Taorianâny fivoriana natao teto Mahazoarivo ny 04 desambra 2017, izay nijerena ireo vahaolana aminâny fampidinana ny vidim-bary, dia nidina ifotony nijery ny zavamisy teny aminâny tsenanâAnosibe ny Praiminisitra Lehibenâny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny marainanâny talata 05 desambra 2017. Nandritra izany no nitafatafany taminâireo mpamongady mba hahafantarana ny zavamisy marina aminâizao fiakaranâny vidim-bary izao.
Ny niandohanâny olana dia ny tsy fahampianâny voka-bary teto an-toerana noho ny fiovaovanâny teotrandro ka nampidina ny habetsahanâny vary avy eto an-toerana teny aminâny tsena.
Hita nandritra ny fidinana ifotony fa ny vary vokatra eto an-toerana dia manodidina ny 2.000 ariary na mihoatra anâizany ny vidinâny iray kilao. Raha ny vary nafarana avy any ivelany kosa dia manodidina ny 1800 ariary ny vidinâny iray kilao andefasanâny mpamongady azy, eny aminâny tsenanâ Anosibe. âRaha ireo no hita dia tsy tokony haka tombony betsaka ireo mpaninjara fa eo aminâny 10% farafahabetsany. Manao antso avo aminâny vahoaka indrindra ny mpiaro ny zonâny mpanjifa mba hiaraka hientana aminâny fitondram-panjakana hanara-maso ny zavamisy. Marina fa efa malalaka ny vidin-javatra fa tsy azo lalaovina ny aim-pirenena satria ny vary no foto-tsakafonâny Malagasyâ, hoy ny Lehibenâny Governemanta.
Hita araka izany fa ny vary avy eto an-toerana no midĂ ngana ny vidiny noho ny vokatra tsy ampy. Nanome fanazavana ny Praiminisitra fa naka fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana aminâny alalanâny Minisiteranâny varotra izay nanao fifanarahana aminâireo mpamongady manomboka any Toamasina. Efa misy mpamongady maromaro miara-miasa aminâny fitondram-panjakana ka anisanâny nifanarahana ny fametahana ny vidim-bary ho hitanâny rehetra. Tokony ho eo aminâny 72.000 ariary araka izany ny iray gony. Hidina any Toamasina ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana hijery ny fanatanterahana izay fifanarahana izay.
Anisany ezaka ataonâny fitondram-panjakana ihany koa ny fanafainganana ny famoahana vary any aminâny seranan-tsambonâi Toamasina, ny fanamorĂ na ny famoahana ny âcertificat de consommabilitĂ©â eo anivonâny Minisiteranâny Fahasalamam-bahoaka. Atao izany mba hahafahana mampitobaka ny vary eto Antananarivo sy manerana ny Nosy ka hampidina ny vidiny. Anisany ezaka ataonâny fanjakana ihany koa ny fananganana ny âtask forceâ manerana ny distrika izay ahitana ny lehibenâny distrika, ny ao aminâny Ministeranâny varotra sy ny fanjifana, ny ao aminâny Minisiteranâny fitaterana mba hijery isanâandro ny vidinâny vary vokatra avy eto an-toerana sy ny nafarana avy any ivelany, ny tahiry ary ny filĂ na isam-bolana. Tanjona ny hahafahana manafoana ny tsy fisianâny tahiry sy hanafoanana ny fanararaotana.
Nanantitrantitra hatrany ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier hoe: âaoka tsy hisy ny fanararaotana. Efa mandray andraikitra ny fitondrampanjakana fa anjaranâny fikambananâny mpiaro ny zonâny mpanjifa sy ny mpanjifa no mitaky eny anivonâny mpaninjara mba tsy hisianâny fanararaotana. Ny ezaka ataonâny fitondrampanjakana dia ny hidinanâio vidim-bary io alohanâny fety. Hisy vary ho tonga betsaka na ny âriz conventionnelâ avy any ivelany atsy ho atsy mba hameno ny tsena manerana anâi Madagasikara, ka tsy ho lafo be ireo vary afarana avy any ivelany ireoâ.
Sampana serasera
Lapanâi Mahazoarivo