]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos SARIVONGANA MAHALIANA HAMARANANA ITY TAONA 2022 ITY AM-PITSIKIANA

SARIVONGANA MAHALIANA HAMARANANA ITY TAONA 2022 ITY AM-PITSIKIANA

Afaka ora vitsy sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2022 ka tsy hiverina intsony.

Ny mahay mampijaly tena ihany no mbola hijaly hitanisa izao fahoriana rehetra izao toa hoe rahampitso dia hilentika any anaty ranomasina ny Nosy Madagasikara iray manontolo. Izay tokoa angaha ilay hoe : mora no maty fa sarotra ny miaina ? Azy ireo ny azy fa nandalo teto an-tany namela resa-ketotra fotsiny ihany dia lasa tsy misy mahatadidy intsony. Levona tanteraka hatramin’ny anarana (indrindra ireo manadino ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy fa kanosa velona miafina amina anaram-bosotra mampiseho ny fahalemeny.

Tsy izany ny aty aminay izay mamela Tantara tsara, marina sy mahafinaritra ho an’ny taranakay sy ny taranaka malagasy handimby antsika mbola velonaina amin’izao fotoana izao.

Voleo any amin’izay misy anareo any ny krizinareo fa aoka ny hafa hifaly sy hiravo. Ary aza fatra mandainga amin’ny fizotran’ny fiainana : lanja miakatra izy io fa ny foto-pisainan’ireo tompon-dakan’ny « Fake news » (vaovao tsy marina iniana aparitaka amin'ny tanjona hanodinkodinana na hamitahana ny vahoaka) no mirefarefa amin’ny tany.

2023 ? Raha akarinao ny fitiavan-tanindrazanao, raha mahay mihaino ny hafa sy mitady vahaolana ianao rehefa misy tranga manahirana fa tsy miandry ny hafa hatrany, dia toa ahy ianareo : hahatra ny 68 taona niainana eto an-tany (in-dimy niditra hopitaly, in-droa nodidiana); tsy manofa trano; miasa tena (izany hoe tsy misy oram-piasana vonjena) ary miriorio miaraka amin’ny zanaka aman-jafy.

Mety hilaza ny sasany : « Ka ianareo manana ». Eny, Tompoko. Nanana finiavana ny hiova teo amin’ny fotoana tokony niovana, ka tsy nanary ny Finoana sy ny fatahorana an’Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny vola amiko dia fitaovana ihany fa tsy tarigetra.

Tsy manana izany fiara izany aho; tsy manana izany « compte en banque » izany. Fa tsy mijaly satria mahay miaina fa tsy mahay mampijaly tena.


Ny tsiambaratelo ? Eo amin’ny famakiana Baiboly, Tompoko, izay tsy avilivily hevitra fa arahina araka izay voasoratra, toa ireto manaraka ireto :

« Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midÏra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao ». Matio 6 : 6.

« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy ». Matio 6 : 34 (‘ጀρÎșΔτ᜞Μ Ï„áż‡ áŒĄÎŒÎ­ÏáŸł áŒĄ ÎșαÎșία Î±áœÏ„áż†Ï‚')


Ny fehiny kosa ? Aza miandry tra-pasahiranana vao mahatsiaro ny fisian’Andriamanitra. Tezera fa aza manota ka rehefa misy ny disadisa (tsy maintsy misy io) dia aza miandry ny hiposahan’ny masoandro vao mahita vahaolana fa hitarika tsy hisy farany izany ka hanimba ny fiarahamonina iray manontolo. Mahaiza manetry tena ary mahaiza manda rehefa tsapanao fa hiteraka zava-doza ny hanaovanao eny.

Farany : ny famelan-keloka tsy midika fanadinoina. Kanefa halaviro ny valifaty.

Jeannot RAMAMBAZAFY - Faran'ny taona 2022 - Ny sary rehetra dia nalaina tany Etazonia

Mis Ă  jour ( Samedi, 31 DĂ©cembre 2022 06:55 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63Ú édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa CĂ©line Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financiÚres au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses ObsĂšques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30