]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Mialy Rajoelina, 08.01.2020. Ny Kabariny tao amin'ny CENHOSOA nomena "couveuses" roa

Mialy Rajoelina, 08.01.2020. Ny Kabariny tao amin'ny CENHOSOA nomena "couveuses" roa

****************************

Kabarin-dRamatoa Mialy R. Rajoelina, vadin'ny Filoham-pirenena,

Hopitalin'i Soavinandriana CENHOSOA

08 Janoary 2019


Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena,

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Hopitalin'i Soavinandriana,

Ianareo mpiasan’ny fahasalamana rehetra,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Fifaliana ho ahy ny mitsidika ity toerana ity taorian’ny fetin’ny krismasy sy amin’izao taona vaovao 2020 izao. Ho taonan’ny fahombiazana sy fahasalamana ho antsika tsirairay avy anie ity taona vao manomboka ity. Mirary soa manokana ho anareo eto amin’ny “Centre hospitalier de Soavinandriana” (CENHOSOA) ny tenako.

Enga anie ka mba hanamafy ny finiavana ao amin’ny tsirairay ity taona ity ka hilofo hatrany hanefa araka ny tokony ho izy ny adidy sy andraikitra ao anatin’ny fitsaboana sy fikarakarana ny Reny sy ny zaza ianareo. Masina loatra mantsy ity asanareo ity : manome aina, mitsabo ary mahavita manavotra aina mihitsy aza indraindray.

Tohina tanteraka ny fonay mivady raha nitsidika teto amin’ny “service pédiatrie et de néonatalogie” nandritra ny vanim-potoanan’ny krismasy teo iny. Nahaontsa loatra ny nahita fa ny “couveuses” roa misy eto dia natao ho an’ny zaza telo. Mampalahelo fa misy izany iray teo amin’izy ireo voatery ampiandrasina noho io tsy fahampian’ny fitaovana io. Fantantsika anefa fa tena mila fanaraha-maso akaiky ireo zaza tsy ampy volana ireo ary mila tazomina herinandro hatramin’ny iray volana ao anaty “couveuse” mba ahahafahany mitombo tsara sy mahatratra ny lanja tokony ho izy.

Vidiana lafo ny fotoana ho fitsaboana sy fiarovana azy ireo satria tena mikaonty hatramin’ny segondra mihitsy aza. Tsy azo ekena ary tsy azo eritreretin’ny saina mihitsy hoe zaza mila fitsaboana faran’izay haingana toy izany no ampandeferina tsy fidiny. Ka noho izany indrindra no nahatonga anay nanapa-kevitra hitondra ireto “couveuses” miisa roa ireto hatolotra am-pitiavana ho an’ny Hopitaly Soavinandriana.

Mankasitraka anareo rehetra mpiasan’ny Hopitaly anefa aho fa tsy mba nataonareo ho sakana tsy handrosoana izany olana ara-pitaovana izany.

Tsapako loatra hoe ohatra ny ahoana ny ahiahin’ny ray aman-dReny rehefa tsy salama izay ny menaky ny ainy. Efa niainako izany, efa nisedra izany aho. Tsaroako, tamin’ny zanako lahy vao teraka vao roa volana monja izy tamin’izay narary sempotra tsy maintsy nentina haingana namonjy ny « Service de réanimation pédiatrique » ary teto amin’ity hopitaly ity izy no notsaboina.


Eto aho dia mankahery anareo Ray sy Reny manana zanaka tsy salama, na ny eto amin’ity hopitaly ity na amin’ny toerana hafa manerana ny Nosy.

Ho anareo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana kosa hirariako mba ho am-pifaliana sy am-pamendrehena no hanatanterahanareo ny asa fa tena iankinana ary ilain’ireo ray aman-dReny ireo izany.

Mbola betsaka ireo fanatsarana tokony hatao, ny ara-pitaovana, ny fotodrafitrasa, ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Koa ndao àry hiara-hibanjina tanjona iray dia ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara izany, indrindra fa ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza.

Satria ny vahoaka salama sy tomady dia anisan’ny fanoitra ho an’ny fampandrosoana ary ny fahasalamana no voalohan-karena.

Mankasitraka Tompokolahy sy tompokovavy!

Mis Ă  jour ( Jeudi, 09 Janvier 2020 05:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30