Aleho aloha tsorina ny marina. I RĂ©mi na koa Djao Jean no any tena solombavambahoaka voafidy foana any aminy. Any Antsohihy any aminâny faritanâi Mahajanga izany. Asa efa in-efatra angamba izy no voafidy. Ankoatra ny naha CST azy tao aminâny tetezamita farany iny (2009-2013). Tadidinareo ilay volavolan-dalĂ na mombanâny toaka gasy hoe azo amidy ankalalahana taminâny fitondrana Ravalomanana (tsy lany mihitsy io lalĂ na io nefa tsara ilay hevitra)? Ny dikany dia mihoatra ny 20 taona izy izany no «niasa» tao aminâny Lapanâny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza. Izay angaha no nahatonga azy nieritretitra ny resaka «caisse de retraite» na vata fisotroan-drono ho anâny solombavambahoaka? Asa.
Fa taminâny fivoriana ara-potoanâireo solombavambahoaka mamarana ny taona 2017 dia narosony tokoa ny volavolan-dalĂ na laharana 004-2017-PL mombanâny hoe «crĂ©ation et rĂšglementation de la caisse de retraite parlementaire, prĂ©sentĂ©e par le DĂ©putĂ© de Madagascar, RĂ©mi dit Djao Jean, vice-prĂ©sident de lâAssemblĂ©e nationale». Rehefa nihemotra indray mandeha ny fandaniana azy io -mahay sarimihetsika be ny ao Tsimbazaza ao mantsy- dia lany soa aman-tsara io volavolan-dalĂ na io ny Alakamisy 7 desambra 2017, rehefa nasiana «fanitsiana» avy any aminâny governemanta. Fa dia mampiaiky tokoa aloha ny fahaizanâny sasany manafangaro ny tsy tokony afangaro.
Hoy tokoa mantsy, i Benja Urbain Andriatsizehena, solombavambahoaka lany tao Manakara: «Io lalĂ na io dia mifototra aminâny hoe izahay solombavambahoala dia olom-boafidy tahaka ireo filoha teo aloha izay mahazo tombontsoa rehefa tsy eo am-perinasa intsony». Mampiaiky, hoy aho. Satria dia atao kapoka iray fa mitovy izany ny «asa» sahaninâny Filoham-pirenena sy ny «asa» ataonâireo solombavambahoaka. Nefa mazava: ny iray lehibenâny mpanatanteraka («pouvoir exĂ©cutif»), ny faharoa mpanao lalĂ na («pouvoir lĂ©gislatif»). Anareo mpamaky no mitsara izany fanoharana izany.
Marina aloha fa ao Frantsa ao, hatreto aloha, dia mahazo fisotroan-dronono isam-bolana ny solombavambahoaka. Tsy tokony adino anefa fa mandoa latsakemboka («cotisation») ry zareo. Ary ny mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasanâny sehatra tsy miankina, tompoko, dia anesorana ny karamany mba fandraisany anjara aminâizany fisotroan-dronono izany rehefa tonga ny fotoana hitsaharany ka mba hiainany ampilaminana, lavitry ny tsy fisiana tanteraka, mandrapahatonga ny ora andaozana ity tany ity.
Nanao izany ve ireto solombavambahoaka malagasy ireto hatraminâizay ary aiza ny vola no naloa? Tsy adino koa anefa fa any Frantsa ihany dia miala any ny hoe « loi sur la moralisation de la vie publique» azo adika aminâny hoe lalĂ na manadio ny foto-pisainanâireo olom-pirenena, na voafidy ireo na voatendry. Ny dikany dia ho foanana ireo tombontsoa toa ny «indemnitĂ© reprĂ©sentative de frais de mandat» sy ny «rĂ©gime de retraite des parlementaires». Ialan-tsiny aminâireo teny frantsay ireo fa ataoko fa mazava aminareo tsara aminâizay.
Eto koa isika no hanontany tena hoe hanao ahoana ny ho tohiny io resaka vola fisotroan-dronono « omena » ireo solombavambahoaka? Satria rehefa tsy nandoa latsakemboka na iraimbilanja aza ireo dia ny volanao, ny volako, ny volantsika indray izany no hangalana kanefa tena tsy mahafam-po mihitsy ny ataonâireo depiote ireo aminâny fandaniana fahatany izay lalĂ na rehetra hamono ny firenena iray manontolo. Ny «Loi de Finances 2018», ohatra, dia manambara fa manomboka ny volana Janoary ho avy dia hiakatra 20% ny haba aloa aminâny fanafarana solika («Taxe sur les produits pĂ©troliers»). Mazava fa hiakatra daholo izay tsy hiakatra, eny hatraminâny tosi-drĂ hitarika fahafatesana... Mombanâny hoe ZES («Zone Ă©conomique spĂ©ciale») sy ZIA («Zone dâinvestissement agricole») moa dia izao ny ho lazaina atsy ho atsy: veloma ry tanindrazana malala!
Fa ity koa mbola loza hafa. Mety hiverina ny resaka 4X4 sy tombontsoa eo no eo aminâio taom-baovao io. Ny antony ilazako izany dia ity: io lalĂ na 004-2017-PL io dia tsy afaka hanan-kery raha tsy mahazo ny fankatoavana avy aminâny HCC izay ambaninâny vahaohonâny filoham-pirenena tanteraka. Ity farany moa dia hirotsaka aminâny fifidiana filoham-pirenena ho avy. Tsy adala loatra izy ka fantany fa tsy ho lany mihitsy izy raha lalao madio no atao. Noho izany dia tsy maintsy ovainy ny andininy sasany ao aminâny Lalampanorenena izay nanaovany fianianana fa ho hajaina tahaka ny anankandriamaso. Ssss ! Ianareo no te-hifidy ahy, moa ĂŽ? Tsy inona ireo fa ny tsy maintsy hametrahany fialana telo volana mialohanâny fifidianana ary mikasika ny taonanâireo kandida hifaninana. Re fa eo anelanalanâny 45 sy 65 taona. Mazava fa voahilika soa aman-tsara i Andry Rajoelina (43 taona) sy Marc Ravalomanana (68 taona).
Ka izao izany ny «fifanarahana» tsy ho fanta-tsika vahoaka, nefa mazava be tahaka ny karatrâi Naivo: omena 4X4 sy fisotroan-dronono ary koa «assurance vie» (nangataka io koa anie ireo badraodra ireo e!) ny depiote fa tsy maintsy laniana soa aman-tsara, toa ny mahazatra, ny lalĂ na mikasika ny faniliana ireo kandida roa ireo sy ny hafa koa. Ka rehefa lalĂ na malagasy moa inona no antony tokony hidiranâny «communautĂ© internationale» moa ĂŽ? Eo no hiraradraraka ny hoe «tany manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara». Maninona koa moa raha izy irery tokoa no milatsaka, toa anâi Jean Max Rakotomamonjy ao Tsimabazaza sy Rivo Rakotovao ao Anosikely, dia hita eo raha hitehaka ny ambany lanitra e!? Ny vazivazy eo ihany fa mino ve ianareo mpamaky fa dia hionona aminâizany ny fiaraha-monina malagasy eranâny Nosy ka dia anaiky fotsiny toa omby entina eny aminâny labatoara? Toa kely finoana aminâizany raha izaho manokana aloha.
Fa nâinona nâinona no hitranga aloha dia ingahy Djao Jean no ho tomponandraikitra voalohany, iavianâny gidragidra («Lâhomme par qui le scandale arrive»). Devoly anie ireo mpitondra Hvm ireo e! Tandremo fa tsy izaho no nilaza izany fa i Rolly Mercia na Harry Laurent Rahajason, ministra mavitrika misahana ny Serasera, izay hanao mihoatra noho ny nataonâny ministra Bruno Andriatavison fony ny fitondrana Ravalomanana. Efa nanomboka izy. Mamakia «La Gazette de la Grande Ăźle» foana dia ho fantatreo ny antsipirihiny. Mandra-pĂ aloha dia samia ho ela velona mandra-paty e!
Jeannot Ramambazafy â Nivoaka ao aminâny gazety «La Gazette de la Grande Ăźle» taminâny Sabotsy 16 Desambra 2017 ihany koa io lahatsoratra io