]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Antananarivo. Amin’ny 2021 no ho vita ny làlana Ambohimahitsy-Andranobevava

Mba hanamaivanana ny fitohanana eto an-drenivohitra, dia efa nanomboka tamin’ny 6 jolay 2018 ny asa fanamboarana ny làlana ato hoe « Rocade Est », mampitohy an’Ambohimahitsy hatreny an-dRanobevava. Ho fanaraha-maso ny fizotran’ny asa dia nidina teny Ambohimahitsy ny Alarobia 16 Janoary 2019 teo ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany, Ramatoa Christine Razanamahasoa.

Navoitrany tamin’izany fa mizotra araka ny efa voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitra ny asa fanamboarana ny làlana izay mirefy 3,4 km ka mampitohy an’Ambohimahitsy an’Andranobevava. Torak’izany koa ny « By-pass » 3,8 km miala eo Ambohimahitsy, ary ny 1 km miala eo Nanisana hampitohy an’Ankadindramamy. Mahatratra 72 ny isan’ny asa ho atao, ary tsy maintsy nisy ny fandrodanàna ireo trano izay voakasika ny tetikasa.

Araka ny fanazavana hatrany dia tsy nananotsarotra ny fifampiraharahana tamin’ireo noravana trano, izay nahatsapa rahateo ny mahazava-dehibe ny asa atao. Miisa 1059 ireo trano ka ny 891 no efa nanaovana fifampiraharahana. Ny 118 kosa dia an-dàlana ankehitriny. Mahatratra 23.080.803 tapitrisa vola Euro ny tetim-bola fanamboarana io "Rocade Est" io, ka ny Vondrona Eropeana, ny Afd (« Agence française de développement »), ny BEI (« Banque européenne d’investissement ») ary ny Fanjakana Malagasy no mamatsy izany vola izany.

Fa raha mikasika ny asa rehetra dia mahatratra 62,8 tapitrisa vola Euro ny totalin'ny tetim-bola. Raha ny fandaharam-potoana dia ho vita amin’ny volana Janoary 2021 ny asa rehetra.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Jeudi, 17 Janvier 2019 05:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA