Mandalo eny anivonâny Antenimieran-doholona eny Anosy rehefa avy nolanianâireo Solombavambahoaka ny volavolan-dalĂ na mahakasika ny teti-bolam-panjakana 2020. Manoloana izany nitondra fanazavana teo anatrehanâireo Loholona ireo ny fikambanana mpiompy sy mpandraharaha momban'ny fiompiana eto Madagasikara ny Zoma 06 Desambra 2019.
Nitondrana fanazavana taminâizany Andriamatoa Rabearivelo Andriamananarivo, Filohan'ny filankevim-pitantĂ nana ny MPE (âMalagasy Professionnels de l'Elevage" ex "Maison des Petits Ă©leveursâ), mahakasika ny fampiharana ny tataon-ketra TVA 20% aminâny katsaka sy ny faika fatao sakafo ireo biby fiompy. Aminâizao fotoana dia ambany ny tahanâny fanjifana ny vokatra ny fiompiana eto Madagasikara.
Atody miisa 19 isan-taona no laninâny olona iray, ny akoho fakĂ na nofo dia mahatratra 1 kg isan-taona. Izany dia avy amin'ny tsy fahampianâny vokatra sy ny sandanâny famokarana ambony ary ny fahefa-mividinâny mponina izay ambany.
Ireo akora fampisa ny sakafo biby da 60-70% aminâny fandaniana ankapobeny no lany. Ao anatiny maitso ahitra dia miakatra be ny vidinâireo akora fampiasa ireo nohonâny tsy fahampiana eny an-tsena. Ny katsaka no fototra aminâny fanamboarana ny sakafonâny biby izay mahatratra hatraminâny 60-70% aminâny fangaro ho anâny fiompiana akoho, kisoa, trondro.
Miakatra 99% kosa izany raha famokarana ny aty matavy. Raha mihatra ny tataon-ketra 20% ho anâny katsaka sy faika dia hiakatra 25-40% ny vidinâny sakafom-biby eny an-tsena ary hiteraka fiakaranâny sandam-pamokaranâny fiompiana sy fatiantoka lehibe ho anâny mpiompy. Nandroso soso-kevitra araka izany ireo mpiompy fa azo atao ny mametra ny hetra isaky ny biby ompiana ka hanamora ny fampanaran-dalĂ na sy fampanaraha-penitra.
Izany fepetra izany dia hanampy aminâny fametrahana ny mangarahara sy fampihenana ny kolikoly aminâny fitakianketra. Miantso ny tompon'andraikim-panjaka sy mpiantsehatra ireto mpiompy sy mpandraharaha ny fiompiana ireto mba hijery fomba hafa hampiakarana ny fampidiran-ketra.
Andry Rakotonirainy