izany entona aminy izany ka madio indray avy eo, fa ireo efa vahofana manokana no tokony anao izany asa teknika avo lenta izany.
Aminâizao fotoana dia efa misy ny teknisiana izay efa nofanina manokana, hanatanteraka ny fanesorana ireo entona simika any anaty ny vata fampangatsiana. Izany hoe angonina ireo entona manimba ary avy eo diovina ho lasa azo ampiasaina.
Ramatoa Laurence Ansermet, solotenan'ny ONUDI eto Madagasikara
Efa misy rahateo ny fitaovana izay mitentina 80.000 dĂŽlara natolotry ny ONUDI, ary ho zaraina aminâireo teknisiana efa nahazo fiofanana manokana. Ny solontenanâny ONUDI, Ramatoa Laurence Ansermet, dia nitatitra taminâny fifanaovan-tsonia ny fandraisana ireo fitaovana teo aminâny Talenâny Kabinetranâny Primatiora.
Efa 25 taona lasa izay no niara-nivory ny firenena rehetra voakasika ity âProtocole de MontrĂ©alâ ity, ary samy nanao ezaka ho fampihenana, na ihany koa, ny fanafoanana tanteraka ity entona simika ity.
Izao fanamarihana izao dia tafiditra indrindra ao aminâny faha-25 Taona nisianâizay fifanarahana tany MontrĂ©al izay.
Andry Rakotonirainy sy Jeannot Ramambazafy â 18 Septambra 2012