Dia mitohy izany ny antsonjay ataonâny fitondram-panjakana aminâireo tsy mitovy hevitra aminy indrindra aminâireo mpitsikera ny fitantanĂ na mampijaly vahoaka misy aminâizao fotoana izao. Tsy manana zo haneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy fa voatampim-bava tanteraka.
Ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay efa nilaza fa zonâny olom-pirenena no maneho hevitra. Izy ireo izay nanindry mafy fa tokony nasiam-panitsiana manaja ny fahalalahana ny lalĂ na mifehy ny serasera mba hifanaraka aminâny fanajana ny zonâny olom-pirenena. Tsy ny famahĂ na ny olanâny fidanganâny vidim-piainana anefa fa indrindra ny fiakaranâny vidim-bary izay tsy zakanâny vahoaka intsony no himasoanâny fitondrĂ na, ny tsy fandriam-pahalemana etsy an-kilany toa zary an-kilabao.
Tsy ny famahĂ na izany olana rehetra izany no imatimatesana ankehitriny fa ny fanenjehana anâireo mpitsikera, indrindra ireo mpitsikera aminâny tambazotran-tserasera «facebook». Efa zary miteraka laza ratsy ho anâi Madagasikara manerana anâizao tontolo izao tao anatinâity fitondrĂ na ity io fanenjehana ny mpitsikera io. Vao taminâny 10 jolay teo ny fikambanana « Amnesty international » no vaky vava fa mila mandray fepetra ny fitondrĂ na malagasy aminâny fampanajĂ na ny zonâolombelona sy ny fanajĂ na ny fahalalahana maneho hevitra. Vao tsy ela ihany koa fa tsy nisy iray volana izay, ny Parlemantanâny Vondrona europeana indray no nitaky ary mitaky ny ampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra sy ny mpitsikera ary ny mpanao gazety.
Nitaky ihany koa ny fampanajĂ na ny zo sy fahalalahanâny tsirairay sy ny daholobe ary ny fahalalahana maneho hevitra ry zareo. Nangatahanâireo Parlemantera europeana mihitsy aza ny hanafoanana tanteraka anâireo andinin-dalĂ na manakantsakana ny fahalalahana maneho hevitra ao aminâny lalĂ na mifehy ny serasera eto amintsika. Ankoatra izay rehetra izay, vao taminâny 24 novambra teo ihany koa ny Vondrona afrikana no namporisika aminâny fifanantonana ahafahana manafoana anâireo disadisa politika marobe eto Madagasikara ka hahatongavana aminâny fitoniana.
Ary ny Firenena mikambana mihitsy aza no efa niloa-bava ihany koa taminâny faha 3 aogositra taminâity taona ity taminâny alalanâny mpanara-maso momba ny zonâolomba ao aminy ary nanamafy ny tokony handraisanâny fitondrĂ na ny fepetra rehetra hahafahanâny vahoaka matoky ny fanjakĂ na ary nitaky ny hisianâny fahalalahana maneho hevitra. Fanampinâizay rehetra izay, raha ny teto Madagasikara no resahina, dia tsy nitsahatra ny namporisika ny hisianâny Fihavanana ireo raiamandrenim-piangonana avy ao aminâny FFKM sy avy ao aminâny Fiangonana katolika teto amintsika.
Setrinâizay rehetra izay anefa ny fitondram-panjakĂ na etsy an-kilany toa tsy mandraharaha izany rehetra izany fa vao mainka manenjika anâireo tsy mitovy hevitra aminy sy ireo misolo tena ny vahoaka milaza ny marary azy. Manenjika anâireo mpitsikera ny fitantanana tsy mahomby. Anisanâny tsy afa-bela aminâny antsonjay mafy ataonâny mpitondra ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Ankoatra ny fanenjehana ireo Benâny tanĂ na sy Parlemantera niara-dia taminâny Filoha Rajoelina, dia henjehina ihany koa ireo tomponâandraikitra ao aminâny vondrona politikany. Taminâny volana desambra 2016 izao no nisamborana anâAndriamatoa Augustin Andriamananoro teny am-pandevenana, tsy nisy taratasy momba izany nefa tonga dia nampidirina am-ponja. Izao volana desambra 2017 izao indray dia mpiandraikitra hafa, mpiara-miasa aminâAndriamatoa Andry Rajoelina no nosamborina, mpiandraikitra mombanâny serasera aminâny tambazotra «facebook» io.
Noho ny fahatahorana vahoaka manoloana ny tsy fahombiazany dia ny manenjika ny hafa, indrindra ireo izay hatahorany no ataonâny fitondrĂ na satria maneho sy mampita ny hevi-bahoaka izy ireny. Ny sampana mandray an-tanĂ na ny «cybercriminalité» ao aminâny polisy misahana ny heloka bevava no atao fitaovana anenjehana anâireo mpisikera ireo. Etsy an-kilany ny jiolahy mpamaky trano sy ny mpamono olona, ny mpangalatra omby, ny mpanondrana ny harem-pirenena any ivelany, ny mpanao kolikoly avo lenta ary ireo jiolahy sy jiovavy sy ireo dahalo ambony latabatra dia afaka miriaria sy manao ny asa ratsiny am-pilaminana.
Tsy mahagaga raha mirongatra izaitsizy ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika satria ampiasainâny mpanome baiko amina raharaha tsy manjary ny mpitandro ny filaminana tokony ho namanâny vahoaka. Mahakasika anâAndrianjanaka Andrianiaina FrĂ©dĂ©ric -fantatra koa aminâny anarana hoe Stefano- manokana izay nosamborina omaly, fantatra izao fa hametrahana fanontaniana marobe momba ireo mpiara-mpiasa aminâny Filoha Andry Rajoelina izy.
Azo antoka manoloana izao rehetra izao ary asa raha mba tsapanâny fitondrĂ na ihany fa tsy mahafaly ny vahoaka izao fihetsiny manao zinona ny fahoriana sy ny fahantra izao. Raha toa mantsy ka miaina anatinâny filaminana sy fiadanana ny vahoaka, ary manao fitantanana dia mangina ho azy ny mpitsikera atahoranâny fitondram-panjakĂ na ireo.
Re fa rahampitso sabotsy 9 Desambra 2017 no hiatrika tribonaly i Stefano. Asa hampidina ny vidim-bary sy hampiaina ny asan-jiolahy ny famonjana azy ankatoky ny fetinâny Krisimasy sy taom-baovao? Ary tafiditra tantaraka ao anatinâny atao hoe fiandrianam-pirenena («souverainetĂ© nationale») koa ve ny fisamborana izay milaza ny marina ka akaikinâny «mpanohitra»? Ka ho omby ve ny fonja eto Madagasikara raha mitohy? Tsia raha terena i Stefano hanambara fa mikasa hanogam-panjakana Andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy izay ve ny tanjona e? Misy filaza izany fomba izany: «extorsion dâaveux sous la contrainte». Ho hita eo ihany ny ho tohiny.
Jeannot Ramambazafy
Antananarivo, 8 Desambra 2017