Lahateny fanolorana ny Tatitra mahakasika
ireo Asa fanatanterahana ny Politika ankapobenâny Fanjakana
ataonâAndriamatoa NTSAY Christian, Praiministra, Lehibenâny Governemanta
____________
Talata, faha-29 jona 2021
Andriamatoa Filohanâny Antenimierandoholona
Andriamatoa isany Mpikambana ao aminâny Birao maharitra
Ramatoa sy Andriamatoa isany Ministra, Mpikambana ao aminâny Governemanta
Ramatoa sy Andriamatoa isany Loholonâi Madagasikara
Isika rehetra manatrika etoana,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ampifaliana no hiarahabako anareo, aminâny anaranâny Mpikambana rehetra ato anatinâny Governementa sy aminâny anaranâny tenako manokana, aminâizao fotoana nosafidiana hifankahitana ary hifandinihana momba ny raharaham-pirenena, araka ny Lalampanorenana aminâny Andininy faha-101 sy 102 ka hanaovanâny Governemanta ny tatitra momba ny asa vita.
Ety ampiandohana dia tiana ny manambara sahady fa nataonâny fitondrampanjakana ho laharampahamehana hatrany ny fitsinjovana ny aim-bahoaka tao anatinâizao fotoana hiatrehana ny valanaretina Covid-19 izao ka ny fanantanterahana ny Tetibola nasiampanitsiana 2020 sy ny Tetibola 2021 dia nifandray tanteraka aminâizany filanâny vahoaka izany.
Noho izany, izao tatitra momba ny fanantanterahana ny Politika Ankapobenâny Fanjakana izao dia nozaraina ho teboka dimy lehibe : (i) Ny fiantrehana ny Covid-19, (ii) Ny fitantanana, (iii) Ny filaminana sy fandriampahalemana, (iv) Ny toe-karena sy ny fotodrafitrasam-pamokarana, (v) Ny lafiny sosialy.
Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
1. Ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19
Maro ireo ezaka nentina niady taminâny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Nomen-danja manokana taminâizany ny ara-pahasalamana ary ny ara-tsosialy.
1.1. Ny eo aminâny lafiny ara-pahasalamana
Teo ambany fitarihanâny Filohanâny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny Governemanta manontolo no nandray an-tĂ nana ny fanantanterahana ny paikady iadiana aminâny valanaretina Covid-19.
Taminâny taona 2020, dia tafiditra tao anatinâny hamehana ara-pahasalamana ny firenentsika nanomboka ny faha-21 marsa 2020 ka hatraminâny faha-18 oktobra 2020. Taminâity taona 2021 ity dia niditra indray mandeha ato anatinâny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara nanomboka ny faha-3 aprily 2021 ka hatraminâizao. Izany no midika fa mbola miady aminâizao valanaretina izao isika Malagasy ohatry ny firenena rehetra eran-tany.
Nanomboka taminâity taona ity, ny Ministera misahana ny Fahasalamambahoaka no mandrindra ny asa andavanandro ho fanatanterahana ny paikady napetraka. Tany aminâny faritra kosa dia napetraka nanaraka izany ihany koa ny Centre RĂ©gional de Commandement OpĂ©rationnel na CRCO mba ahafahana mandrindra ny asa.
Noho izany dia nahetsika ny mpiasanâny fahasalamana, ny mpitandro filaminana, ny mpiasam-panjakana, ny olon-tsotra nilatsaka antsitrapo maro ary ny âservices essentielsâ manerana ny Nosy hiatrehana izany ady aminâny valanaretina izany.
Ny paikady dia nizara 7 (fito) lehibe :
(i) Ny fanentanana ny mpiray tanindrazana manontolo hanaiky ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ireo fepetra sakana rehetra mba hisorohana ny fiparitahanâny valanaretina. Mba ho fanitsiana sy ho fitaizana ny tsy manara-dĂ lana dia napetraka ny Asa ho anâny tombontsoa iombonana na Travaux dâIntĂ©rĂȘt GĂ©nĂ©ral.
(ii) Nampiharina ny âApproche syndromiqueâ mba ho fandraisana an-tĂ nana ara-pahasalamana mivantana ary haingana ny olona mitondra ny soritrâaretina sy ireo olona nifandray taminy. Izany no natao mba nentina nisoroka mialoha teny ifotony ny valanaretina. Ny fanafody sy ny fandraisana an-tĂ nana rehetra dia nomena maimaim-poana avokoa ary niantsorohanâny fitondram-pajakana manontolo ny fandaniana taminâizany.
(iii) Nohonâny finiavanâny fitondram-panjakana hanana tobi-pitiliana Malagasy dia natsangana ny laboratoire vaovao LA2M eny Androhibe nanomboka ny faha-23 jona 2020 mba ahafahana manao sy manafaingana ny asa fitiliana ny otrikâaretina.
(iv) Ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana rehetra teto aminâny Nosy dia nametraka ho laharam-pahamehana ny fandraisana marary voanâny Covid-19. Kanefa noho ny fahaterenâireo toerana ireo dia nosokafana ny Centre de Traitement de Covid-19 na CTC-19 eranâny faritra izay nahitana tranga mihoapampana mba handraisana an-tĂ nana ireo izay marary : CTC Village Voara Andohatapenaka, Mahamasina, Ivato, Ankorondrano, Soamandrakizay, Mandrimena Andoharanofotsy, Vatofotsy Antsirabe, Andrainjato Fianarantsoa, Lafitsinanana Fort Dauphin. Teto Antananarivo dia natao ihany koa ny fifampiraharahana taminâireo tomponâny hĂŽtels lehibe maromaro ka nahafahana nanokatra HĂŽtels-HĂŽpitaux, toy ny Tsangatsanga HĂŽtel, Live hĂŽtel Andavamamba, Le PavĂ© Analakely, Anjary HĂŽtel Tsaralalana, Motel de TanĂ Anosy.
(v) Novatsiana fanafody sy fitaovana ireo hĂŽpitaly, tobim-pahasalamana, CTC-19 ary HĂŽtels-HĂŽpitaux rehetra manerana ny Nosy mba hiatrehana ny valanaretina. Naparitaka avokoa ireo Concentrateurs dâoxygĂšne miisa 2.400 ary niampy bouteilles dâoxygĂšne miisa 2.000.
(vi) Nohezahana naparitaka ny Tambavy CVO sy ny gelules CVO+. Namporisihina hatrany koa ireo mpikaroka Malagasy eto amintsika hamokatra fanafody mifandraika aminâny ady aminâny valanaretina.
(vii) Nanomboka taminâny volana aprily 2021 dia niditra ao anatinâny Tambazotra COVAX miaraka aminâny OMS sy ny Tambazotra AVATT izay arindranâny Vondrona Afrikana i Madagasikara. Taminâny faha-8 may 2021 dia tonga teto Madagasikara ny doses-na vaksiny AZ Covishield miisa 250.000. Efa tapitra taminâny Alakamisy faha-17 jona 2021 ny fotoana nofaritana nanaovana vaksiny taminâny faritra 22 maneranâny Nosy. Nahatratra 197.000 no isanâny olona efa vita vaksiny aminâizao fotoana izao ary 190 no isanâny olona nahitana soritra fahasarotana taminâizany vaksiny izany.
Ankehitriny, nahitana vokatra mahasoa ny firenentsika izany ezaka rehetra izany. Omaly dia 13 (telo ambiny folo) ny isanâny tranga vaovao maneranâny Nosy, 2 (roa) no maty, 217 (fito ambiny folo sy roanjato) ny isanâny olona izay mbola tsaboina ary 31 (iraika amby telopolo) ny isanâny olona sitrana.
Raha tato anatinâny taona 2020-2021 dia toy izao ny tarehimarika azo avoitra :
- 42.262 (roa amby enimpolo sy roanjato sy roa arivo sy efatra alina) no trangana Covid-19 voamarina
- 41.811 (iraika amby folo sy valonjato sy arivo sy efatra alina) no sitrana
- 914 (efatra amby folo sy sivinjato) no lavo nandritra izay fotoana izay.
Isika dia miondrika ampanajana manoloana ireo Malagasy sy ireo olona rehetra lavonâity valanaretina ity teto amintsika. Ny fitondram-panjakana dia manantitra ny teny fampiononana ho anâireo fianakaviana izay namoy havana. Eto isika dia mirary koa raha mirary fahasitranana haingana sy feno ho anâireo rehetra mbola ao anatinâny fitsaboana tanteraka aminâizao fotoana izao ka mitondra ambavaka azy ireo.
1.2. Eo aminâny lafiny sosialy
Misandrahaka aminâny ezaka mifototra aminâny sosialim-bahoaka ny natao mba nanalefahana ny fiantraikanâny valanaretina aminâny fiainam-bahoaka :
- Voalohany, napetraka ny Vatsy Tsinjo izay fizarana sakafo entina hanohanana ireo ankohonana niharanâny fahasahiranana nateraky ny fepetra ara-pahasalamana izay noraisina ho anâny fianakaviana miisa 430.898 (valo amby sivifolo sy valon-jato sy telo alina sy efatra hetsy) tany aminâny Distrika Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Toamasina, Fianarantsoa, Amboasary Atsimo, Taolagnaro, Ambovombe ary Ampanihy
- Nisy ihany koa ny fitsinjarana vola tsy misy fepetra âTosika famenoâ ao anatinâny programanâasa ara-tsosialy izay nentina nanampiana tokantrano miisa 480.360 (enim-polo sy telon-jato sy valo alina sy efatra hetsy) amin`ny distrika maromaro, toy ny eto Antananarivo-Renivohitra, Antananarivo-Avaradrano, Antananarivo-Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II, Fianarantsoa, Lalangina, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Morondava, Antsirabe I, Antsirabe II, Nosy be, Mahajanga, Betioky Atsimo, Ampanihy, Toliara II, Beloha, Tsihombe, Taolagnaro, Ambovombe-Androy, Bekily, Amboasary Atsimo
- Teo ihany koa ny fanampiana vonjy maika âAnkohonana Miatrikaâ. Tokantrano miisa 366.170 (fito-polo amby zato sy enina arivo sy enina alina sy telo hetsy) no misitraka vola 50.000 Ar (dimy alina Ariary) mandritra ny 5 volana ao anatinâny Distrika maro eto amintsika toy ny anâny Betioky, Ampanihy, Toliara II, Beloha, Tsihombe, Taolagnaro, Ambovombe, Bekily, Amboasary Atsimo
- Natao ihany koa ny fitsinjarana vola misy fepetra eny amin`ny tanĂ n-dehibe izay nahakasika tokantrano miisa 160.000 (enina alina sy iray hetsy) amin`ny distrika 8 (valo) : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Lalangina, Toamasina I, Toamasina II
- Mahakasika ny sehatra Vola Takalonâny Asa dia natao ny fanarenana ny foto-drafitrâasa mampiasa asa tanamaro atao hoe âAsa Avotra Mirindraâ ka tokantrano miisa 55.000 (dimy arivo sy dimy alina) no nisitraka izany aminâny distrika 8 (valo) : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Lalangina, Toamasina I, Toamasina II
- Farany, ho fitsinjovana ireo mpianatra eny aminâny oniversite tsy afaka nody nandritra ny hamehana, dia nampisitrahana tohana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana izy ireo
Marihina fa nanome tĂ nana aminâizao ady ataontsika izao ireo mpiara-miombonâantoka ara-teknika sy ara-bola.
Fehiny, nitaky fanapahan-kevitra hentitra sy haingana ny fihatrehana ny valanaretina Covid-19. Izay no nahafahana mifehy ny fiparitahany. Fantatra fa mafy ny fiantraikanâizany taminâny fiainam-bahoaka sy ny fiharianâny isam-pianakaviana ka napetraky ny fitondrampanjakana ireo fanampiana ara-tsosialy ireo mba hanamaivanana izany.
Na eo aza ny ady mafy aminâny valanaretina Covid-19, dia mitohy hatrany ny fiainam-pirenentsika eo aminâny lafiny maro.
2. Ny lafiny Fitantanana
2.1. Mahakasika ny Andrimpanjakana
Zava-dehibe tokoa ho antsika ny famerenana ary ny fanamafisana orina ny maha-fanjakana tan-dalĂ na ny eto amintsika. Araky ny voafaritry ny Lalampanorenana dia notanterahina ny fanavaozana ireto andrimpanjakana ireto : Ny Antenimierandoholona sy ny Fitsarana Avo momban'ny Lalampanorenana.
Vita tokoa taminâny Zoma faha-11 desambra 2020 ny fifidianana anareo loholona ary araka ny efa fantatsika dia nanomboka taminâny Alakamisy faha-7 janoary 2021 ny fotoam-mpiasanâny Antenimierandoholona mandritra ny 5 (dimy) taona ho avy.
Tafapetraka sy nandray ny asany nanomboka ny Alakamisy faha-8 aprily 2021 ireo mpikambana vaovao eo anivonâny Fitsarana Avo momban'ny LalĂ mpanorenana ary 7 (fito) taona ny fotoam-piasany.
2.2. Mahakasika ny tontolonâny Fitsarana
Ao anatin'ny tanjona ametrahana fanjakana tan-dalĂ na dia vato fehizoro iray lehibe ny Fitsarana sy ny tontolony, izay ezahina hanakaiky kokoa hatrany ny vahoaka. Arak'izany dia naverina ary araha-maso akaiky dia akaiky ny fandraisana mpitsara vaovao ary amafisina tanteraka ny ady amin'ny kolikoly, indrindra eo anivonâny Fitsarana.
Nohavaozina ny biraonâny Filankevitry Amboninâny Mpitsara (CSM) ary napetraka taminâny fomba ofisialy taminâny faha-20 desambra 2020.
Fantatsika ihany koa fa navaozina taminâny Alarobia faha-28 aprily 2021 ny mpitantana eo anivonâny Sampandraharaha Malagasy iadiana amin'ny Famotsiam-Bola (Samifin), araka ny takian'ny lalĂ na mifehy azy.
Eo aminâny tontolonâny Fitsarana ihany, dia eo andalam-panantanterahana ny fananganana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Antananarivo-Avaradrano, Sainte-Marie, Ambilobe, Sambava, Besalampy ary Belo-sur-Tsiribihina. Ireo TPI ireo dia vinavinaina ho vita alohanâny faranâny taona.
Manarak'izany, miara-miaiky isika fa tery sy antitra ny fonja eto amintsika. Mitohy hatrany ny ezaka fanavaozana ary fananganana fotodrafitr'asa vaovao mahakasika ny fonja, toy ny asa fananganana trano famonjana amin'ny Distrika ao Fenerive-Atsinanana, Amboasary-Atsimo, Belo-sur-Tsiribihina, Ambositra, Antananarivo-Avaradrano, Fianarantsoa I. Ny ao Sainte-Marie dia misy fahatarana kanefa tsy maintsy ho atao araky ny vinavina. Natsangana ihany koa ny fonjabe ho an'ireo gadra voaheloka mandra-pahafatiny sy ireo manao heloka goavana (criminels dangereux) any Arivonimamo, Toamasina I ary Ihosy.
Izany rehetra izany moa dia zava-poana ihany raha tsy misy ny fanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Izany tokoa no nahatonga ny fandraisana mpianatra vaovao ho mpandraharahanâny fonja mahatratra 500 (dimanjato) izay hanomboka ny taom-pianarana aminâny volana jolay ho avy izao.
Natolotra taminâny janoary 2021 ho anâny Fandraharahana ny fonjan'Antananarivo renivohitra ny fiara minibus iray sy fiara mpitatitra voafonja (vĂ©hicule cellulaire) manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana. Nisitraka fiara 4x4 vaovao ny sampandraharaham-pitsarana aminâireto distrika ireto : Ankazoabo-Atsimo, Fianarantsoa ary Antananarivo.
Ny ezaka rehetra vita dia nahafahana nanatsara miandĂ lana ny tontolonâny fitsarana eto amintsika ka izay no nahatonga aminâizao fotoana izao ny tahanâny olona voafonja izay efa voatsara manakaiky bebe kokoa ny 45%. Tsipihina manokana fa noho ny fankalazĂ na ny fetim-pirenena dia nanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohampirenena ka voafonja miisa 2.747 (fito amby efapolo sy fitonjato sy roa arivo) no mivoaka avy hatrany.
2.3. Eo aminâny fitsinjaram-pahefana, ny fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny asam-panjakana
Vita ny famolavolĂ na ny Lettre de Politique de DĂ©centralisation Emergente (LPDE) niarahana taminâireo sehatra maro (Ministera isantokony, Kaominina, Faritra, Mpiara-miombonâantoka, Fiaraha-monim-pirenena, sns) ary efa nahazo fankatoavana teo aminâny Filankevitry ny Ministra izany taminâny Alarobia faha-26 may 2021 ary efa tafapetraka eto anivonâny Parlemanta io volavolan-dalĂ na io aminâizao fotoana izao. Atomboka ny volana jolay ho avy izao ny famolavolĂ na ny Plan National de DĂ©centralisation Emergente izay hatao miaraka aminâireo mpisehatra rehetra eny ifotony.
Fiovana goavana natomboka taminâny taona 2020 ny famindrana ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana, toy ny fananganana sekoly sy tsena ary biraom-panjakana isan-karazany, ho anâny Faritra. Ny fitaomana hanao tolo-bidy isan-karazany (Appels dâoffre) dia ho andraikitry ny Faritra mba ahafahanâireny orinasa madinika sy salantsalany any aminâny Faritra ireny mba mandray anjara.
Mbola notohizina ihany koa ny fivorian-dehibe isam-paritra momba ny teti-bolam-panjakana ahafahana manome lanja ireo tena laharam-pahamehana sy ny filĂ na aminâny fampandrosoana, mba ahazoana mamaritra mazava ireo teti-bolanâny Faritra. Tohizana izany fandraisanâny eny aminâny Faritra ny ConfĂ©rence budgĂ©taire izany ary ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy no nandray izany fivoriana izany telo herinandro lasa izay.
Mahakasika manokana ny faritra dia efa eto anivonâny parlemanta aminâizao fotoana izao ny volavolan-dalĂ na hametrahana ny faritra faha-23 eto Madagasikara, dia ny Faritra Fitovinany izay ao anatinâny Faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny. Mahakasika ireo Faritra 22, Governora miisa 21 (iraika amby roapolo) hatreto no efa voatendry hitantana ireo faritra ireo. Tsy ho ela intsony ny fanendrena ny Governoranâny Faritra Betsiboka.
Ankoatrâizany dia famatsiam-bola hanatanterahana foto-drafitr'asa (subvention dâinvestissement) mitentina 2 miliara Ariary no nomena ny Faritra tsirairay isan-taona. Fanampiana ara-bola ho fampandehanan-draharaha (subvention de fonctionnement) mitentina 210 millions Ariary (folo sy roanjato tapitrisa ariary) isan-taona no nomena ny Faritra tsirairay.
Nomena fanampiana ara-pitaovana ihany koa ny Faritra tsirairay izay ahitana bulldozer, compacteur, chargeur sur pneus, nivelleuse ary camion arroseur. Izany fampitaovana izany dia mba ahafahanâireo Faritra tsirairay manamboatra lĂ lana ao aminy ka fanamby napetraka aminâizany ny ahavitana lĂ lana 250 km isan-taona.
Ankoatra ireo, isaky ny distrika, dia nomena famatsiam-bola aminâny alalanâny CrĂ©dit dâInvestissement pour lâAppui au DĂ©veloppement (CIAD), ka miankina aminâny isanâny Solombavambahoaka eo aminâilay distrika ny tetiny, izay 250 millions Ariary (dimampolo sy roanjato tapitrisa ariary) isaky ny Solombavambahoaka, ary nampitomboina ho 500 millions Ar (dimanjato tapitrisa ariary) raha anankiroa.
Mahakasika ireo Kaominina miisa 1.695 (dimy amby sivifolo sy eninjato sy arivo) mitohy hatrany ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika azy ireo. Ny kaominina tsirairay dia nomena fanampiana ara-bola :
- Fanampiana ho fampandehanan-draharaha (subvention de fonctionnement) mitentina 25 millions Ar (dimy amby roapolo tapitrisa ariary) raha 15 millions Ar (dimy ambinâny folo tapitrisa ariary) teo aloha
- Hisy ihany koa ny tetibola fanampiny "subventions complémentaires" ho an'ireo kaominina manana mponina mihoatra ny 5.000 (dimy arivo)
- Tohizina ny famatsiam-bola hanatanterahana fotodrafitrasa (subventions dâinvestissement) tohananâny Banque Mondiale aminâny alalanâny Tetikâasa PAPSP : 30 millions Ar (telopolo tapitrisa Ariary) isaky ny kaominina
- Tohizina ny fandoavana ny latsakemboka (cotisation) CNaPS tsy voaloa teny aminâny kaominina (arriĂ©rĂ©s de cotisations sociales).
Manamaivana ny vesatra ho anâny tetibolanâny Kaominina ny fandoavanâny Fanjakana ireny latsakemboka tsy voaloa ireny ary koa ahafahan'ny mpiasan'ny kaominina misitraka ny zony.
Ny fiaraha-miasa aminâireo mpiara-miombon'antoka dia manampy ireo vondrombahoakam-paritra aminâny fanorenana fotodrafitrasa, toy ny sekoly, lalana, tsena ary famatsian-drano.
Mbola asa mitohy ny fananganana na ny fanavaozana ny fotodrafitrasa izay efa natomboka taminâny taona 2020 :
- Biraonâny kaominina andrenivohitra miaraka aminâny toerampidiovana miisa 15 (dimy amby folo) ao Ambatolampy, Ambatomainty, Ambilobe, Amboasary, Ampanihy, Bekily, Ivohibe, Maevatanana, Mahabo, Mahanoro, Mampikony, Mananjary, Mandritsara, Midongy atsimo, ary Morombe
- Biraonâny kaominina ambanivohitra miisa telopolo (30)
- Biraom-paritry ny BNGRC any Mahajanga sy Toamasina I
- Birao ho anâny distrika miisa fito dia : Vohipeno, Mandritsara, Anjozorobe, Antanambao Manampotsy, Soavinandriana, Ankazobe, PrĂ©fecture de Police dâAntananarivo
- Trano fiasana sady toeram-ponenana ho anâny PrĂ©fets sy ny Lehibenâny Distrika miisa 12 any Ambatondrazaka, Ambositra, Antsirabe I, Antsiranana I, Fianarantsoa, Manakara, Mananjary, Morondava, Nosy be, Sainte-Marie, Toliara II, Tsiroanomandidy
- Tranompokonolona ao Iakora
- Tsena manarapenitra ao Ampanefena, Vohémar.
Distrika miisa 9 (sivy) no efa nisitraka ny fanombohan`ny fanamboarana ny Fiadidim-paritra misahana ny Asa, Fampanananâasa, ny Asam-panjakana ary ny LalĂ na Sosialy dia ao Ambositra, Taolagnaro, Maevatanana, Miarinarivo, Fianarantsoa, Ambovombe, Manakara, Morondava ary Sambava. Ny asa dia kasaina ho vitaina aminâity taona 2021 ity.
Mba hirosoana aminâny fitondrana tsara tantana dia tsy maintsy napetraka ireo rindran-damina ireo. Tsy misy fampandrosoana raha tsy milamina ny tany.
3. Filaminana sy Fandriampahalemana
Niarahantsika nahita ny ezaka rehetra efa notanterahina taminâny fanatsarana sy ny fanavaozana ireo rafi-pitantanana teo anivonâ ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Tao anatinâizany ny fampitaovana sy ny fananganana fotodrafitrâasa vaovao sy toby ho anâny miaramila, zandary ary polisy.
Nitohy hatrany izany asa rehetra izany na dia tao anatinâny hamehana ara-pahasalamana aza ny firenentsika satria tanjona lehibe no napetraka, dia ny famerenana ny fahefam-panjakana sy ny fifampitokisana eo aminâny vahoaka sy ny mpitandro filaminana.
3.1. Tafika Malagasy
Niroso hatrany isika teo aminâny fametrahana na ny fotodrafitrasa na ny rafi-pibaikoana mifanaraka aminâny tetika novolavolaina iatrehana ny tsy fandriampahalemana sy ny fiarovana ny Firenena.
Tafajoro ny 11 martsa 2020 ny Etamazaoro Iraisanâny Tafika (Etat Major des ArmĂ©es) sy ireo Etamazaoronâny Antoko Tafika 3 (telo) dia ireto avy : Etamazaoro ny Tafika An-Tanety, Etamazaoro ny Tafika An-Habakabaka, Etamazaoro ny Tafika An-dRanomasina.
Napetraka nanomboka ny 9 desambra 2020 ireo Faritra Fiarovana sy Fampandriam-pahalemana 10 (folo) na Zone de DĂ©fense et de SĂ©curitĂ© dia : Ankarana, Ankarafantsika, Tsiribihina, Tsiafajavona, Ikopa, Pangalanes, Andringitra, Fiherenana, Matitanana ary Mandrare. Efa voatendry avokoa ireo Komandinâireo ZDS ireo aminâizao fotoana izao.
Hapetraka ihany koa ireo Mpiadidy Miaramila isam-Paritra (Délégués Militaires Régionaux).
Ao anatinâny fanitsiana ny rafitra dia natsangana ny « Premier Bataillon Parachutiste » ny faha-6 janoary 2021 izay nanolo ny « Premier RĂ©giment des Forces dâintervention (1er RFI) teo aloha. Natsangana ihany koa ny DeuxiĂšme Bataillon dâInfanterie de Marine (2Ăšme BIMA), ny faha-6 janoary 2021 any Antsiranana izay nanolo ny DeuxiĂšme RĂ©giment des Forces dâIntervention (2Ăšme RFI) teo aloha. Efa nitsangana ny Groupement des Forces SpĂ©ciales dâIntervention (GFSI) ny faha-10 febroary 2021. Efa natsangana ny faha-27 janoary 2021 ihany koa ny Base AĂ©rienne 213 izay nivondronanâny Base AĂ©ronavale dâIvato sy ny Base AĂ©rienne Tactique dâArivonimamo.
Farany, notontosaina ny firaketana an-tsoratra sy fitsarana miaramila ireo zatovo lahy sy vavy 18 taona ka hatraminâny 31 taona manerana ny nosy izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy, miisa 226.254 (efatra amby dimapolo sy roanjato sy enina arivo sy roa alina sy roa hetsy) izy ireo, ary mitsinjara toy izao lahy 111.106 (enina amby zato sy arivo sy iray alina sy iray hetsy), vavy 115.148 (valo amby efapolo amby zato sy dimy arivo sy iray alina sy iray hetsy).
Nandray anjara feno taminâny famonjena ireo vahoaka traboina noho ny tondra-drano ny fiandohanâny taona 2020 ny tafika malagasy ka nampiasaina taminâizany ny fitaovana rehetra toy ny angidimby, lakana sy fiara tsy mataho-dalana.
Teo aminâny ady aminâny asan-dahalo eny ambanivohitra dia omby 4.222 (roa amby roapolo sy roanjato sy efatra arivo) no tafaverina teo aminâireo omby 7.732 (roa amby telopolo sy fitonjato sy fito arivo) very niantsoana ny tafika, dahalo 126 (enina amby roapolo amby zato) no tratra, basy 114 (efatra amby folo amby zato) no notazonina ary fahana (munitions) 139 (sivy amby telopolo amby zato).
Eo aminâny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana dia toy izao ireo ezaka natao :
- Faritra Ambanivohitra mitaky fandriampahalemana maika (Zones Rurales Prioritaires de SĂ©curitĂ© na ZRPS) miisa 4 (efatra), izay efa iarahantsika mahita ny vokatry ny asanâizy ireny
- Toby miisa 5 (dimy) no naorintsika ho anâireo Beholafy Mpiaro Atomotra (Base OpĂ©rationnelle AvancĂ©e â BOA) any Tsaratanana, Iakora, Morafenobe, Ambatofinandrahana ary Ankilizato. Efa nanomboka ny fitokanana ireo toby rehetra ireo isika ankehitriny
- BOA miisa 5 (dimy) hafa kosa no eo an-dalam-panorenana, dia ny any Ankazoabo Atsimo, Miandrivazo, Isandra, Andriry Betroka ary Kandreho
- Andiany Mpiaro Manokana (DĂ©tachement SpĂ©cial de SĂ©curitĂ© â DSS) miisa 4 (efatra) no efa vita tanteraka ao Vondrozo, Amboasary-Atsimo, Befotaka ary Ambohimahasoa. Ezahina kosa ny hamitana ny DSS ao Mitsinjo, Soalala, Vangaindrano, Anjozorobe, Mandritsara ary Vohipeno
- Fanamboarana Famaharana Fototra (Base réduite) ao Mananjary sy Farafangana
- Fampitaovana maro isan-karazany ho anâny Tafika Malagasy sy fanatsarana ary fanarenana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy.
3.2. Zandarimariam-pirenena
Raha ny taona 2020 no resahana dia azo singanina manokana ireto vokatra ireto :
ï Voarava ny tambazotranâireo andian-jiolahy mpanao fakana an-keriny sy ireo mpiray petsapetsa aminy izay nokarohina hatraminâny ela ary koa ireo dahalo nampihorohoro taminâny faritra maro raha tsy hilaza afa-tsy ny tany Tsaratanana, Mahazoarivo Isandra, Anjozorobe
ï Nahitana fihenĂ na 24% (efatra amby roapolo isan-jato) ny asan-jiolahy, 9% (sivy isan-jato) ny fandrobana mitam-piadiana sy fanakanan-dalana aminâny faritra maro manerana ny Nosy
ï Taolam-paty maherinâny 400 (efa-jato) kilao no sarona nandritra ny taona 2020 ary olona miisa 87 (fito amby valompolo) no voasambotra
ï Maherinâny 46.403 (telo amby efajato sy enina arivo sy efatra alina) kilao ny zava-mahadomelina tratra ankoatra ireo fambolena nopotehina. 380 (valopolo sy telonjato) ny olona voasambotra
ï Nisy fihenany 21% ny tahanâny trangana halatrâomby, raha nihena 55% ny isanâny omby very ary niakatra 66% kosa ny tahanâny famerenana ireo omby
ï Basy tsy ara-dalana 1.397 (fito ambinâny sivifolo sy telon-jato sy arivo) no azo nanerana ny faritra maro ka ny 106 (enina amby zato) taminâireo dia basy mahery vaika avokoa niaraka taminâny bala miisa 428 (valo amby roapolo sy efajato).
Eo aminâny fotodrafitrasa sy fampitaovana dia izao no azo ambara :
ï Vondro-Tobi-Paritra (Compagnie de Gendarmerie): Voatsangana ny ao Ikalamavony sy Amboasary Atsimo ary efa miasa ny ao Iakora. Hatsangana aminâity taona ity ny any Befandriana Avaratra sy Amparafaravola
ï Toby Fanatevenam-Panazarana Manokana (Centre SpĂ©cial dâAguerrissement OpĂ©rationnel - CSAO): efa voatsangana ny any Malaimbandy Mahabo, Beroroha, Beravina Morafenobe, Ranotsara Atsimo, ary Imanombo Ambovombe. Eo am-pamaranana ny fotodrafitrâasa CSAO miisa 2 (roa) dia any Andriamena Tsaratanana ary Andimaka-Manambolo Belo-sur-Tsiribihina. Ary efa amperinâasa ny ao Maromby Amboasary Atsimo
ï Tobim-paritra na Brigades miisa 7 (fito) no eo am-pananganana aminâizao fotoana izao dia ireto avy : Mahazoarivo Isandra, Marolinta Beloha, Androka Ampanihy, Tranomaro Amboasary, Maroalimainty Ambovombe, Ikopoky Beloha, Talata Vohimena Manandriana
ï Tafapetraka ny Tobim-paritra manaramaso ny Ranomasina (Postes de surveillance nautique) roa ao Tanjona Mananara Avaratra sy Manantenina Taolagnaro
ï Efa an-dĂ lam-pahavitĂ na ny Sakelika Manokana ny Lalana na BRS (Brigade RoutiĂšre SpĂ©ciale) ao Kiangara Ankazobe, RN4, mameno ho 4 (efatra) ireo eny anivonâny Faritra Fialan-tsasatra Voaaro (Aire de repos sĂ©curisĂ©e) ao Sahamamy RN2 Brickaville, Ambalamanakana Ambositra RN7 ary Analakininina RN34 Miandrivazo
ï Hatsangana toy izany koa ny Ivotoeram-pirenena Fanazarana Manokana CNESGN (Centre National dâEntrainement SpĂ©cifique) ao Ambatolampy
ï Niampy ihany koa ireo fitaovana nomena ny zandarimariam-pirenena : (i) Lakana haingam-pandeha (vedette) 3 (telo) no natolotra ireo pelotons de surveillance cĂŽtiĂšre any aminâny faritra SAVA, Analanjirofo ary Anosy, (ii) motos miisa 47 (fito amby efapolo) no naparitaka manerana ny Nosy
ï Camion miisa 8 (valo) no natolotra ny zandarimaria ho fanatanterahana ny asa ary nentina nanampiana fitaomana rano any aminâny faritra atsimo ireo fitaovam-pitaterana ireo noho ny fisianâny hain-tany niseho tany.
3.3. Polisim-pirenena
Teo anivonâny Polisim-pirenena dia ireto no singanina taminâny vokatra azo :
ï Eo aminâny asan-jiolahy, fikambanan-jiolahy 93 (telo amby sivy folo) no rava. Tranga fakana ankeriny miisa 5 (dimy) no voavahy sy voarava
ï Eo aminâny halatrâomby, raharaha 132 (roa amby telopolo amby zato) no natrehina ka tafaverina ny omby 565 (dimy amby enimpolo sy dimanjato) taminâireo 868 (valo amby enimpolo sy valonjato) very, dahalo 62 (roa amby enimpolo) no voasambotra
ï Basy 79 (sivy amby fitopolo) no azo ka ny 34 (efatra amby telopolo) naverinâireo dahalo taloha tao Isandra ary ny 45 (dimy amby efapolo) tratranâireo sampandraharahanâny Polisim-pirenena miady aminâny fiparitahanâny fitaovam-piadiana
ï Raharaha halatra taolam-paty miisa 19 (sivy amby folo) no noadihadihana tany Antalaha, Taolagnaro ary Betafo. Taolam-paty 44 kilao (efatra amby efapolo kilao) no azo
ï Rongony 10.045 kilao (dimy amby efapolo sy iray alina kilao), lasaka 26 (enina amby roapolo) ary fonosana 217 (fito ambifolo sy raojato) no tratra
ï BolabolanâAndramena miisa 87 (fito amby valopolo) no tratra tao Amparafaravola
ï Volamena 2,746 kilao (roa kilao faingo enina amby efapolo sy fitonjato) no tratry ny Polisy mpiandry sisin-tany tao Nosy Be
ï Raharaha mikasika ny fandikan-dalĂ na eo aminâny haitao ara-kajy mirindra (cybercriminalitĂ©) 128 (valo amby roapolo amby zato) no voavaha.
Eo aminâny fotodrafitrasa sy fampitaovana dia izao no azo ambara :
ï Eo anivonâireo Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka dia efa vita tanteraka na eo am-pamaranana ny asa fanorenana ny toeram-piasana sy trano fonenana ho anâny tompondrakitra ao aminâireto faritra ireto : Ihorombe, Sofia, Betsiboka, Bongolava, Vakinankaratra, Anosy, Vatovavy Fitovinany, Analanjirofo, AmoronâImania, Atsimo Atsinanana
ï Vita ary efa miasa ny Kaomisarianâny Polisy vaovao 2 (roa) ao Ambohimahasoa sy Vondrozo
ï Mitohy ny fananganana Kaomisaria aminâireto toerana ireto : Midongy Atsimo, Befotaka Atsimo, Beloha, Manja, Andramasina, Toliara II, Benenitra, Marolambo, Toamasina II, Kandreho, Mahajanga II, Isandra, Ikalamavony
ï Atomboka aminâity taona ity ny fananganana Kaomisaria aminâireto distrika ireto : Iakora, Vohibato, Fenoarivobe, Anivorano Avaratra, Brickaville, Beroroha, Anjozorobe, Ifanadiana, Sainte-Marie, Lalangina, Manja, Bekily, Betroka, Antsirabe II, Ambato-Boeny, Tsihombe, Nosy Varika, Betafo, Betioky, Befandriana Avaratra, Anosibe anâAla, Antanambao Manampotsy, Mitsinjo, Ambohidratrimo
ï Nahazo tombony manokana ny polisim-pirenena taminâny fahazoana ireo fiara tsy mataho-dĂ lana miisa 34 (efatra amby telompolo) sy moto Gascar miisa 100 (zato) ary moto hafa miisa 264 (efatra amby enimpolo sy roanjato)
ï Hatsangana ny Fitaleovam-Paritra ny Polisim-pirenena DRSP aminâny renivohi-paritra 12 (roa amby ny folo) mbola tsy manana dia ny ao Ambovombe, Sambava, Morondava, Ambatondrazaka, Maintirano, Miarinarivo, Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga ary Antsiranana.
Nazahoam-bokatra ireo ezaka ireo izay notanterahanâny mpisehatra rehetra eo aminâny lafinâny fandriampahalemana, anisanâny fepetra ahafahana mamokatra anaty fitoniana.
4. Ny lafinâny Toe-karena sy ny Fotodrafitrasam-pamokarana
4.1. Eo aminâny tontolonâny toe-karena
Raha ny vinavina ara-toe-karena aminâity taona 2021 ity dia mbola misy fiantraikany goavana aminâny firenentsika ny valanaretina izay mahazo ny eran-tany. Mbola ambany dia ambany ny tinady eo aminâny tsena eran-tany ary tsy mbola afaka mivelatra ny fandraharahana sy ny famatsiam-bola avy aminâny sehatra tsy miankina nohonâny fisianâny fisalasalana (incertitude) maro samihafa.
Raha ny eto Madagasikara no resahana, nohonâny fiverenanâny valanaretina fanindroany nanomboka taminâny volana marsa taminâity taona ity dia nofaritana ho +4,3% aminâizao fotoana izao ny fiakaranâny harikarena faobe raha -5% eo ho eo izy taminâny taon-dasa.
Ezahana ny hitazomana ho 6,2% ny sondrom-bidim-piainana aminâity taona 2021 ity. Ny fitĂ nana ny volantsika Ariary ho marin-toerana dia ny fitsinjovana ny fanomezana aina indray ny toe-karena eto amintsika na relance Ă©conomique.
Raha 9,8% ny tahanâny famorian-ketra (pression fiscale) taminâny taon-dasa dia 11,4% no tanjona aminâity taona ity. Ny tsy fifandanjanâny vola miditra sy ny vola mivoaka aminâny teti-bolam-panjakana ankapobeny dia -6,5% aminâity taona ity. Ny politika ara-bola sy ara-pitantanam-bola aminâity taona 2021 ity dia natao hifantoka aminâny fitsinjovana ny fomba mahomby ampiainana indray ny toe-karena eto amintsika. Hiteraka asa sy vola miditra ho anâny orinasa, ho anâny mpandraharaha ary ho anâny tanora aminâny fampiasam-bola eo aminâny seha-pihariana marobe aminâny alalanâny tetikasa sy ny programanâasam-panjakana izany.
4.2. Eo aminâny fanatsarana ny asam-pitantanam-bola
Vita tanteraka ny fananganana sy ny fampitaovana ny tranobenâny HĂŽtel des finances ao Sambava. Eo am-pananganana ny HĂŽtels des finances isika aminâizao fotoana izao ao Antsiranana, ao Mahajanga, ao Fianarantsoa, ao Taolagnaro ary ao Toliara.
Nohatsaraina ny toeram-piasanâny Direction GĂ©nĂ©rale du TrĂ©sor eto Antananarivo-Renivohitra.
4.3. Eo aminâny sehatry ny harena ankibonâny tany
Mahakasika ny fehezan-dĂ lana momba ny harena ankibonâny tany dia mitohy hatrany ny dinika eo aminâny fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra eo aminâny lafinâny fihariana harena ankibonâny tany eto amintsika.
Mba hiadiana aminâny fanondranana an-tsosokosoko ny harem-pirenena any ivelany, tsy ho ela dia hovatsiana fitaovana fitiliana volamena ari-fomba eny amin'ny seranam-piaramanidinâi Antananarivo, Nosy be ary Toamasina.
Tafatsangana na andalam-panamboarana ny Biraompanjakana momba ny harena an-kibon'ny tany na Bureau d'Administration MiniÚre (BAM) any Miandrivazo, Tsiroanomandidy, Vohémar, Antsohihy ary Mananjary. Izany dia natao mba hahafahana mifehy tsara ny fitantanana ny sehatry ny harena ankibon'ny tany. Ho tohizana any amin'ny Distrika 5 (dimy) ny fananganana BAM dia Nosy be, Fenerive-Atsinanana, Ambositra, Ambovobe, Maintirano.
Naorina any Antsirabe ihany koa ny Trano iombonana (Atelier Communautaire) izay toerana fanefena vatosoa.
4.4. Eo aminâny sehatry ny Fitaterana sy ny fizahantany Maro ny ezaka hiatrehana ny fanamby hanarenana ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany nohonâny fiantraikanâny krizy ara-pahasalamana eto amintsika. Ny fitondram-panjakana dia efa nandray fepetra manokana mba hanalefahana tanteraka ny hetranâny taona 2020 sy 2021 ho anâny orinasa rehetra misehatra eo aminâny fizahantany eto amintsika. Torakâizany koa dia namoraina ny fanemorana ny fandoavan-ketra ho anâireo orinasam-pitaterana anâhabakabaka misy eto aminâny Nosy taminâny taona 2020. Mahakasika ny fitaterana an-dalamby dia hatsaraina hatrany ny Zotra FCE (Fianarantsoa - CĂŽte Est) izay nisitraka lohamasinina 3 (telo) sy fanavaozana anâireo fitaovana efa misy. Nisy ihany koa ireo fanamboarana natao teo aminâny tobim-piantsonanâny lamasinina, toy ny tao Fianarantsoa, Manapatrana, Mahabako, Tolongoina ary Fenomby. Ireo ezaka ireo dia nahafahana nampitohy tsy tapaka ny zotra Fianarantsoa-Manakara. Aminâity taona 2021 ity dia mbola hanatevina izany fampitaovana izany ny Fanjakana, aminâny alalanâny fividianana « wagons » ho anâny FCE. Hotohizana ihany koa ny fanatsarana ny fiantsonana aminâny zotran-dalamby FCE ao Sahambavy, Manakara, Fenomby, SahasinĂ ka ary Tolongoina.
Hirosoana ny fampiasana zotra an-dalamby hitaterana olona eto andrenivohitra aminâireto zotra 2 (roa) ireto :
ï Faritra Atsimo (corridor sud) izay manomboka eo Soarano PK0, mihazo Isotry, Ampefiloha, Soanierana, Ankadimbahoaka, Androndrakely ary mifarana eny Amoronakona PK12, ary efa miatomboka ny asa mahakasika anâio.
ï Faritra Avaratra (corridor nord) : avy eny Alarobia mihazo anâAnkazomanga ary Soarano.
Eo aminâny Fitaterana an-tariby (tĂ©lĂ©phĂ©rique) dia efa voafaritra ireo lĂ lana andalovanâity rafi-pitaterana ity. Efa niroso ny asa fanomanana rehetra, toy ny fanentanana sy fampahalalana ny tomponâandraikitra sy ny mponina aminâny toerana anaovana ny asa, ny fanadihadihana ara-tontolo iainana sy ireo toerana hipetrahanâny andry hamaharany (pylĂŽnes) sy ny fiantsonana.
Ho anâny Fitaterana an-tanety dia efa vita ny ASSR (Aire de stationnement, de sĂ©curitĂ© et de repos) ao Ambalamanakana (RN7) sy ao Sahamamy (RN2). Efa eo an-dalam-pamitĂ na ny ASSR miisa 5 (dimy) isika izao dia ny ao Ambalakinina Miandrivazo (RN34), Lambokely (RN8), Andimaka (RN8), ao Andranovelona Sakay (RN1) sy ao Kiangara (RN4).
Kasaina ihany koa ny fanamboarana ASSR miisa 5 (dimy) hafa aminâity taona ity aminâny lalam-pirenena toy ny ao Ranohira (RN7), Ambilobe (RN6), Ifanadiana (RN25), Irondro-Manakara (RN12), Andaingo (RN44). Eo aminâny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, vita ny asa fanadiovana sy fanavaozana ny Canal des Pangalanes avy aty Toamasina ka hatrany Mananjary, izay mitondra fanampiana aminâny fampivelarana ny seha-pihariana toy ny lavanila, ny harena an-kibonâny tany, ny fizahantany, ny fambolena, sns. Hotohizana aminâity taona 2021 ity ny fanatsarana ny fifamoivoizana aminâny Canal des Pangalanes, ka efa an-dalam-panantanterahana aminâizao fotoana izao ny ampahany Mananjary â Manakara. Nisy ihany koa ireo fotodrafitrâasa samihafa izay vita na eo an-dalam-pahavitana, toy ny fiantsonanâny botry ao Soalala, ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Maintirano, ny fanatsarana ny seranan-tsambo Quai Orsini ao Mahajanga, ny asa fanarenana ny seranan-tsambo ao Antalaha, ny fanorenana ny seranan-tsambo ao Mananara-Avaratra. Ny aminâity taona 2021 ity dia hatao ny asa fanarenana ny seranan-tsambo ao Analalava, ny seranan-tsambo ao Sainte-Marie ary ny seranan-tsambo ao Besalampy. Vitaina aminâity taona ity ny fandinihana ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toliara sy ny fiantsonana ao Soanierana-Ivongo ary ny Port IlĂŽt Madame ao Sainte-Marie.
Eo aminâny fitaterana anâhabakabaka dia singanina manokana ny fanaovana sonia fiaraha-miasa aminâny fitantanana seranam-piaramanidina madinika 8 (valo) dia ny ao Mananara-Avaratra, Antalaha, VohĂ©mar, Morombe, Maintirano, Analalava, Manakara ary Antsirabe.
Natsaraina sy nosokafana ny seranam-piaramanidina ao Amborodia Bekopaka ary Isalo Ranohira.
Napetraka ny tunnels dĂ©sinfectants ao aminâny seranam-piaramanidinina 6 (enina) eto amintsika dia : Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Taolagnaro ary Sainte-Marie.
Ny fitondram-panjakana dia efa mandinika ny aminâny fijerena manokana ny fotoana ary ny fomba mety hanokafana indray ny sidina mitondra olona avy any ivelany. Kanefa miankina betsaka aminâny fivoaranâny valanaretina eto amintsika izany sy ny any ivelany ihany koa.
4.5. Eo aminâny sehatry ny fampivelarana ny indostria sy ny varotra
Mitohy ny ezaka mba ho fiarovana ny mpanjifa, indrindra nohonâny fisianâny valanaretina teo aminâny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro sy ny mahakasika ny vidinâireo entana ireo.
Nisesisesy ny fihaonana sy fiaraha-midinika taminâireo mpandraharaha matihanina momba ny varotra sy ny fanafarana ireo entana ireo ka niezahana ny niaro ny fahefamividinâny mpanjifa miatrika ny fikorontanananâny seha-pamokarana manerantany, raha ny momba ny vary, ny menaka, ny siramamy ary ny lafarinina manokana no resahina.
Mikasika ny lavanilina, dia mitohy hatrany ny ezaka ataonâny fitondrampanjakana aminâny fanamafisana ny fandriampahalemana aminâity seha-pihariana ity. Heverina fa ho vita mialohanâny faranâity taona ity ny âTranobenâny lavanilinaâ izay efa natomboka ny fananganana azy ao Antalaha. Nohavaozina taminâny volana May lasa teo ny lalĂ na mifehy ny Filankevitra Nasionaly momba ny Lavanilina mba hametrahana ny dinika eo aminâny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina toy ny mpamokatra, mpanangom-bokatra ary mpanondrana lavanilina aminâny faritra sivy mpamokatra eto amintsika.
Momba ny tetikâasa ODOF âOne District, One Factoryâ, dia efa vonona ankehitriny ireo pitsopitsonâny taratasy fandraharahana mahakasika distrika miisa 30 (telopolo) ka tsy ho ela dia hiroso aminâny fametrahana izany isika mba hananganana orinasa mpanodina vokatra mifanaraka aminâny zava-misy eny anivonâny distrika isanisany.
4.6. Eo aminâny sehatry ny tontolo Ambanivohitra
Ankoatra ireo asa maro efa vita ny taona 2019, dia maro koa ny ezaka natao mba hanatsarana ny tontolo ambanivohitra nandritra ny taona 2020 ka hatraminâizao.
Eo aminâny sehatry ny fambolena manokana, velaran-tany voatondraka ho fanitarana maherinâny 37.047 hektara (fito amby efapolo sy fito arivo sy telo alina hektara) no vita taminâny taona 2020. Ireto avy ny faritra nahitana izany asa izany:
- Faritra Alaotra Mangoro : Distrika Ambatondrazaka ao Ambohitromby, Distrika Amparafaravola ao Ambohimandroso, Imamba, Ivakaka ary PC 23, Distrika Andilamena ao Vodivato
- Faritra Amoronâi Mania : Distrika Ambatofinandrahana ao Ambodiriana, Ivary, Andohariana, Tsinjorano, Vohidahy, Belavenona, Ambararatasarotra, Antsosa sy Ambondromisotra, Distrika Ambositra ao Ilaka Afovoany, Andohariana sy Analalehibe, Distrika Fandriana ao Tsarazaza
- Faritra Analamanga : Distrika Ambohidratrimo ao Ambohimanjaka Andrefanitsarahoray, Ambohipihaonana, Ambohitrinilahy, Distrika Andramasina ao Amberobe, Antsiho sy Tankafatra, Distrika Anjozorobe ao Ampilanonana, Antsorindrana, Betsimizara, Mangamila sy Antatamokely, Distrika Antananarivo Avaradrano ao Ambohidrazana sy Ampahimasina, Distrika Antananarivo Atsimondrano ao Ambalavao, Distrika Manjakandriana ao Andranonanjakana
- Faritra Analanjirofo : Distrika Fenoarivo Atsinanana ao Androka, Saharamy, Amparihibe Mahatsara, Ankidoba, Ambodirofia, Angorokobe, Marohelitra, Mandanitaoka, Ambodiaviavy, Masiakamalona, Vohilengo, Maroaomby, Ambodimanga II sy Manakambahiny, Distrika Maroantsetra ao Ankofabe, Distrika Vavatenina ao Iazafo, Ampasimazava, Maromitety, Kaloandapa, Sahanimanga, Maintimbato, Lanary, Mahatsara sy Verezambola
- Faritra Androy : Distrika Bekily ao Bekitro, Beraketa Menakompy sy Tsikolaky, Distrika Ambovombe ao Imanombo Finday
- Faritra Anosy : Distrika Amboasary Atsimo ao Tsivory, Maniry sy Tsimanangy, Distrika Betroka ao Naninora Anteto
- Faritra Atsimo Andrefana : Distrika Betioky Atsimo ao Mangily sy Taheza, Distrika Morombe ao Tanandava
- Faritra Betsiboka : Distrika Maevatanana ao Ambalanjanakomby Kariera
- Faritra Boeny : Distrika Mahajanga II ao Bealoy, Ankaboka, Marosakoa sy Antanamivony, Distrika Soalala ao Antsakoamileka
- Faritra Bongolava : Distrika Tsiroanomandidy ao Andohananalamalotra
- Faritra Diana : Distrika Ambanja ao Ampondrabe, Ankaraignabe sy Antsakoamanondro, Distrika Ambilobe ao Mahavavy, Distrika Antsiranana II ao MahĂ lina sy Tanamandriry
- Faritra Ihorombe : Distrika Iakora ao Anarabe, Nosiarivo, Ranotsara Avaratra, Tsaravatsy Ivory, Distrika Ihosy ao Analalaliry, Andriabe, Andrera, Ambahibe, Distrika Ivohibe ao Ankazovinelo, Antokila, Ambatomalama sy Amboza
- Faritra Itasy : Distrika Arivonimamo ao Tsarafara, Ambohitrakanga, Avarabary, Distrika Miarinarivo ao Loholoko
- Faritra Matsiatra Ambony : Distrika Fianarantsoa ao Ankitsika, Anasana sy Ankaraoka, Distrika Isandra ao Andoharanomaintso, Distrika Vohibato ao Ampahidranolava
- Faritra Melaky : Distrika Antsalova ao Beboka sy Bekopaka, Distrika Maintirano ao Demoka sy Marifilaly
- Faritra Menabe : Distrika Belo-sur-Tsiribihina ao TsaraotĂ na, Distrika Manja ao Ambararata sy Vondrove, Distrika Morondava ao Dabara sy Bemanonga
- Faritra Sava : Distrika Andapa ao Ambalafary, Kobahina, Ambodiala sy Andalamena, Distrika Vohémar ao Belambo Ambony
- Faritra Sofia: Distrika Antsohihy ao Anahidrano, Distrika Bealanana ao Andranomafana sy Anjohibe
- Faritra Vakinankaratra : Distrika Antsirabe II ao Andriampatsy, Distrika Betafo ao Ambodiriana, Distrika Faratsiho ao Vinaniony Atsimo sy Ambohijatovo
- Faritra Vatovavy Fito Vinany: Distrika Manakara ao Nofia, Distrika Mananjary ao Marofototra.
Lakan-drano fanondrahana mirefy 2.161 km (iraika amby enimpolo amby zato sy roa arivo kilometatra) no namboarina sy navaozina ao aminâny Faritra miisa 17 maneranâny nosy.
Raha ny fiompiana kosa dia samy nanaovana ezaka aminâny Distrika maro maneranâny Nosy ka ireto avy izy ireo:
ï Abattoir manara-penitra iray ao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava no natsangana
ï Fiompiana omby fakana hena fitaratra telo no naorina tao Toamasina, Tsiroanomandidy sy Taolagnaro, ary toerana fiompiana omby manarapenitra (fermes modernes et fermes franchisĂ©es) enina tao Antsirabe II sy Betafo
ï Omby mihoatra ny 2.400 (efajato sy roa arivo) no nametrahana marika voaaradia (puces gĂ©olocalisables) mba hiarovana andianâomby miisa eo aminâny 250 000 (dimy alina sy roa hetsy) ao Bongolava sy Menabe
ï Omby miisa 1.000 (arivo) no nametrahana kavinâomby tsy azo angalarina (boucle dâidentification infalsifiable) tao aminâny Distrika Taolagnaro, Bekily, Ambovombe, Tsihombe ary Morondava
ï Nametrahana fanotrehana akoho mandeha aminâny herinâaratra ary mahazaka atody 840 (efapolo sy valonjato) avy ireto Distrika ireto : Ambohidratrimo, Antsiranana, Tsiroanomandidy, Mahajanga, Toamasina I sy Toamasina II
ï Ondry amanâosy mihoatra ny 22.000 (roa arivo sy roa alina) no nozaraina taminâny 2020 ka nahitana ondry amanâosy fakana taranaka miisa 5.800 (valonjato sy dimy arivo) izay nozaraina tao aminâireto Distrika ireto : Toliara I, Toliara II, Betioky, Ampanihy, Benenitra, Beroroha, Ankazoabo, Morombe, Sakaraha , Mahabo
ï Akoho fakana nofo sy manatody lava mihoatra ny 70.000 (fito alina) no nozaraina taminâny mpiompy tao aminâny Distrika Ihosy, Sambava, Antalaha, Vohimarina, Andapa ary Antsirabe I.
Raha ny teo aminâny sehatry ny jono indray dia izao no azo ambara :
ï Fanavaozana momba ny jono makamba an-tsisin-dranomasina mba ho tonga sehatra mitsinjo ny lovainjafy sy mampidi-bola ho anâny fanjakana
ï Fanokafana ny dinika mba hametrahana ny fifanarahana momba ny jono eo aminâi Madagasikara sy ny Vondrona Eropeanina ho aminâny efa-taona manaraka
ï Zana-trondro miisa 13.900.000 (sivy hetsy sy telo amby folo tapitrisa) no voazara taminâny mpiompy aminâny faritra 12 (roa amby folo) : Atsinanana, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Ihorombe, SAVA, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Boeny, Bongolava ary Analamanga
ï Fahazoan-dalana aminâny jono vaventy miisa 242 (roa amby efapolo sy roanjato) no nomena
ï Fitaovana miisa 1.800 (valon-jato sy arivo) toy ny salotrâaina, harato, sambo madinika aingam-pandeha no nozaraina tao Lalangina, Ihosy, Vohibato, Isandra, Ikalamavony, Fianarantsoa, Ambalavao, Ambohimahasoa, Toliara II, Manakara, Taolagnaro, Farafangana, Vangaindrano, Maevatanana, Antsirabe, Betafo ary Belo-sur-Tsiribihina
Ireto kosa ny asa atomboka na tohizana aminâity taona 2021 ity :
ï Momba ny fambolena, dia fanarenana velarantany voatondraka mahatratra 50.665 ha (dimy amby enipolo sy eninjato sy dimy alina) no vinavinaina, miampy fanitarana 20.850 ha (dimampolo sy valonjato sy roa alina) vaovao. Mirefy 374 kilometatra (efatra amby fitopolo sy telonjato kilometatra) ny lakan-drano kasaina haorina na havaozina amin'ity taona ity
ï Fanarenana lalantany eny anivonâny kaominina maro ahafahana mampifandray ny toeram-pamokarana sy ny tsena ka hisitraka izany ireto distrika ireto : Brickaville, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Vatomandry, Arivonimamo, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Fenoarivo Atsinanana, Manjakandriana, Miarinarivo, Soavinandriana, Soanierana Ivongo, Toamasina II, Vavatenina, Faratsiho ary Arivonimamo
ï Fametrahana any Maroantsetra sy Nosy Be ny rantsanâny Foibe fanaraha-maso ny Jono (CSP) sy fampitaovana sambo mpanaramaso ny jono azy ireo
ï Fananganana sekoly ambaratonga faharoa momba ny fiompiana (lycĂ©e agricole) ao Miarinavaratra, Fandriana
ï Fametrahana fotodrafitrasa madinika momba ny jono izay ahitana ihany koa ny fampiasana herinaratra mahaleotena any Ambanja, Ambilobe ary Nosy Be
ï Fa omby maherinâny 58.000 (valo arivo sy dimy alina) no ezahana asiana marika voaradia na puces Ă©lĂ©ctroniques ary maherinâny 450.600 (eninjato sy dimy alina sy efatra hetsy) no asiana kavina elektronika.
4.7. Eo aminâny sehatry ny tontolo iainana
Natao laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana ary ny fitantanana lovainjafy sy ara-drariny ireo harena voajanahary toy ny biby sy zava-maniry miavaka izay tsy misy afa tsy eto amintsika. Efa napetraka ny rindran-tontolo iainana maitso ka ny paikâady voalohany nentina taminâizany dia ny fambolen-kazo sy fampitomboana ireo velaran-tany voarakotra ala.
Napetraka tanjona taminâny taona 2020 ny hambolena ala afaritra aminâny velaran-tany mirefy 76.168 ha (valo amby enimpolo amby zato sy enina arivo sy fito alina hektara). Na dia teo aza anefa ny fotoan-tsarotra nandritra ny fisedrana ny valanaretina dia velaran-tany mirefy 59.639 ha (sivy amby telopolo sy eninjato sy sivy arivo sy dimy alina hektara) no voavoly hazo.
Araka ny paikâady napetraka dia hanatanteraka fambolen-kazo moderna aminâny velaran-tany midadasika isika aminâny alalanâny famafazana ambioka anâhabakabaka. Hampiasa ireo teknolojia isanâny hiaka farany isika aminâny alalanâny drones, efa voavidy ireo âdrĂŽnesâ dimy ary efa niroso taminâny fanofanana ireo teknisianina mpikirakira ny fitaovana ary efa nanatanteraka ny andrana voalohany.
Hahita vokatra tsara isika satria hahazo tombony eo aminâny lafiny fotoana, fomba fambolena ary aminâny fanatratrarana ireo toerana saro-dalana sy mikisilasila.
Mbola ao anatinâny Vina « Madagasikara rakotrâala » dia nohamafisina ny fametrahana toeram-pamokarana zanakazo (PĂ©piniĂšre) manerana ny nosy. Ankehitriny dia ahitana toeram-pamokarana zanakazo miisa 1.700 (fitonjato sy arivo) ny Faritra 22 (roa amby roapolo).
Nataonâny Fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanomezan-danja ny toe-karena maitso sy ny toe-karena mifampitsinjo (Ă©conomie verte, Ă©conomie circulaire). Izany indrindra no nanatanterahana tetikâasa fitsinjarana sy fanodinana fako ho lasa angovo na akora hafa ilaina aminâny fiainana an-davanâandro toy ny harina, zezika compost, mba hampihenana ny fandotoana ny tontolo iainana. Hisitraka izany ny Distrikanâi Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Toamasina I, Antsiranana I. Efa an-dalam-pananganana ireo foto-drafitrasa mifandraika aminâizany isika aminâizao fotoana izao.
Natao koa ny fanentanana sy fampianarana mikasika ny ady sy ny fiarovana aminâny doro-tanety sy ny doro-ala (feu de brousse, feu de forĂȘt) teny aminâny faritra miisa 17 (fito ambiny folo) ary efa eo an-dalam-pandrindrana ny anâireo faritra ambiny ankehitriny.
Fikambanana maro mitolona sy miady aminâny afo, doro-tanety sy doro-ala koa no nomena andraikitra sy novatsiana fanamiana ary fitaovana. Distrika dimy no hisitraka izany : Mahajanga II, Morondava, VohĂ©mar, Morombe, Antananarivo Renivohitra.
Ho tohizana any aminâny Distrika Antananarivo Atsimondrano koa ny tetikasa fanodinana ny fako hasolo arina.
Ho fanamafisana ny ezaka eo aminâny lafiny Tontolo iainana dia efa tafapetraka ny Ivo-toeram-panofanana nasionaly ireo teknisianinâny Ala (Centre National de Formation des Techniciens Forestiers CNFTF) eny Angavokely Carion izay mampihofana mpianatra ho Mpiasanâny ala. Efa nivoaka taminâny taona 2020 ireo andiany voalohany miisa 25 (dimy amby roapolo) ary efa nahazo fanendrena ara-panjakana ka naparitaka avy hatrany manerana ny faritra.
4.8. Eo aminâny lafinâny Asa vaventy sy ny Fanajariana ny tany ary ny trano fonenana sy ny famoronana tanĂ na vaovao
Na dia teo aza ny fiantraikan'ny valanaretina, tsy nahasakana ny fanatanterahana ireo fandaharan'asam-panjakana nampiandraiketana azy ny fitondram-panjakana, ka toy izao ny vokatra azo aroso eo aminâny sehatry ny Asa vaventy :
ï LĂ lana manodidina ny 14.300 km (telonjato sy efatra arivo sy iray alina kilometatra) no voakasiky ny fikojakojana, fanarenana na fanorenana mba ho azo ampiasaina manerana ny Distrika rehetra eto Madagasikara, toa anâAntananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Toamasina II, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Ambilobe, Ambatolampy, Antsirabe I, Antsirabe II, Ambositra, Ambohimahasoa, Fianarantsoa I, Fianarantsoa II, Ambalavao, Ihosy, Sakaraha, Toliara I, Toliara II, Manjakandriana, Moramanga, Brickaville, Taolagnaro, Amboasary, Ambovombe, Farafangana, Vangaindrano, Manakara, Ambatondrazaka, Amparafaravola, Mitsinjo, Soalala, Befandriana, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Anjozorobe, Soavinandriana, Faratsiho, Ambilobe, Vohemar, Sambava, Maevatanana, Manja, Morombe, Miandrivazo, Mahabo, sy ny sisa
ï Mandroso ny fanarenana ny RN44 mampitohy an'i Marovoay sy Vohidiala ary efa manakaiky ny 40% ny fandrosoan'ny asa
ï Vita ny tetezan'i Manaingazipo eo amin'ny RN3A mampitohy an'i Vohidiala sy Andilamena
ï Mandroso ny fanarenana ny RN5A mampitohy an'Ambilobe sy Vohemar izay mirefy 159 km (sivy amby dimampolo amby zato kilometatra) ka efa mananika ny 44% (efatra amby efapolo isan-jato) ny asa vita
ï Mandroso ny fanamboarana ny RN9 mampitohy an'i Toliara - Analamisampy - Bevoay - Manja, ka raha efa vita tanteraka ny mampitohy an'i Toliara sy Analamisampy dia manomboka kosa ny fanarenana an'i Analamisampy - Manja miaraka amin'ny fanorenana ny Tetezana eo amin'ny Reniranon'i Mangoky
ï Mitohy ny fanarenana ny RN12A ary efa miroso amin'ny fikarakarana ny tolotr'asa andiany faharoa miaraka amin'ny fanorenana ireo tetezana valo mampitohy anâiny lĂ lana iny izay mahasehaka Distrika telo dia Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro
ï Mitohy ary mandroso ny fanomanana ny tolotr'asa ho amin'ny fanarenana ny lalampirenena RN13 mampitohy an'i Ambovombe sy Taolagnaro
ï Mitohy ary mandroso ny tolotr'asa fanarenana ny RN6 mampitohy an'Ambanja â Antsiranana ary tsy ho ela intsony dia hanomboka ny asa fanamboarana
ï Manakaiky ny fahavitany ny RN43 mampitohy an'i Sambaina sy Faratsiho ary mitohy ny fanarenana ireo ampahany efa misy fahasimbana amin'ny lalana mampitohy an'i Faratsiho - Soavinandriana â Analavory
ï Vita tanteraka ny Rocade-nâIarivo
ï Mandroso ny fanamboarana ny Route des oeufs eny Mahitsy
ï Tohizana ny fanarenana ny RN5 mampitohy an'i Toamasina â Foulpointe â Fenerivo Atsinanana - Soanierana Ivongo - Mananara â Maroantsetra
ï Vita ireo lalana amin'ny renivohi-paritany rehetra ary singanina manokana amin'izany ireo lalana mivoaka ny tanĂ nan'Antananarivo
ï Manomboka ny fanarenana ny RN12 mampitohy an'i Vohipeno sy Farafangana
ï Atao ny asa fanarenana lĂ lana Hell-ville â Djamandzar Nosy Be, ny RNT18 Vangaindrano â Midongy â Befotaka, ny RNT14A Ifanadiana â Ikongo â Vohipeno, ny RN13 Ihosy â Betroka â Ambovombe, ny RNT33B Andranofasika - Ambato-Boeny, ny RN23 Mahanoro â Marolambo, ny RNS1B Tsiroanomandidy â Maintirano
ï Hirosoana ny fanamboarana ny fefilohanâny Mahajilo ao Miandrivazo.
Eo aminâny fanajariana ny tany dia maro ireo ezaka vita. Anisanâizany ny fanomezana âtitres fonciersâ miisa 6.476 (enina amby fitopolo sy efajato sy enina arivo) sy âcertificats fonciers â miisa 36.164 (efatra amby enipolo amby zato sy enina arivo sy telo alina) taminâny taona 2020.
Himasoana ny fampivoarana ny fanajariana ny tany eto amintsika aminâity taona 2021 ity ka asa fanorenana âguichets uniquesâ miisa 9 (sivy), toy ao Fianarantsoa, Andramasina, VohĂ©mar, Mampikony, Manja, Ambohimasoa, Andilamena, Toliara II, Mananara Avaratra. Atao koa ny fanavaozana ny trano ho anâny âServices fonciersâ miisa 4 (efatra).
Natomboka ny fanorenana trano fonenana ho anâny daholobe ka ireto Distrika 8 ireto no hisitraka izany : Fianarantsoa, Arivonimamo, Toamasina I, Antsiranana I, Mahajanga I, Antsirabe I, Morondava ary Nosy Be.
Efa vita ny fanamboarana ny trano fonenana 30 (telopolo) ho anâny daholobe ao Amborovy Mahajanga I. Efa natomboka ireo fanorenana trano 640 (efapolo sy eninjato) izay mitsinjara âlotsâ valo ao anatinâireto Distrika ireto : Arivonimamo, Antsiranana I, Toamasina II, NosyBe, Morondava.
Natomboka koa ny fanorenana tranobe miisa 3 (telo) aminâireto Distrika ireto : Antsiranana I, Toamasina II ary Fianarantsoa.
Efa natomboka koa ny fanorenana tranobe R+4 sivy, izay misy âappartementsâ 15 (dimy amby folo) ao Ivato, DistrikanâAmbohidratrimo, izay miisa 36 (enina ambinâny telopolo).
Vita tanteraka koa ny âtravaux de terrassementâ ny toerana hananganana tanĂ na vaovao izay mirefy 6 (enina) hekitara ao Ivato.
Vita tanteraka koa ny âtravaux de terrassementâ ny toerana hanorenana tranobe R+4 miisa 29 (sivy amby roapolo) izay mirefy 8 ha (valo hekitara) ao Ivato.
Efa natomboka ary mitohy aminâity taona ity koa ny fanadihadiana aminâireo toerana hananganana tanĂ na vaovao eto aminâny nosintsika.
4.9. Eo aminâny lafiny angovo
Singanina manokana ny fandraisana anjara aminâny ady aminâny Covid-19 ka nanampiana ireny CTC-19 maro teto aminâny Nosy.
Nanaovana ezaka ihany koa ny fampitaovana Groupes Electrogenes ny CHU, ny CHRR, ny CHD ary CSB aminâny Faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro.
Efa natomboka ny fampitaovana Centrale Photovoltaique 10 KVA ny CSB, CHRD, CHRR, CHU aminâny Faritra maro, toa anâAnalamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fito Vinany, Atsimo-Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anosy, Androy, Ihorombe, DIANA ary Menabe.
Distrika 99 (sivy amby sivifolo) no nisitraka ny fanazavana ny lĂ lana aminâny tanan-dehibe taminâny alalanâny tetikâasa âĂ©clairage publicâ. Jiro miisa 4.478 (valo amby fitopolo sy efa-jato sy efatra arivo) no voapetraka taminâizany.
4.10. Eo aminâny sehatry ny Paositra sy ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra
Nanao ezaka maro ny fitondram-panjakana eo aminâny fampiroboroboana sy ny fanatsarana ny tolotra ho anâny vahoaka Malagasy. Nanombohana izany ny fanavaozana tanteraka ny biraonâny Paositra etsy Antaninarenina izay sady foibe no paositra modely ho anâireo hafa rehetra. Tsy mijanona eto Antananarivo anefa izany fanatsarana izany fa natao manerana ireo distrika maro eto Madagasikara, toy ny any Antalaha, Antsiranana I, Mahajanga I, Fianarantsoa I, Toliara I ary hitohy hatrany ireo mandritra ity taona 2021 ity ho fanatsarana ireo tolotra ho anâny mpanjifa.
Madagasikara mivoatra no tanjona. Eo ireo tetikasa âSmart villageâ izay fametrahana connexion internet isaky ny distrika izay tsy mbola manana izany. Efa tafapetraka ny any Ambatondrazaka, Ambatofinandrahana, Fandriana, Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Taolagnaro, Ankazoabo, Farafangana, Vangaindrano, Ambato-Boeny, Tsiroanomandidy, Fenoarivobe, Manja, Mampikony, Port-BergĂ© ary Antanifotsy.
Aminâizao fotoana izao mbola ny 16% ny mponina eto amitsika no manana fahafahana mampiasa ny Internet. Mbola ambany izany raha aminâizao vanim-potoana iainantsika izao satria lalana iray ahafahanâny olom-pirenena mahazo sy manaraka ny vaovao misy eto an-toerana sy ny any ivelany izany. Izay indrindra no nahatonga ny fitondram-panjakana nametraka ary manaparitaka ireny Hotspots ireny ahafahana mahazo ny connexion Internet maimaimpoana manerana anâi Madagasikara.
Natomboka tany Manakara izany ny volana oktobra 2020. Dimampolo mahery aminâizao fotoana izao ireo toerana misy ny Hotspot manerana anâi Madagasikara ary maherinâny fito alina no mampiasa izany. Ankoatra ny eto aminâny faritra Analamanga dia efa manana izany ihany koa ohatra ny any Fenoarivo Atsinanana, Ambatondrazaka, Ambatofinandrahana, Ihosy, Vohipeno, Ambositra, Ambilobe sy ireo distrika maro hafa.
Mitohy hatrany ny fampiasana ny âe-Paiementâ nandoavana ireo fanampiana isan-karazany toy ny Tosika fameno, Vatsinâankohonana. Eo ihany koa ireo mandray ny pension, ny caisse Ă©cole, ny vatsim-pianarana. Efa maro ireo asa vita ireo fa mbola maro ihany koa ny asa miandry raha ny fifandraisana sy ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra no resahina. Isany misongadina aminâity taona ity ny fametrahana ireo âRelais Posteâ any Kandreho, Mandritsara, Sainte-Marie, Fort Dauphin, Antsohihy sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny fanavaozana ireo biraonâny Paositra ao Ihosy, Ambovombe, Antalaha, Antsiranana, Manakara, Fianarantsoa ary Fenerive Atsinanana.
Farany, tsara ny manantitra fa politikanâny fitondram-panjakana iatrehana ny famelomanâaina ny toe-karena (relance Ă©conomique) ny fampiasana vola aminâny fanamboarana fotodrafitrasa maro isankarazany maneranâny Nosy. Miteraka asa vaovao maro izy ireny ho anâny tanora eranâny firenena. Mampidi-bola ihany koa ho anâny orinasa maro eto amintsika no sady mampidi-bola ihany koa ho anâny fianakaviana maro izay miasa mivantana aminâireny orinasa na tetikasa ireny. Ao koa ireo izay misitraka ankolaka ny fampidiram-bola kirakiraina izay azo avy aminâny tombontsoanâny fampiasam-bolam-panjakana aminâizao fanomezana aina vao ny toekarena eto amintsika izao.
Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny ezaka rehetra natao moa dia ho tombotsoam-bahoaka. Koa ankoatranâny fihariana dia tsy natao latsa-danja ny sosialimbahoaka.
5. Ny lafinâny Sosialy
5.1 Eo aminâny sehatry ny Fanabeazana sy Fiofanana ho anâny rehetra
Eo aminâny fanabeazam-pirenena dia politika ankapobenâny fanjakana ny hanatsara hatrany ny kalitaonâny fanabeazana eto amintsika.
EPP manarapenitra miisa 30, CEG 8 ary LycĂ©e miisa 6 no nokasaina haorina ny 2019. Ny taona 2020 dia 10 taminâireo EPP manarapenitra (Ambatondrazaka, Ambilobe, Betafo, Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mahajanga I, Toliara I, Ambositra) sy LycĂ©e 5 (Antsiranana I, Toamasina II, Toliara II, Vohipeno, Ambato-Boeny) no efa vita na an-dĂ lam-pahavitana.
Sekoly EPP misy efitrano 2 no natsangana ary maro ireo Distrika no misitraka izany, toy : Ambatolampy, Andramasina, Antananarivo Atsimondrano, Antanifotsy, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Manjakandriana, Ambalavao, Ambanja, Ambatofinandrahana, Ambatondrazaka, Ambilobe, Amboasary Atsimo, Ambohidratrimo, Ambohimahasoa, Ambositra, Ambovombe Androy, Ampanihy, Amparafaravola, Analalava, Andilamena, Anjozorobe, Ankazobe, Anosibe AnâAla, Antalaha, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Antsiranana I, Antsiranana II, Antsohihy, Arivonimamo, Bealanana, Bekily, Beloha, Beroroha, Betroka, Port BergĂ©, Brickaville, Fandriana, Farafangana, Fenoarivobe, Fianarantsoa, Iakora, Ihosy, Ikalamavony, Ikongo, Isandra, Ivohibe, Lalangina, Maevatanana, Mahabo, Mampikony, Miandrivazo, Miarinarivo, Moramanga, Morombe, Morondava, Nosy Be, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Taolagnaro, Toamasina II, Toliara I, Toliara II, Tsaratanana, Tsihombe, Tsiroanomandidy, Vangaindrano, Vatomandry, Vavatenina, VohĂ©mar, Vohibato, Vohipeno, Vondrozo, Manandriana, Mananjary, Mandoto, Mandritsara, Maroantsetra, Mahajanga I, Mahajanga II, Marovoay ary Ambato-Boeny.
Etsy andaninâizay kosa ireo sekoly EPP misy efitrano 12 ka hatraminâny 24 izay efa vita na andalam-pahavitĂ na, toy ny ao : Ambatondrazaka, Ambilobe, Betafo, Farafangana, Fenerive-Atsinanana, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mahajanga I, Toliara I, Ambositra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Bealanana, Brickaville, Fianarantsoa, Ihosy, VohĂ©mar.
Ny sekoly ambaratonga faharoa indray kosa izay miisa 8 dia an-dalana avokoa ny asa aminâireto Distrika manaraka ireto: Ambalavao, Antananarivo Renivohitra, Mahajanga I, Miarinarivo, Morondava.
Azontsika tarafina aminâizany ny ezaka atao hamerenana hatrany ny hasinâny fanabeazana, ary tsy latsa-danja ny fandraisana mpampianatra.
Eo aminâny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arakâasa dia ny fananganana ivo-toerana fampiofanana arakâasa manara-penitra no tanjona apetraka.
Centres de Formation Professionnelle de RĂ©fĂ©rence miisa 5 (dimy) misy efitrano 12 avy no efa vita ao Bealanana, Ihosy, Tsihombe, Vatomandry ary Betafo. Atao ihany koa ny famatsiana fitaovana ho anâireo toeram-panofanana ireo mba ahafahanâny mpianatra manantanteraka fampiharana.
Mitohy hatrany ny fandraisana mpampianatra sy mpiasa ho mpiasam-panjakana isan-taona.
Eo aminâny fampianarana ambaratonga ambony dia oniversite maro no natsangana ahafahanâireo mpianatra manohy ny fianarany any aminâny faritra ary ahafahana mitrandraka sampam-piofanana mifandraika aminâny zava-misy sy filĂ na ara-toekarena sy ara-piaraha-monina any an-toerana. Oniversite vaovao no an-dalam-panorenana ao anatinâireto Distrika ireto : Soavinandriana Itasy, Fenerive-Atsinanana Analanjirofo, Antsirabe Vakinankaratra, Antalaha SAVA, Antsohihy Sofia, Morondava Menabe, Maintirano Melaky, Taolagnaro Anosy.
Ankoatra ireo Oniversite atsangana ireo dia eo ihany koa ireo tranonâny mpianatra izay arenina na aorina mba hitsinjovana ireo mpianatra avy lavitra toa ny any Toliara, Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo, Antsirabe, Soavinandriana, Morondava ary Fenerive-Atsinanana.
Ezaka manokana no atao aminâizao fotoana izao mba andraiketana ara-kajy mirindra ireo mpianatra sy mpandraharaha eny anivonâny Oniversite manerana ny nosy. Izany no natao dia mba ahafahana manamarina sy manadio ny isanâireo mpianatra misitraka vatsim-pianarana sy mpandraharaha mandray karama.
5.2 Eo aminâny sehatry ny Fahasalamana
Zo fototra ho anâny olombelona ny fahasalamana ka natao vaindohan-draharaha hatrany. Arakâizany dia tontosa ireo asa fanorenana sy fanatsarana maro teo aminâireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana na dia teo aza izany ady goavana natrehanâny firenena izany.
Efa an-dalam-panatanterahana avokoa ny asa fanamboarana sy ny fampitaovana ny Centre Hospitalier de RĂ©fĂ©rence de District (CHRD) miisa 14 aminâireto distrika ireto : Anivorano Avaratra, Antsalova, Ambohimahasoa, Analalava, Beloha, Mandritsara, Mampikony, Manandriana, Ankilizato Mahabo, Ivohibe, Iakora, Tanambao Manampotsy, Vohibato, Vondrozo. Trano fonenana sy efi-tranonâny Mpitsabo mpiandry raharaha vaovao miisa 14 no efa eo an-dalam-panorenana eny anivonâireo Hopitaly Manarapenitra vaovao ireo.
Efa saika vita avokoa ireo CSBII 10 (folo) natomboka taminâny 2019, dia ny ao Ambatomitsangana Soavinandriana, Sendrisoa Ambalavao, Ranohira Ihosy, Mahatsara Ambatondrazaka, Ambonivohitra Ambatondrazaka, Talatanangavo Ankazobe, Manjarivo Manakara, Motombositra Beloha, Antetezamintsina Andapa, Ankaratra Ambilobe.
Misy CSB II 8 (valo) hafa koa vao naorina taminâny taona 2020 no vita na eo am-pamaranana ny asa fanamboarana ankehitriny. Ireo asa fanorenana rehetra ireo dia notanterahina tao Ambodirano Vondrozo, Manja, Sampoina Amboasary-Atsimo, Maroalopoty Ambovombe, Antselibe Bekily, Marovato Tsihombe, Beahitsy Ampanihy. Ny CSB II ao Bekodoka Besalampy kosa dia nandalo fahasahiranana ny asa fananganana, efa mizotra aminâny fanohizana ny asa isika ankehitriny.
CSB II miisa 18 ihany koa no novatsiana fitaovana fitsaboana ary fitaovam-pandrindrana asa. Ankehitriny, ireo fitaovana ireo dia efa tonga eny anivonâny Distrika momba ny Fahasalamam-bahoaka (SDSP) tsirairay avy : Itasy miisa 1, Matsiatra Ambony 1, Ihorombe 1, Alaotra Mangoro 2, Analamanga 1, Vatovavy Fitovinany 1, Androy 4, SAVA 1, DIANA 1, Atsimo Atsinanana 1, Melaky 1, Menabe 1, Anosy 1, Atsimo Andrefana 1.
Trano fonenana sy efi-tranonâny Mpitsabo miandry raharaha vaovao any aminâny faritra 14 no naorina eny anivonâny CSB II sy CSB I miisa 19 ka ny 11 aminâireo dia efa vita tanteraka, ary ny ambiny kosa dia saiky eo an-dalam-pahavitĂ na. Nisitraka izany fanorenana trano izany ny ao aminâny CSB II Maintirano, CSB II Ambatomitsangana, CSB II Sendrisoa, CSB II Ranohira, CSB II Mahatsara Ilafy, CSB II Ambonivohitra, CSB II TalatanâAngavo, CSB II Manjarivo, CSB I Antselibe, CSB I Antetezanitsina, CSB II Ankaratra, CSB II Ambodirano, CSB II Bekodoka, CSB II Manja, CSB II Sampoina, CSB II Maroalopoty, CSB II Motombositse, CSB II Marovato, CSB II Beahitse.
CSB II miisa 18 no nametrahana âpanneaux solairesâ mba hamatsy herinâaratra azy ireo, dia ao anatinâireto faritra ireto izany : Itasy 1, Matsiatra Ambony 1, Ihorombe 1, Alaotra Mangoro 2, Analamanga 1, Vatovavy Fitovinany 1, Androy 4, SAVA 1, DIANA 1, Atsimo Atsinanana 1, Melaky 1, Menabe 1, Anosy 1, Atsimo andrefana 1.
Mahakasika ny Foibe Famindrana Voa (Centre de transplantation rĂ©nale) etsy aminâny CHU Andohatapenaka dia efa mandeha ny asa fanorenana.
Efa mandeha ihany koa ankehitriny ny asa fanorenana toeram-pitsaboana amin`ny rano mafana (Centre thermal) any Betsiaka, Ambilobe.
5.3 Eo aminâny sehatry ny rano
Distrika maro manerana ny Nosy no mijaly rano nandritry ny fotoana maharitra satria tsy ampy ny fampitaovana sahĂ za ho aminâizany kanefa ny isanâny mponina sy ny tanan-dehibe dia tsy mitsahatra mitombo hatrany.
Nanomboka ny taona 2019 dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hanao fotodrafitrasa hamatsiana rano fisotro madio ny Distrika rehetra aminâny alalanâny asa fanorenana vaovao na fanitarana ny efa misy.
Mihoatranâny 40 (efapolo) ny district no nanombohana ny asa hatraminâizao, dia ireto avy : Ambanja, Antalaha, Vohemar, Antsiranana, Antsohihy, Mandritsara, Mampikony, Soalala, Ambato Boeny, Marovoay, Antananarivo, Ankazobe, Manjakandriana, Ambatondrazaka, Mananara Avaratra, Fenerive Atsinanana, Vatomandry, Antsirabe, Mandoto, Antanifotsy, Soavinandriana, Miarinarivo, Tsiroanomandidy, Maintirano, Morafenobe, Belo-sur-Tsiribihina, Miandrivazo, Mahabo, Morondava, Mananjary, Ifanadiana, Farafangana, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ambalavao, Ihosy, Ambovombe, Beloha, Betroka, Ampanihy, Ankazoabo. Ary hanomboka tsy ho ela ny ao Kandreho, Manja, Taolagnaro, Bekily, Ivohibe, Iakora.
Mifanindran-dalana aminâizay ihany koa ny fampidirana rano fisotro madio eny anivonâny Renivohitry ny Kaomina maromaro hanatrarana ny fahazahoanâny 60%-nâny mponina rano fisotro madio aminâny taona 2023.
Mahakasika anâAntananarivo manokana, 300.000 m3 isanâandro no filĂ na ara-drano kanefa 200.000 m3 no vokatra isanâandro. Araka izany dia misedra tsy fahampian-drano isanâandro eo aminâny 100.000 m3 ny vahoakanâAntananarivo. Ireto ny vahaolana naroso :
- ny fanamboarana fotodrafitrasa mamokatra 40.000 m3 isanâandro ao Mandroseza ahafahanâny vahoaka misitraka rano na maintany aza
- ny fametrahana forage miisa 10 (folo) âĂ gros dĂ©bitâ 2.400 m3 isanâandro izay manome 24.000 m3 isanâandro
- ny fanamboarana paompin-drano 46 (enina amby efapolo) avy aminâny forage madinika izay hita eny aminâny fokontany saro-drano
- ny fanatsarana ny fantsona sy fampitomboana ny rano hovokarina ka hahasahana ny tsy fahampian-drano miaraka aminâny tetikasa Tana Water III.
5.4 Eo aminâny sehatry ny fampivoarana ny Tanora
Araka ny fampanantenana nataonâAndriamatoa Filohanâny Repoblika, ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena izay manaja ny fenitra iraisam-pirenena dia efa nanomboka aminâny faritra maro manerana ny Nosy.
Misy aminâireo fotodrafitrasa ireo no efa vita ankehitriny ary maro no mbola eo andalam-panamboarana, toy ny :
- Kianja Barea eo Mahamasina
- Kianja manarapenitra ao Barikadimy Toamasina
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery roa arivo ao Sambava
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery arivo, miisa 15 (15 gymnases de 1.000 places) ao Antalaha, Antsohihy, Mandritsara, Maintirano, Mahanoro, Fenerive Atsinanana, Betafo, Ihosy, Ikongo, Manakara, Farafangana, Sakaraha, Ampanihy, Ambovombe ary Taolagnaro
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery efatra arivo, miisa telo (3 Gymnases de 4.000 places) ao Toamasina I, Mahajanga I ary Toliara I
- Dobo filomanosana Olaimpika, miisa roa any Mahajanga sy Toliara ary mahazaka mpijery arivo isa (1.000 places)
- Kianja manarapenitra miisa telo-polo (30)
- Tranonâny tanora izay efa vita ao Vatomandry, ary misy eo an-dalam-pahavitana ao Lalangina sy mbola ho atomboka ao Sakaramy sy Manjakandriana
- Ivo-toerana ho anâny tanora sy ara-panatanjahan-tena izay haorina tsy ho ela ao Mahazoarivo Isandra sy Ankazoabo Atsimo.
Ireo fotodrafitrasa ireo no natao dia ho fitsinjovana sy ho fampiroboroboana ny tanora sy ireo mpikatroka fanatanjahan-tena any aminâny faritra rehetra eto aminâny Nosy mba ahafahanâizy ireo ihany koa handray lalao goavana sy lalao iraisam-pirenena ary indrindra ho fanatanterahana ny Veliranonâny Filoham-pirenena mba hanandratana avo ny fanatanjahan-tena malagasy ho fampisondrotana ny voninahim-pirenena.
5.5 Eo aminâny sehatry ny Serasera sy Kolontsaina
Isanâny zo fototry ny olom-pirenena ny mahazo vaovao indrindra mahakasika ny fiainam-pirenena araka ny voafaritry ny LalĂ mpanorenana malagasy. Distrika maro no tsy afaka nisitraka izany noho ny faharatsianâny fotodrafitrasa.
Noho izany, nohavaozina ny Ă©metteurs TV sy radio miisa 74 (efatra amby fitopolo) aminâny distrika sy tanĂ na miisa 54 (efatra amby dimampolo) toy ny Antsalova, Antsirabe, Foulpointe, Marovoay, Miarinarivo, Nosy Be, Beroroha, Besalampy, Betafo, Nosy Varika, Belo sur Tsiribihina, Vangaindrano, Vohipeno, Maintirano, Mitsinjo, Tsiroanomandidy, Iakora, Ampanihy, Ikalamavony, Sainte-Marie, Ambohimahasoa, Marolambo, Ambatomainty, Ambatofinandrahana, Mananjary, Anosibe An'Ala, Ambatondrazaka, Andilamena, Port-BergĂ©, Soalala, Ivohibe, Manja, Ikongo, Taolagnaro, Ambovombe, Ihosy, Ambositra, Ifanadiana, Miandrivazo, Mahabo, Antanifotsy, Benenitra, Bezaha, Betroka, Ambanja, Fianarantsoa, SoanieranâIvongo, Amboasary, Vatomandry, Anivorano Nord, Fenoarivo Atsinanana, Ambatoboeny, Manakara.
Ny fampivoarana ny kolontsaina eto Madagasikara dia nifototra taminâny fanavaozana ireo toerana manan-tantara eto amintsika. Araka ny hitantsika dia narenina ny Rovanâi Madagasikara, RovanâIlafy, Rovanâi Tsinjoarivo, RovanâAmbohimanga, RovanâAntongona, Rova Ambositra, Lapanâny Mpanjaka Tetembola Saint-Augustin, Palais Royal Farafangana, Palais Royal Andavakotoko Nosy Be, Palais du Roi Andriamanalina Isandra, Palais du Roi Ramaharo Vohimasina Lalangina, Palais du Roi Raindratsara Lalangina, Palais Tranovola Vohipeno, Vavahadinâny Rova Ambohimanga, Place Bien AimĂ©e Toamasina I, Manda Foulpointe, Tombeau Ampasamanatongotra Miarinarivo, Mozea ao Moramanga, fasan-dRainiharo, Tribunal Ambatondrafandrana, Mozea Vavitiana Ampasimazava, Mozea Rainilaiarivony, Mozea Moramanga, Mozea Masianaka Vangaindrano, LapanâAndafiavaratra.
Mbola eo ny fanatsarana Trano Lefona Ambovombe, ny Zomba Bezavo Mitsinjo, ny Zomba anâAndriamisara efadahy Ankilivao ary ny tranonâny kolotsaina Analakely. Mbola maro ireo an-dalam-panatanterahana izay ilĂ na ezaka avy amin`ny fahefana mpanatanteraka. Ankoatra ireo efa an-dalam-panatanterahana ka vinavinaina ho vita amin`ity taona ity ihany koa ny trano fihaonan`ny mpanao gazety izay hatao hivoriana sy ivo-toerana fanofanana azy ireo (Maison de la Presse). Hisy ihany koa ny fananganana ny ivo-toerana TosikâArt ao Maevatanana, Antsirabe, Tsiroanomandidy, Mananjary, Miarinarivo, Ihosy, Sambava, Ambovombe ary Taolagnaro hampivoarana ny tanora eo amin`ny lafiny kolotsaina.
Hanomboka aminâity taona ity ihany koa ny asa fanarenana anâireo Trano Mahitsielafanjaka, Lapa Manampisoa ary Lapa Tranovola ao amin`ny Rovan`i Madagasikara. Tanjona ny hanatrarana ireo vinan`ny Filoham-pirenena hametraka tantara ho tombotsoan`ny taranaka.
5.6 Eo aminâny sehatry ny fiahiana ny mponina
Toy izao ny ezaka efa natao hatraminâny taona 2020 :
ï Fanokafana ny toeram-pisakafoanana âKaly Tsinjoâ ho anâny marefo ara-pivelomana tao aminâny distrika 12 (roa ambiny folo) Antananarivo Renivohitra, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary, Betroka, Ampanihy, Toliara, Fenerive-Atsinanana, Toamasina I, Fianarantsoa I
ï Fananganana biraom-panjakana hanatsarana ny asan`ny Ministera misahana ny Mponina miisa fito-ambiny folo (17) any aminâireto distrika ireto : Andilamena, Vohibato, Isandra, Ikongo, Mampikony, Ihosy, Antsiranana II, Mahajanga II, Besalampy, Benenitra, Manandriana, Fenoarivobe, Mandoto, Andapa, Soavinandriana, Befotaka, Vondrozo
ï Fananganana ivotoerana fikarakarana ny zokiolona eto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa sy Toliara
ï Fananganana ivotoerana miisa 5 no kasaina mahakasika ireo niharanâny herisetra mifototra amin`ny maha-lahy sy ny maha-vavy any Farafangana, Mahajanga I, Ambovombe, Ihosy ary Antananarivo
ï Fananganana ivotoerana miisa telo (3) fihainoana sy fanoloran-kevitra araky ny lalĂ na any Beloha, Amboasary-Atsimo sy Miarinarivo.
ï Fananganana ivotoerana fandraisana an-tanĂ na sy fanofanana ireo olona manana fahasembanana miisa efatra (4) any Manakara, Toamasina I, Moramanga sy Morondava
ï Fananganana ivotoerana fandraisana vonjimaika ny ankizy tsy misy mpiahy any Nosy be
ï Fanohanana indrindra ny tanora vavy sy lahy amin`ny asa fanatsarana ny fari-mpiainany. Izany dia tanterahana amin`ny fanomezana fitaovana fanjairana, fambolena sy fiompiana, asa tanana, sns. Distrika 80 (valopolo) no misitraka anâizany taminâiny taona 2020 iny
ï Fanampiana ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any Amboasary, Ambovombe, Beloha, Tsihombe, Betroka, Bekily, Ampanihy, Antananarivo I, Toamasina I, Fianarantsoa, Toliara ary Fenerive-Atsinanana
ï Fandaharan`asa fampindramam-bola ho an`ny fampandrosoana ny olombelona any aminâny distrika 13 (telo ambiny folo) ireto : Faratsiho, Betafo, Ambohimahasoa, Vohipeno, Toamasina II, Mahanoro, Betioky, Toliary II, Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily
ï Fandaharan`asa ara-tsosialy mamokatra (FSP) izay manampy tokantrano any aminâny Distrikanâi Arivonimamo, Manandriana, Vangaindrano, Isandra
ï Ao anatinâny sehatra Vola TakalonâAsa dia fanarenana ny fotodrafitrasa voan`ny voina ao aminâny distrika Vatomandry, Manakara, Isandra, Ankazoabo Atsimo, Antananarivo Renivohitra no notanterahana.
5.7 Eo aminâny fiatrehana ny ady aminâny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo
Iaraha-mahalala ny fahasahiranana na ny fahantranâireo Malagasy mpiray tanindrazana any Atsimo nandritry ny taona maro nifandimby. Fotoana izao hijerena sy handrosoana vahaolana maharitra ho fampandrosoana ny any Atsimo. Tsy hijanona fotsiny intsony isika aminâny vahaolana fohy ezaka ao anatinâny hamehana noho ny voina samihafa (urgence humanitaire) fa hametraka drafitra manokana ahafahanâny mponina miavo-tena (rĂ©silience) aminâny lafiny rehetra ary hateveninana izany aminâny alĂ lanâny fanamboarana fotodrafitrasa fototra hitondra ho any aminâny fandrosoana (dĂ©veloppement) ao aoriana.
Ny dinika tany Atsimo taminâny faha-11 sy 12 jona 2021 dia nandraisana ireto fanapahan-kevitra izay voasoritra ao anatinâny tetikasa fampandrosoana ny any Atsimo (Plan Emergence Sud Madagascar) ireto :
- Fametrahana Fantsombe fitarihan-drano (Pipeline) : Efaho, Mandrare-Sampona ary fananganana orinasa fanamboarana kitapondrano madio fisotro, afaka mamatsy olona miisa 60 000 (enina alina) isanâandro
- Fanamboarana ireo lĂ lam-pirenena RN13, RN12A ary RN10
- Fametrahana ivotoerana lehibe famokarana herinâaratra avy aminâny masoandro (Parc solaire) ao anivonâny Distrika rehetra any Atsimo
- Fametrahana Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana (Centre de RĂ©habilitation Nutritionnelle et MĂ©dicale - CRNM), izay toerana hitsaboana, hampisakafoanana sy hitehirizana vatsy ara-tsakafo
- Fametrahana tetikasa fandrindrĂ na fiainam-pianakaviana (planning familial) ary fametrahana hopitaly manara-penitra izay vatsina fitaovana mifanaraka aminâny fandrosoana, toy ny Scanner ao Taolagnaro
- Fanorenana orinasa mamokatra famenon-tsakafo (Nutriset)
- Fanohizana ny ezaka fanatsarana ny fampianarana
- Fanamboarana fotodrafitrâasa ara-panatanjahantena
- Fametrahana BOA sy DSS maro sy Angidimby iray any Atsimo
- Fanamboarana biraonâny kaominina sy tranom-pokolonona maro
- Fanomezan-tosika ny famokarana aminâny alĂ lanâny fanatsarana ny famokarana hena (Feedlot), fametrahana tetikasa âTitre vertâ
- Fikajiana sy fanarenana ny tontolo iainana (Ceinture Verte)
- Tetikasa âFiharianaâ : Fanampiana ny fampiroboroboana voly mangahazo aminâny velaran-tany mirefy 70.000 hekitara.
Tsara marihina fa efa misy ny asa natomboka aminâireo voalaza ireo, misy ihany koa ireo an-dalam-pamolavolana ny fanatanterahana azy. Fanamby lehibe ny hahavitantsika azy rehetra ireo.
Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Izany raha fehezina ny fotoana nolalovantsika sy ny fanantanterahana ny vinavinanâasa taminâny taona 2020 ka hatraminâizao.
Nanampy taminâny lafinâny fifandraisana aminâny any ivelany ny diplomasia Malagasy, fa indrindra indrindra nandritry ny fotoana niatrehatsika ny valanaretina. Nanamora ihany koa ny fifampiresahana aminâny masoivohonâny firenana avy any ivelany izy.
Alohanâny hamaranako ny famelabelarana dia misaotra anareo manokana aho sy ny governemanta manontolo taminâny fanomezan-tĂ nana ka tsy nisalasalanareo nirotsaka an-tsehatra nanampy taminâireo asa sy ireo hetsika rehetra ireo.
Nibahana teo aminâny fiainam-pirenentsika sy izao tontolo izao ity valanaretina Covid-19 ity. Toy izany ihany koa ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Kanefa ireny no ezaka natao ary mbola ho tohizana.
Na teo aza ireny krizy isankarazany ireny izay nitondra hisatra, ahiahy sy tebiteby teto amintsika dia tsy nojerim-potsiny ny fiainam-pirenena aminâny ankapobeny. Notohizantsika araka izay fahafahana manao izany ireo tetikâasa rehetra voasoritra tao aminâireo Velirano 13 nataonâny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.
Heno sy hitanareo teo izy ireny, hitanareo any aminâny Faritany nahavoafidy anareo koa. Hitanâny vahoaka ihany koa. Ekenay fa tsy misy ny fanaperana, fa azontsika atao ny mandrefy ny ezaka hitondrana vahaolana, hanarenana ny vokatry ny fahatarana maro teto aminâny firenena. Manana finiavana isika hanova ny tantaranâity firenena iombonana ity.
Mbola eo am-panohizana izany rehetra izany izao ny fitondram-panjakana ary manamafy ny ezaka hanatrarana ireo tanjona voasoritra sy efa nambara hatrizay nanomboka ny taona 2019 tao anatinâny Politika Ankapobenâny Fanjakana.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.