Izy no CT Hilarion Rarison, "mamely" ny Tetezamita izay manome vola be azy isam-bolana hatramin'izao. MametrĂ fialana r'Ingahy ity vao mirediredy a !
Fa dia efa tsy mahita tenenina intsony ve ny mpiseho mpanao politika sasany eto Madagasikara ka dia tena miteniteny foana mihitsy hiarovana ny tombotsoanâolo-tokana sy ny tombontsoany manokana e !
Iaraha malala fa misy rivo-doza niforona indray ao aminy oseana indiana, ankoatra an'i Bejisa, ka hitondra oram-be. Ny fotoana koa moa efa fahavaratra rahateo, ka tsy mahagaga izany hoe avy izany ny orana. Fa ny anâity Hilarion Rarison ity dia tena fampiadiana ny samy Malagasy fotsiny izao no nambarany ny 6 Janoary 2014, tao aminy Magro Behoririka. Izao ny voalazany :
â Ny paikanâny tetezamita aminâizao fotoana izao dia handefa orana artifisialy mba tsy hahafahanâny movansa Ravalomanana manao hetsika. Noho izany dia miangavy anareo any aminâny faritra iva fa raha misy ny tondra-drano dia nalefanâny mpitondra izany â.
Dia izany karazan-javatra izany no sakafonâireo zanakâi Dada ao aminâio Magro Behoririka io, nandritra izay dimy taona izay: ny fankahalana anâny Filoha Rajoelina, ny fisaraham-bazana, ny fampiadiana ny samy Malagasy. Tsy misy fetrany intsony ny falalahana mitenyâŠ
Asa aloha iza no maivan-doha hino izany fa izy niteny azy ihany no tena maivana. Sa i Andry Rajoelina koa no nandefa ny hatsiaka makadiry ao Etazonia ao, amin'izao fotoana izao ? Mihevitra fa zakakely tokoa ny vahoaka Malagasy, ity mpikambanana ao aminâny CT (âCongrĂšs de la Transitionâ na Kongresinâny Tetezamita) natokana ho anâio tetezamita resahiny io. Fa maninona no tsy mametra-pialana aloha toa izay mandrora mitsilany toa io. Satria, na tiany na tsy tiany dia mpikambana ao aminâity tetezamita ity ingahy CT Hilarion Rarison.
Toa fomba fanaony ihany ity tsy mahafehy vava ity. Tadidio fa efa niakatra fitsarana izy, ny volana Novambra 2013, satria taminâizay dia ny Filohanâny CES no nanaovany fanambarana sadasada. Afaka moa izy satria tsy nitory azy ny Filohanâny CES, ary nolazainy, taminâizay, fa rahalahiny sy anabaviny daholo ny ao aminâio CES io ary koa ny ao aminy CENI-T.
Izao indray dia ny tetezamita izao manome vola azy isam-bolana indray no endrikendrihiny amina zavatra tsy hitombina mihitsy na hivadika aza ny tany. Fa dia ahoana loatra ny ao anatinâny lohanâitony olona toa anâi Hilarion Rarison intony? Mahamenatra ihany raha toa ka olona mba avara-pianarana ihany. Sa moa tsy nila fahaizana firy ny nidirana mpikambana CT ? Asa ?...
Ary dia haveriko ho azy eto indray ny voasoratra ao aminâny Mpitoriteny:
â Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? â. -Mpitoriteny 10: 12, 13, 14-
Jeannot Ramambazafy â 6 Janoary 2014