]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Ampefiloha. Nahomby ny Sekolin’ny zanak’alika «Coton de Tuléar»

Ampefiloha. Nahomby ny Sekolin’ny zanak’alika «Coton de Tuléar»

Antananarivo, Sabotsy 22 Septambra 2018. Tontosa soa aman-tsara koa ny « Ecole des chiots » (Sekolin’ny zanak’alika) natao teo amin’ny zaridainan’ny Lion’s Club eo Ampefiloha. Ny fikambanana « Coton de Tuléar Malagasy Club » (CTMC) sy ny « Malagasy Coton Preservation Club of USA » (MCPC) no nikarakara io hetsika io. Tsy adino ny orinasa AGRIVET izay manohana hatrany ny hetsika tahaka itony. Alika « Coton » miisa 20 eo ho eo no nentin’ireo tompony io sabotsy io niaraka tamin’ny vady aman-janany. Sady naka rivotra no nahazo fampianarana momba ny fitaizana ireo atao hoe « meilleurs amis de l’homme » (sakaizan’ny zanak’olombelona tsara indrindra) ireo.

Marihina fa ny Filoha sy ny Filoha lefitry ny MCPC mihitsy no tonga namelona io fampianarana ny fikarakarana ny alika « Coton de Tuléar » io. Dia ramatoa isany Debbie Newman (lava volo) sy Becky Olsen (fohy volo). Nisy ny mpandika teny satria taminy teny anglisy ireo torohevitra.

Tsiahivina fa nisy io Sekolin’ny zanak’alika io tany Antsirabe (20 Septambra) sy Tuléar (16 Septambra) mialohan’ity teto Antananarivo ity. Taorian’ny fampianarana sy fandraisana ny ADN ireo « Coton » voafantina, satria tsy metisy dia nisy ankitsapaka ka fitaovana momban’ny fikarakarana alika no loka, toa ny fiogo, vilia, borosom-bolo, fandiovana volon’alika, «écuelle pliable », sns. Aleho ny sary no hiteny mamdrapahavita ny vidéo izay hahaliana anao tokoa ry mpamaky. Eny na dia tsy mbola manana « Coton de Tuléar » aza ianao.

Jeannot Ramambazafy

***********************

Mis à jour ( Lundi, 24 Septembre 2018 05:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30