Ramatoa GisĂšle Ranampy
Ry mpiray tanindrazana,
Isan-taona ny faha 12 ny vola jona, miaraka aminâireo Firenena mpikambana ao aminâny Fikambanana iraisampirenena momba ny Asa na OIT, Madagasikara dia mankalaza ihany koa ny Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy ka ny lohahevitra aminâity taona ity dia ny hoe : « COVID19- Arovantsika aminâny fampiasana azy ny ankizy, ny anio mihoatra noho ny hatrizay ».
Ny valan'aretina ara-pahasalamana COVID-19 sy ny fiantraikany aminâny tsenan'ny asa sy ara ekonomika dia misy vokadratsy lehibe amin'ny fiainan'ny olona sy ny fivelomana. Ary indrisy, ny ankizy matetika no voalohany iharan'izany. Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy 2020 dia hifantoka bebe kokoa amin'ny fiantraikan'ny krizy ankehitriny amin'ny fampiasana ankizy. Araka ny OIT, ny krizy dia mety hanosika ankizy marefo an-tapitrisany maro amin'ny asa. Ankizy 152 tapitrisa eo ho eo no heverina fa efa tafiditra amin'izany, ary ny 72 tapitrisa amin'izy ireo aminâny asa mampidi-doza. Ireo ankizy ireo dia tandindonin-doza lehibe kokoa hiatrika toe-javatra sarotra ary hanana andro fiasana lava kokoa. Amin'ity taona ity, ny fankalazana dia ho atao amin'ny fanentanana virtoaly ary nokarakaraina miaraka amin'ny âLa Marche mondiale contre le travail des enfantsâ sy ny IPCCLA na Partenariat international pour la coopĂ©ration sur le travail des enfants dans lâagriculture.
Ny antontan-taratasy iraisan'ny OIT-UNICEF momba ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny fampiasana ankizy dia handinika ny sasantsasany amin'ireo fantsona lehibe izay mety hampisy fiantraikany aminâny fandrosoana amin'ny fanafoanana ny fampiasana ankizy. Madagasikara dia mpikambana ao aminâny OIT nanomboka tamin'ny taona 1960 ary aminâizao fotoana izao,eo ambanin'ny fitarihanâny Fanjakana Malagasy, ny fanamby faha-85 an'ny tetika stratejika faha-7 an'ny IEM (Initiative emergence Madagascar) dia maneho ny fahavononanâny Firenena malagasy aminâny fahatratrarana ny tanjon'ny Fampandrosoana maharitra na ODD (ODD 2030), tanjona 8.7 izay mandrisika antsika handray "fepetra haingana sy mahomby hiantoka ny fandrarana sy ny fanafoanana ireo endrika ratsy indrindra amin'ny fampiasana ankizy, ny asa anterivozona sy aminâny taona 2025, hamongotra ny fampiasana zaza amin'ny endriny rehetra, ao anatin'izany ny fitrandrahana sy fampiasana ny zaza ho miaramila.
" Tamin'ny volana Oktobra 2018, nanolo-tena ho Firenena Pionnier ho an'ny Alliance Alliance 8.7 i Madagasikara izay sehatra fiaraha-miasa iray eo amin'ny ambaratonga manerantany sy nasionaly ary mamondrona ny mpisehatra ara-panjakana, ny fikambananâny mpampiasa ary ny fikambanan'ny mpiasa, ny fikambanana fiarahamonimpirenena sy firenena mikambana tafiditra ao anatin'ny ady amin'ny fanandevozana maoderina, fanondranana olona , ary ny fampiasana zaza, ohatra aminâzany ny OIT sy ny UNICEF. Aminâizay sehatra izay, misy ny fanadihadiana momba ny zava-misy ankehitriny momba ny fampiasana ankizy any amin'ny tanĂ n-dehibe maro ary ny valinâizany dia havoaka ato ho ato. Torak'izany koa ny fijerena ifotony dia natao ihany koa mba hitsirihana ireto ankizy miasa amin'ny trano fandraisam-bahiny sy ny trano fisakafoanana, ny fitrandrahana vato, ny fanamboarana biriky, ny fivarotan-tena ny ankizy, ny asa an-trano ary ny toeram-pitrandrahana. Izany no natao dia mba hamaritana ny hetsika mivaingana izay hatao momba ireo ankizy ireo sy ireo sehatra ireo.
Tsara marihina fa eto Madagasikara, ny 32% amin'ireo zaza 5 ka hatramin'ny 17 taona miasa dia ao anatin'ny sehatra mampidi-doza izay manala ny zonâny zaza amin'ny fahazazany, ny fahaiza-manaony sy ny fahamendrehany ary manimba ny fianarany. ny fahasalamany, ara-batana sy ara-tsaina. Betsaka ny ezaka efa natao niaraka taminâireo mpiara-miombonâantoka toy ny OIT sy ireo mpamatsy vola hafa mba hanafoana ity fampiasana ankizy eto amin'ny firenena ity, nefa mbola betsaka ihany koa ny ezaka mbola tokony hatao. Ohatra iray lehibe aminâny ezaka efa natao, ny tetikasa SAVABE ny OIT (Soutenir les Acteurs de la Vanille au BĂ©nĂ©fice des Enfants), izay vatsian'ny USDOL ary manampy amin'ny ady amin'ny fampiasana ankizy eo amin'ny sehatry ny vanila. Ankoatr'izay, eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana MICA any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, ny fandraisanâandraikitry ny Governemanta Malagasy dia mizotra aminâny fanafoanana ny fampiasana ankizy aminâio sehatra io.
Eo andalam-pamolavolana ny plan dâaction multisectoriel et Ă©conomique ny Fanjakana aminâizao fotoana izao ary maro ireo ministera miara- misalahy aminâizany, ny mpisehatra eo an-toerana sy any aminâny faritra, ary koa ireo Fikambanana ao aminâny Firenena Mikambana voakasik'izany, indrindra ny OIT sy ny 'UNICEF. Ity Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy ity dia fotoana indray ho an'i Madagasikara, tsy ny hanavaozana ny fanekeny mba hahatratrarana ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra amin'ny tanjona faha-7 ihany, fa ny fanentanana ihany koa ireo mpisehatra rehetra aminâny fiarovana tsaratsara kokoa ny ankizy aminâny COVID-19 any amin'ny toeram-piasana ekenâny lalĂ na Malagasy. Madagasikara, afaka taona vitsivitsy dia maniry ny ho firenena ahitana vokatra azo tsapain-tanana aminâizany ady izany.
Ity fanambaran'ny telotota ity, eo anatrehanâireo mpiara-miombonâantoka dia ny OIT sy UNICEF, dia ho fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hanoherana ny fampiasana ankizy aminâity taona izay hiadiana aminâny COVID19 ity ho anâi Madagasikara. Hamaranana izao fanambarana izao, dia te hanentana hatrany izahay ireo malagasy rehetra, indrindra fa ny ankizy aminâny fanajana ireo hetsika fiarovana aminâny COVID19 rehetra : manasĂ matetika ny tanana amin'ny rano madio sy savony, manaova tsara ny aro-tava sy orona, manajĂ ny elanelana 1 ka hatramin'ny 2 metatra. «Ndao isika hiaraka hiaro ny zanatsika aminâny fampiasana azy, ny anio mihoatra noho ny hatrizay ». Mankasitraka tompoko.
Ramatoa GisĂšle Ranampy
Ministry ny Fampananan'Asa, ny Asampanjakana ary ny LalĂ na Sosialy
Andriamatoa Coffi Agossou
Talenâny Birao Iraisam-pirenena mombanâny Asa (BIT) ho anâi Madagasikara, Comores, Seychelles aryMaurice
Michel Saint-Lot
Solontenanâny l'UNICEF eto Madagasikara