]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy BNGRC. Ilaina fitandremana sy fandraisana andraikitra manoloana ny firotsahan'ny orana

BNGRC. Ilaina fitandremana sy fandraisana andraikitra manoloana ny firotsahan'ny orana

Nahazo taratasy filazana avy amin’ny météo ny momba ny toe-andro ny mpanao gazety, manambara fa ny volana novambra sy desambra no manomboka fikinjan’ny orana.

Ho an’ny volana janoary dia mbola hitohy izany orana izany, indrindra any amin'ny tapany avaratra. Nandritra ny roa na telo andro izay dia nisy fiovana ny toetr'andro. Nampahafantatra ny teo anivon’ny BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes) sy ny Météo momba ny fandalovan’ny oram-baratra sy ny rivo-mahery eto Madagasikara.

Ho tratra izany ny ao Morondava, Toliara sy Vangaindrano. Araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera mpanatanteraka ny BNGRC, ny Colonel Elack Olivier Andriakaja, dia nanomboka ny zoma 15 novambra 2019 tolak’andro izany rivo-mahery arahin’orana izany.

Raha ny vinavinan'ny mpamantatra ny toe-andro dia tokony hifarana ny alatsinainy izao izany. Fa na izany aza dia ilaina ny fitandremana hatrany amin’ireo toerana voalaza ireo, indrindra ny Distrika rehetra manerana ny Faritra telo eto Madagasikara : Atsimo Andrefana, Androy ary Menabe izay mety hisian’ny oram-be.

Ny tena loza izay mila fitandremana fatratra dia mety hisian’ny rano trambo ao Ampanihy andrefana sy Betioka atsimo. Ny hitrangana tondra-drano be indray dia ireo faritra rehetra manamorona ny renirano.

Ny rivotra indray dia eo amin’ny 50-60 kilometatra isan’ora no vinavina hisehoan'ny afainganam-pandehany ka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo Antsinanana no handalovany.

Manoloana izany dia efa nisy fampitana ny vaovao nataon’ny BNGRC niantefa tamin’ireo tompon'andriakim-panjakana rehetra mba handraisana fepetra mifanandrify amin’izany. Nisy misy aza ny tokony ametrahana miaramila amin’ireo moron-dranomasina hanakanana ireo olona tsy andehandeha na andriaka eny amin’ny ranomasina.

Mahakasika ny vato be eto Andrenivohitra izay ahiana hianjera dia efa tokony ho hisy fepetra raisina momba izany manoloana ny firotsahan’ny orana matetika. Efa nisy andraikitra noraisina teo aloha nifandrimbonan’ny Minisiteran’ny Ati-tany, ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany ary ny Minisiteran’ny Mponina. Tsy mijanona hatreo izany fa mbola mitohy.

Nahatratra 100 no maty tratran’ny fihotsahan’ny tany nanerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny Faritra Analamanga, Analajirofo, Alaotra Mangoro, Sava, Sofia, Vatovavy fitovinany. Ho an’ny Analamanga, nandritra ny 4 taona dia 52 no maty vokatr’izay fihotsahan’ny tany izay. Noho izany dia ilaina ny fitandremana sy fandraisana andraikitra ho an’ny tsirairay.

Andry Rakotonirainy – Sabotsy 17 Novambra 2019

Mis Ă  jour ( Lundi, 18 Novembre 2019 03:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30