]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara bois de rose. Tsy mety miala ao Antongil ilay sambo « Flying »

Madagasikara bois de rose. Tsy mety miala ao Antongil ilay sambo « Flying »

Mbola tsy mety miala fa mihaodihaody any amin'ny fari-dranomasina atsinanan'i Madagasikara hatrany ilay sambo antsoina hoe « flying » efa ho iray volana izao.

Any akaikin'ny Baie d'Antongil, Mananara Avaratra any no misy azy io, araka ny fantatra dia mitady fomba mafy hanondranana « bois de rose » ao anatiny ireo mpanao trafika nanafatra ity sambo ity, ka misy sambo madinika tahaka ireo antsoina hoe « Meva 3 » sy « Meva 4 » mivezivezy eo amin'io fari-dranomasina io, mitady fomba hampitana ireo « bois de rose » ao anatin'ilay sambo lehibe. Tsy mety mahavita ny teti-dratsiny anefa ireo mpiketrika satria efa nandray andraikitra feno ny Praiministra Ntsay Christian ka nandefa ny sambon'ny tafika malagasy « Trozona » any an-toerana.

Ny olana dia matoky fiarovana mpitondra ambony angamba ilay sambo vahiny « flying » io ka isaky ny manome baiko hanenjehana azy ny avy aty amin'ny Primatiora dia misy mampilaza mialoha koa ilay sambo, dia mitsoaka miala ny « Zone économique exclusive » an'i Madagasikara izy io, ary mahagaga fa mody miala dia miverina indray, izany hatrany no nataony efa ho iray volana izay, fa dia tsy mety miala tanteraka mihitsy anefa fa efa mahazo toky fa tsy maintsy ho voaondrana ao anatiny ny bois de rose.

Araka ny fantatra dia teo anelanelan'ny 6 ka hatramin'ny 7 novambra 2018 no saika hatao ny « embarquement » an'ireo « bois de rose ». Izany hoe noheverina fa ho variana tamin'ny fifidianana ny Malagasy ka ho mora foana ny fakana ireo « bois de rose », kanjo efa nandray andraikitra mialoha ny Praiministra ka tsy tafita aloha ny teti-dratsy saika natao. Dia ampiandrasana ao izany ilay sambo satria 100 tonnes, hono, ny lanja ana « bois de rose » tokony hoentiny. Hentitra moa ny Praiministra tamin'ny alatsinainy maraina teo anoloan'ny mpiasan'ny Primatiora :

Tsy maintsy ho sakanana amin'ny fomba rehetra ny fanondranana antsokosoko ao anaty sambo ireo « bois de rose » ka ho very maina hiandry vasoka ao io sambo io, satria nampita hafatra izy fa izay Malagasy nanafatra ilay sambo io ka mikasa hanao amboletra hanondrana ireo « bois de rose » dia tokony handefa moramora ilay sambo satria efa voaaramaso avokoa ny fihetsik'ireo sambo kely mikasa hanao ny « transbordement » ka raha vao mihetsika eo dia tsy maintsy handray andraikitra ny tafika eo ambany fiadidian'ny Praiministra amin'ny maha-lehiben'ny OMC (« Organe mixte de Conception ») azy.

Correspondance locale, ce 20 novembre 2018

Mis à jour ( Mardi, 20 Novembre 2018 17:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30