]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina : mizotra any amin’ny fanatsarana ny lalàna

Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina : mizotra any amin’ny fanatsarana ny lalàna

Ireo nandray anjara tamin'ilay atrikasa tao amin'ny hotely Sakamanga Antsahavola

Ny taona 2000 no nanaovana farany ny lalàna momba fifehezana ny fitaterana an-dranomasina teto amintsika. Ankehitriny anefa dia maro ireo andinin-dalàna izay tsy mifanaraka intsony amin'ny toe-andro. Noho izany indrindra no nahatonga ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toe-andro nangataka ny tokony hanatsarana azy ity .

Nisy araka izany ny atrikasa izay natao nandritra ny dimy andro -ny Alatsinainy 07 ka hatramin'ny 11 janoary 2019-, tao amin’ny hotely Sakamanga Antsahavola. Niara-misalahy amin’ity atrikasa ity ny minisitera mpiahy sy ny antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF); ny vondrom-pibaikoina ny tafika andranomasina (COFONA); ny Foibe Taosaritanin’i Madagasikara (FTM).

Nanampy amin’ny fanatsarana izany lalàna izany ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fitaterana an-dranomasina (OMI). Ireo mpahay lalàna avy amin’ny minisitera voakasika toy ny ministeran’ny Tontolo iainana ny Famantarana ny Toe-andro. Nialoha ny atrikasa dia efa nisy fitsiriana nataon’ny IMSAS ny taona 2017, izay sampana eo anivon’ny firenena mpikambana ao anatin’ny OMI.

Ny tanjona tamin’ity atrikasa ity dia ny hafahan’ireo mpandray anjara rehetra mamoaka rijan-tenin-dalàna mifanaraka amin’ny tontolon’ny fitaterana andranomasina sy ireo sehatra rehetra izay miasa ao anatin’izany.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Lundi, 14 Janvier 2019 06:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA