]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Madagasikara Ceni-T. Tany tan-dalàna sa paradisan’ny tsy ara-dalàna ?

Madagasikara Ceni-T. Tany tan-dalàna sa paradisan’ny tsy ara-dalàna ?

Toa mitampi-tsofina mihitsy Ingahy Ralaiarivila, filohan'ny Ceni-T eo amin'io sary ambony io, marina!

Raha ingahy Hery Rajaonarimampianina no nanomboka nanitsaka ny lalampanorenana eo amin’ny andininy faha-54 dia nanaraka izany tsy fanarahn-dalàna daholo ny mpitondra malagasy sy ny manampahefana notendrena. Raha mikasika ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo, tsy dia olana mihitsy raha i Ramatoa Lalao Ravalomanana no lany. Saingy nisy tsy fanarahan-dalàna mibaribary be toa masoandro lohataona. Ingahy Ralaiarivila Ndrina Mamy, filoha vonjimaikan’ny Ceni-T moa dia toa jamba sy moana tanteraka mikasika io toe-javatra io.


Jereo tsara io biletà tokana io ambony io. Tamin’izaho nifidy dia nalaiko sary tamina téléphone tao anaty isoloir. Zoko izany ary zon’ny rehetra fa tsy io indray akory no handaniana fotoana hiadin-kevitra eo indray.

Ny Alarobia 12 Aogositra 2015 taminy fotoana namoahan’ny Ceni-T ny voka-pifidianana vonjy maika dia io ambany io no hita sy tazan’ny rehetra. Fa nankaiza ilay soratra menamena NENY ?


Araka ny voalazan’ilay « décret » laharana 2015-630, manova tanteraka ny « décret » laharana 2015-617 dia : tsy azo atao ny mametraka sary sy anarana sy fanampinarana ao amin’ilay biletà tokana.

Misy indray hilaza fa « anarana am-bositra » io Neny io. Ka na am-bositra na napetaka dia anarana foana io. Iza koa moa no tsy mahalala fa izany Neny izany dia i Lalao Ravalomanana ihany ? Mino marina aho, ary mino fotsiny ihany f’efa tany afrika atsimo, toerana nanontana ireo biletà tokana ireo no efa napetraka teo io Neny io, ho an’Antananarivo. Fa ny tany amin’ny faritra ivelan’ny renivohitr’i Madagasikara, tsy nisy io Neny io. Ary taiza moa i Marc Ravalomanana no nialokaloka rehefa nitsoaka avy teto amin’ny Nosy ?...

Ao anatin’ny lalàna koa dia manome alalàna hametraka fotoriana eny amin’ny « tribunal administratif » ireo kandida mahita sy mahatsapa fa misy ny tsy fanarahan-dalàna. Dia satria ve vadin’Ingahy Marc Ravalomanana, Dada, i Lalao Neny dia tokony avela amin’izao ? Rehefa hisy olona haka ny tranonano sy ny fanananao rehetra -efa nitranga ary mbola mitranga izany- dia hanaiky fotsiny koa ianao ?

« Tany tan-dalàna », hoy ny hirahira efa lasa dridrangilon’ny Filoha sy ny Praiministra amin’izao fotoana izao. Ka hampiaro ary ilay lalàna satria na ianareo ireo tsy amboniny mihitsy akory. Nefa moa, eto Madagasikara isika ka ny tsy ara-dalàna indray no lasa mahazo rariny. Ary hatramin’izay naha filoha an’i Hery Vaovao dia lasa paradisan’ny tsy ara-dalàna tokoa ilay Madagasikara tanindrazan-tsika malala. Ary tena ataony mahalala ny anarany tokoa anie e !

Fa ankoatra io resaka Neny hita sy nanjavona io dia be dia be ny tsy ara-dalàna sy tsy nety tamin’ny fifidianana natao ny 31 Jolay 2015 iny. Santionany iray efa toa mahazatra :

Misy mpifidy manana kara-pifidianana ary nifidy tamin’ny 20 Desambra 2013 fa tsy tao anaty lisi-pifidianana tampoka. Marihiko fa efa tratra io toe-javatra io izahay iray trano tamin’ny fididianana an’ny Pds Patrick Ramiaramanana ho ben’ny tanàna, ny taona 2003. 12 taona lasa izay.

Fa ny mbola tsy fahita hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara dia ity : kandida ho ben’ny tanàna tsy ao anaty lisi-pifidianana ! Fantatrareo izy ireo. Ary dia masahy manambara ny Praiminisitra sy ny filohan’ny Ceni-T fa « tratra ny tanjona ». Tanjon’ny fangalaram-bato angaha ? Misy fetrany sy farany daholo ny eto ambon’ny tany ry ingahirainy isany a !Sa ho eo mandra-maty? Izay indray no tsy takatry ny saiko.

Jeannot Ramambazafy – 13 Aogositra 2015

Mis à jour ( Jeudi, 13 Août 2015 11:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA