]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy BNGRC. Ilaina fitandremana sy fandraisana andraikitra manoloana ny firotsahan'ny orana

BNGRC. Ilaina fitandremana sy fandraisana andraikitra manoloana ny firotsahan'ny orana

Nahazo taratasy filazana avy amin’ny météo ny momba ny toe-andro ny mpanao gazety, manambara fa ny volana novambra sy desambra no manomboka fikinjan’ny orana.

Ho an’ny volana janoary dia mbola hitohy izany orana izany, indrindra any amin'ny tapany avaratra. Nandritra ny roa na telo andro izay dia nisy fiovana ny toetr'andro. Nampahafantatra ny teo anivon’ny BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes) sy ny Météo momba ny fandalovan’ny oram-baratra sy ny rivo-mahery eto Madagasikara.

Ho tratra izany ny ao Morondava, Toliara sy Vangaindrano. Araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera mpanatanteraka ny BNGRC, ny Colonel Elack Olivier Andriakaja, dia nanomboka ny zoma 15 novambra 2019 tolak’andro izany rivo-mahery arahin’orana izany.

Raha ny vinavinan'ny mpamantatra ny toe-andro dia tokony hifarana ny alatsinainy izao izany. Fa na izany aza dia ilaina ny fitandremana hatrany amin’ireo toerana voalaza ireo, indrindra ny Distrika rehetra manerana ny Faritra telo eto Madagasikara : Atsimo Andrefana, Androy ary Menabe izay mety hisian’ny oram-be.

Ny tena loza izay mila fitandremana fatratra dia mety hisian’ny rano trambo ao Ampanihy andrefana sy Betioka atsimo. Ny hitrangana tondra-drano be indray dia ireo faritra rehetra manamorona ny renirano.

Ny rivotra indray dia eo amin’ny 50-60 kilometatra isan’ora no vinavina hisehoan'ny afainganam-pandehany ka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo Antsinanana no handalovany.

Manoloana izany dia efa nisy fampitana ny vaovao nataon’ny BNGRC niantefa tamin’ireo tompon'andriakim-panjakana rehetra mba handraisana fepetra mifanandrify amin’izany. Nisy misy aza ny tokony ametrahana miaramila amin’ireo moron-dranomasina hanakanana ireo olona tsy andehandeha na andriaka eny amin’ny ranomasina.

Mahakasika ny vato be eto Andrenivohitra izay ahiana hianjera dia efa tokony ho hisy fepetra raisina momba izany manoloana ny firotsahan’ny orana matetika. Efa nisy andraikitra noraisina teo aloha nifandrimbonan’ny Minisiteran’ny Ati-tany, ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany ary ny Minisiteran’ny Mponina. Tsy mijanona hatreo izany fa mbola mitohy.

Nahatratra 100 no maty tratran’ny fihotsahan’ny tany nanerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny Faritra Analamanga, Analajirofo, Alaotra Mangoro, Sava, Sofia, Vatovavy fitovinany. Ho an’ny Analamanga, nandritra ny 4 taona dia 52 no maty vokatr’izay fihotsahan’ny tany izay. Noho izany dia ilaina ny fitandremana sy fandraisana andraikitra ho an’ny tsirairay.

Andry Rakotonirainy – Sabotsy 17 Novambra 2019

Mis Ă  jour ( Lundi, 18 Novembre 2019 03:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA