Ramatoa isany Mialy R. Rajoelina sy Ginette Andriantsitohaina
Antananarivo Avaradrano, Alakamisy 16 Desambra 2021. Aminâny maha « First Lady » azy, izay maha Filoham-boninahitry ny Fikambanana WMG («Wednesday Morning Group» Madagascar) azy -araka ny satanâio fikambanana io-, sy aminâny maha Filoha Mpanorina ny Fikambana Fitia azy, dia voaasanâny Fikambanana WMG i Ramatoa Mialy R. Rajoelina nizara mofo mamy sy kilalao ho anâireo ankizy mpianatra miisa 160 ao aminâny EPP Betsizaraina. Tsiahivina kely eto fa izany Betsirazaina izany dia ao anatinâny Kaominina ambanivohitrâi Ankadikely Ilafy eny Antananarivo Avaradrano.
Ity manaraka ity ny kabarinâny vadinâny Filoham-pirenena malagasy taminâio andro io :
Ramatoa Filoha Manorina ny Wednesday Morning Group,
Ramatoa Filohanâny WMG sy ianareo Mpikambana rehetra,
Ramatoa Talenâny sekoly,
Ianareo Mpampianatra sy Mpanabe,
Andriamatoa Filoha Lefitry ny Fokontaninâi Betsizaraina,
Ianareo Ankizy,
Tompokovavy sy Tompokolahy.
Amin-kafaliana sy an-karavoana no anolorako ny arahabana ombam-piarariantsoa ho anareo rehetra tonga eto aminâny EPP Betsizaraina androany. Raha nanasa ahy hiaraka ifampizara ny mamy eto Betsizaraina ny Fikambanana WMG dia tsy nisalasala aho satria mitovy ny fomba fijerin-tsika aminâny Asa soa ho anâny mpiara-belona.
Amiko dia ilaina ny manohana, ilaina ny miara-mientana satria zava-dehibe tokoa izany. Efa maro ny hetsika izay niarahana. Fa taminâny taona 2020 ohatra, dia niara-nanome arovava orona izay nozaraina nandritra ny fanentanana taminâny ady aminâny valanâaretina coronavirus teny anivonâny distrika maro sy sekoly ary taminâireo fiara mpitateram-bahoaka samihafa.
Nanome tĂ nana taminâny Fikambana Fitia koa ny WMG taminâny alalanâny fampiofanana mikasika ny Zonâolombelona sy ny Vehivavy ary ny Fianakaviana izay natao tao aminâny « Centre spĂ©cialisé » ao Mahamasina. Ary vao taminâny faranâny herinandro lasa teo no niara-nientana teny anivonâny Fokontany Tsimialonjafy, Mahamasina Atsimo, AnkadilĂ lana, ambaninâAmpamarinana, Andohatapenaka faharoa ary Nanisana ny Fikambanana roa tonta.
Niofana taminâny ady aminâny erisetra izany fanentanana miendrika fampiofanana izany, Izany dia natao nandritra ny telo andro. Re-ntsika teo koa ny fanaovaozana sy fanatsarana nentinâny WMG teto aminâity sekoly ity. Fitiavana lehibe izany rankizy Betsizaraina koa mendrika fankasitrahana ary isaoran-tsika izy ireo.
Ny tena nahafinaritra ahy taminâireo asa sosialy voatanisa ireo dia ny Fanabeazana anareo Ankizy aminâny alĂ lanâny fambolena hazo fihinam-bo. Fa ny Fampianarana aminâny fikajiana ny Tontolo iainana izany no hafahanareo mioty sy mianoka ny vokatra avy aminâireo hazo fihinam-bo. Koa raiketo ao am-ponareo ary tazomy ho fomba fanao, zarao aminâny Namana, aminâny Fianakaviana ny Fahalalana mikasika ny fambolen-kazo izay azonareo.
Satria tokoa mahasoa ny mpiara-belona izany, mahasoa anareo rehetra ihany koa mba entinareo manomana ny ampitso. Ianareo mantsy no ho avinâny Firenena. Mankasitraka anareo Ankizy ihany koa aho taminâny hira sy tonon-kalo nasehonareo teo fa tena mapihetsim-po tokoa.
Afaka folo andro dia ho tonga ny Krismasy. Ka izany indrindra no antonâny lanonan-tsika eto androany. Koa fifaliana ho anay ny mifampizara mofo mamy ho anareo sy manolotra am-pitiavana kilalao ho anareo Ankizy.
Ny faniriako dia mba hankalaza ny Fetinâny Noely anjakanâny fiadanam-po sy fitonian-tsaina ho anâny tokan-tranonareo tsirairay avy. Koa mirary Krismasy finaritra ho antsika rehetra./.
Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy