]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Praiminisitra Ntsay Christian. « Miatrika fanamby maro ny firenena »

Praiminisitra Ntsay Christian. « Miatrika fanamby maro ny firenena »

Ny Praiminisitra Ntsay Christian

Mahazoarivo, 16 novambra 2020. Namory an’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny nosy (« Organisme Mixte de Conception OMC – National ») teto amin’ny Lapam-panjakanan’i Mahazoarivo, androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, momba ireo fepetra maro lafy samihafa, tsy maintsy horaisina ao anatin’ny fametrahana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena.


Notsiahiviny, amin’ny maha-Lehiben’ny governemanta azy, fa vovonana iray andinihana mahakasika ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena ny « OMC », ary amin’izao fotoana izao indrindra dia maro ireo zavatra tsy maintsy atrehina ho fanamby ka ilaina tohizana ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana. Isan’izany ohatra ny fanomanana ny fifidianana izay hotanterahina amin’ny faha-11 desambra ho avy izao, satria araka ny Lalàmpanorenena dia hifarana ny fepotoana iasan’ireo Loholon’i Madagasikara, ka nojerena ny fandraisana andraikitra isan-tsokajiny mba hahatomombana izany fifidianana izany, araka ny  tanjona napetraka.


Nojerena nandritra izao fivoriana izao ihany koa, hoy ny Praiminisitra, ny mahakasika ireo toe-javatra manahirana miseho amin’ny endriny samihafa manerana ny nosy, toy ny halatr’omby, ny firongatry ny herisetra atao amin’ny olombelona, ary ny trangam-piaraha-monina hafa, izay samy nandraisana fanapahan-kevitra androany avokoa.


Miatrika fanamby maro ny firenena, hoy ihany ny Lehiben’ny governemanta, ary iaraha-mahalala fa maro toy izany koa ireo ambana misy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiatrehana ny doro tanety sy ny heloka isan-karazany mahakasika ny fanimbàna ny tontolo iainana, eo koa ny ambana amin’ny asa fampihorohoroana ; ary adidin’ny « OMC » ny mifehy an’izany rehetra izany ao anatin’ny fampanjakana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.


Nanamafy ireo fepetra noraisin’ny filankevitry ny Minisitra mikasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanolanana zaza tsy ampy taona ihany koa ity fivoriana ity, tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra momba ny hamerenana ireo ivon-toerana fanabeazana ny ankizy voaheloka, ary nojerena akaiky ny hanafainganana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy fiampangàna olona meloka rehetra, mba tsy hisian’ny fanalefahana sazy  sy ny fanomezana fahafahana vonjy maika raha voamarina ny fahamelohana.

Ireo mpikambana ao amin’ny « OMC », hoy ny Praiminisitra, no handray an-tanana ny fanaovana fanentanana sy fanazavàna ny andinin-dalàna mahakasika izany, eny anivon’ny fiaraha-monina, eny anivon’ny Fitsaràna, ary eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, mba hisorohana an’ireo zavatra voalaza ireo (…).

Ny Serasera ao amin’ny Primatiora

Mis à jour ( Mercredi, 18 Novembre 2020 09:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA