]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ambilobe. IEM: teny hieràna, soso-kevitra iarahana ary vahaolana avy amin’ny Malagasy ifotony

Ambilobe. IEM: teny hieràna, soso-kevitra iarahana ary vahaolana avy amin’ny Malagasy ifotony

Ambilobe, 9 Marsa 2018. Ny fahatongavan'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny toerana nanaovana ny dinika sy nifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra

Eo ankavian'ny sary: ny Ampanjaka Tsimiaro III (Issa Alexandre) arahin'i Augustin Andriamananoro izay nanatrika ny Fisehagna tamin'ny taona 2009, fony izy minisitra (Tsindrio eto)

Tao Ambilobe izany ny dingana voalohany nosafidianan’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, hanazavana ny IEM any ifotony.

«Napetraka sy najoro ny IEM mba hitondrana vahaolàna sy fampandrosoana ao anatina fotoana fohy, ahatratrarana ny tanjona sy ny vina amin’ny fahataràna misy an’i Madagasikara izay lasa firenena mahantra faha-5 maneran-tany», hoy ny Filoha Andry Rajoelina, mpanorina ny IEM na «Initiative pour l’Emergence de Madagascar», raha nanokatra ny fandraisam-pitenana teto Ambilobe ny tenany.

Nahavory ireo olo-be, tompon’andraikitra sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ireo tanora manampahaizana ity fihaonana ifotony natao tao amin’ny Faritra DIANA/Distrika Ambilobe, izay avy niara-nankalaza ny Fety ny 8 martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy maneran-tany (Tsindrio eto).

TSINDRIO ETO

Tsy adinon’ny Filoha Andry Rajoelina ny nampita harany ny hafatra avy amin’i Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny, sady Filoha voafidin’ny vovonana PAESFA («Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance» na Fivondronana Afrikana hametrahana ny tetikasa fananganana ny Orinasa hamokatra ny angovo fandrehitra Ethanol). Io Ethanol io, izay miala avy amin’ny fary na «canne à sucre», dia hasolo ny arina saribao, ary hanova ny fenitra hikajiana ny tontolo iainana ihany koa, no sady hanome asa maro ho an’ny mponina eto Ambilobe afaka volana vitsy.

Nisy ny fifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra avy amin’ny mpandray anjara tamin’ity dinika voalohany ity. Misy eto Ambilobe avokoa na ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ny tany mahavokatra fary, ary ny ranomasina ahitana ireo haza andranomasina maro karazana.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 10 Mars 2018 14:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30