]
Les quotidiens du 02 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Augustin Andriamananoro MAPAR: “Ny Filohan’ny Repoblika no mankato ny fanendrenay ny PM”

Augustin Andriamananoro MAPAR: “Ny Filohan’ny Repoblika no mankato ny fanendrenay ny PM”

Augustin Andriamananoro dia Filoha lefitra nasionalin'ny MAPAR (Miaraka amin'ny Prezidà Andry Rajoelina). Fanambarana mikasika ny fanendrena ny Praiminisitra voalohan'ny Repoblika malagasy faha-IV.

« Mazava moa iny, ny fanambarana ny didy izay navoakan’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenena (Ttf: HCC), manazava ilay andininy faha-54, hoe: ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera dia izay nànana ny Depiote maro an’isa indrindra ary niforona tao anatin’ny fandrotsahana ireo antonta taratasy nametrahana azy ho olom-boafidy.

Ny MAPAR izany ankehitriny no tompon’ny maro an’isa. Rehefa manolotra io Praiminisitra io ny MAPAR dia tsy maintsy jerena daholo izany ny andininy voalazan’ny lalàna mikasika ny fomba fomba mikasika izany fametrahana izany PM izany. Tsy maintsy manara-penitra izany isika.

Ny dikan’izany dia tsy ataotao foana io zavatra io. Madagasikara koa tsy lany olo-manga dia efa misy izany, ankehitriny, ny fampidinihina ary efa fantapantatra ihany hoe iza izay ho olona mifandraika amin’izay hoe iraka ilain’ny firenena hisahana ny andrim-panjakana eo anivon’ny governementa hitantana izany governementa izany.

Dia rehefa mitsangana izany ny ataontsika hoe “groupement parlementaire” dia hanana ny « groupement parlementaire-ny » ny MAPAR, ary izy io izany no hanao sonia ny taratasy amin’ny fomba ofisialy satria tsy maintsy hajain-tsika izany soatoavina mikasika izay fanolorana Praiminisitra izay. Izany hoe: ireo Depiote-ny MAPAR voafidy ao anatin’ny Antenimiera dia ho solontenan’ny “Groupement parlementaire”-ny MAPAR, amin’ny fametrahana izay taratasy izay amin’ny Filohan’ny Repoblika. Ka ny Filohan’ny Repoblika no mankato izay fanendrena izay ».

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy

 

Mis à jour ( Jeudi, 20 Février 2014 09:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON