]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar. Lisi-pifidianana 2018-2019: azo jerena ao aminy Internet ny anaranao

Madagascar. Lisi-pifidianana 2018-2019: azo jerena ao aminy Internet ny anaranao

Tamin'ny taona 1959 no nahazo ny zo feno hifidy ny vehivavy malagasy

Aleho torahana voninkazo mihitsy ny CENI («Commission électorale nationale indépendante» na Komisiona nasionaly mahaleotena momban’ny fifidianana) satria efa manao ezaka lehibe hampidirana ireo mizaka zom-pirenena malagasy, feno taona (18 taona miakatra) ka manan-jo handray anjara amin’ireo fifidiana ho avy amin’ny taona 2018 sy 2019. Raha efa tamin’ny volana oktobra 2017 no nametrahana ny lisi-pifidianana any anivon'ny fokontany tsirairay avy, dia efa misy izao ny fomba iray afahanao mijery ny momba anao anatin’izany lisitra izany, amin'ny alalàn'ny amin’ny tambazotra Internet. Ity ny rohy afahanao miditra ao: https://liste.ceni-madagascar.mg/elect/rech

TSINDRIO EO HO LEHIBE KOKOA

Io amin’ny sary ambony io no tokony hitanao. Fenoinao ny toerana ho an’ny anaranao, ny fanampiananaranao (tsy voatery atao) ary indrindra indrindra ny laharan’ny karapanondrom-pirenenao. Raha toa ka tsy mivoaka ny mombamombanao dia mankanesa aingana any amin’ny biraon’ny fokontany misy anao.

Ny fe-potoana farany moa dia ny 31 Janoary 2018 fa mety hialava izy io satria mbola maro tokoa ireo Malagasy tokony hifidy mbola tsy voasoratra.

Ny anay eto aminy madagate.org moa dia tsotra: aza ariana ny zonao ary efao ny adidinao izay tsy an’olon-dratsy velively. Marina fa mbola tsy voalaza, hatreto aloha, ny daty hanatontosaina ireo fifidianana Filoham-pirenena, Solombavambahoaka, sns... fa mila vonona daholo izay mahatsapa tena fa Malagasy e!

Tsy milaza koa izahay hoe i Rahanona na i Rahanona no tokony ho fidianao, fa MANDEHANA MIJERY SY MANAMARINA NY ANARANAO SY NY MOMBA ANAO AO ANATY LISI-PIFIDIANANA ALOHA AFAHANAO MIFIDY! Izay ihany ny maha-Malagasy feno anao.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mardi, 23 Janvier 2018 17:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA