]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Raharaha “gazety ny marina”. Nanaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Profesora Ravonjiarison

Eo amin'ny sary avy any amin'ny avia miankavanana : Jeannot Ramambazafy, Gérard Rakotonirina, Pr Cousin Germain Ravonjiarison

Tontosa omaly talata 18 Febroary 2020 ny fihaonan'ny namana Jeannot Ramambazafy sy ny Profesora Ravonjiarison Cousin Germain izay olona tsy nifankafantatra mihitsy hatramin'izay. Rehefa nifanazava izy mianaka dia niara-niaiky fa tena nisy hevitra fampiadiana avy amin'ilay na ireo ao ambadik'ilay pejy “gazety ny marina” ao amin'ny facebook. Teo anatrehin'ny filohan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, sy ny tomponandraikitry ny sampana cybercriminalité ao amin'ny polisy no natao izay fialan-tsiny izay.

Mikasika ny pejy “gazety ny marina” dia efa miditra amin'ny lalin-dalina ny fikaroana ilay na ireo mahavita manompa Filoham-pirenena am-perinasa amina voam-bolana tsy voahevitra manala baraka ny fanaovan-gazety malagasy iray manontolo. Ny nanely ilay tsaho hoe nirodana ny tonelina Ambanidia aza tratra ka dia ny fanalam-baraka minisitra am-perin'asa sy lehibem-panjakana torak'izany indray ve dia havela amin'izao? Ary mitombo isa andro aman'alina ny olona efa mitory sy hitory ireo devoly mihevitra fa tsy ho tratra mihitsy.

Raha hiverenana kely ilay raharaha dia tsy ny namana Jeannot Ramambazafy mihitsy no nanamboatra ny “convocation” an'i Ny Rado Rafalimanana -tamin'ny 7 Febroary 2020 ary misy ny adiresiny eny Ambodiafontsy- natao tamin'ny anaran'ny Profesora Ravonjiarison fa ilay na ireo ao ambadik'ity “gazety ny marina” ao amin'ny facebook tsy manjary ity. Ary io anarana izay tsy fantatry ny namana Jeannot Ramambazafy io dia niniana nataon-dry zalahy solon'ny an'ingahy Ny Rado. Taty aoriana dia namoaka "lahatsoratra"  miaraka amina teny ratsy mahazatra azy ireo ao an-tokan-tranony koa angamba, notsipihina mihitsy hoe "Profesora Cousin Germain". Izany hoe olona mahafantatra ity Profesora ity ry zalahy ary miketrika zavatra hipoitra amin'ny fotoana tsy ampoiziny. Koa aleho aloha hiriorioa ry zalahy fa ny nenina moa aoriana maninona moa ?

Tsimba

La Gazette de la Grande île

19.02.2020

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30