TSY TOKONY HIOHATRA NY 75Â 000 ARIARY NY GONY MANOMBOKA AMINâITY HERINANDRO ITY HOY NY MPANAFATRA VARY
Antananarivo, 4 Desambra 2017. Tato ato dia nampitaraina ny maro ny fiakaranâny vidinâny vary eto amintsika, vidim-bary izay samy manana ny fomba fametrahana ny vidiny ny isam-paritra. Ny tsikaritra aloha dia arakaraky ny toerana na ny faritra no mahalafo na tsia ity vidim-bary ity. Ny faritra Diana sy Boeny, ohatra, dia voalaza ny mponina any fa tena tsy laitra ho vidina ny vary any amin-drizareo. Ny eto Antananarivo indray dia misy ny vidiny izay samihafa ihany koa. Ny iraisanâny mpanjifa dia ny hoe: niakatra ny vidim-bary ary mila tsy ho zaka, eo aminâny 600 ka hatraminâny 700 ariary ny kapoaka.
Manoloana io dia nanome fanazavana ny vondronâny mpanafatra ity vary ity, ny mpiaronâny zonâny mpanjifa Rakotolova Rabetsara Lita, ny mpitahiry ary ny avy eo anivonâny Minisiteranâny Varotra.
Niakatra be ny vidim-bary ary mikaikaika ny vahoaka manoloana izany. Antony mahatonga izany dia tsy ampy ity vary ity, ka nahatonga azy io niakatra be. Tsy maharaka antsika ny vokatra vary eto an-toerana, ary azo lazaina ho tsy ampy mihitsy aza. Noho izany dia niankina taminâny fanafarana vary isika eto Madagasikara, rehefa nisy fihaonana teo aminâireto mpanafatra vary ireto sy ny Minisiteranâny varotra.
Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa saika aminâny faritra maro eto Madagasikara dia sahirana aminâity vary ity, ary iharanâny fiakarany. Noho izay indrindra dia nampitombo ny vary nafarana ireto mpanafatra ireto. Ny vary dia misy tokoa ary azo heverina fa ampy tsara ny nafarana, saingy nisy fahatarana teo aminâny sambo nitondra izany, izay marihina fa misy vary avy any Birmanie, Inde ary Pakistan. Taorianâio dia nisy fijerena manokana ny vahaolana mba hialana aminâny vidinâity vary ity miakatra be izay nahatratra hatrany aminâny 77.000 ka hatraminâny 78.000 ariary ny gony iray, miala avy any aminâny mpanafatra, ary dia mazava loatra fa dia mahatra hatrany aminâny 80.000 Ariary farafaha-keliny ny gony iray tonga eny an-tsena.
Manomboka aminâity herinandro ity araka ny fanazavana nomenâ Andriamatoa Rakotonirina Norbert solontenanâny mpanafatra vary, dia noferana 72.000 ariary ny gony iray avy any Birmanie, ary 73.000 ariary ny vary avy any Inde sy Pakistan. Io no vidiny andraisanâireo mpamongady azy, ary raha atao ny kajy dia tsy tokony hioatra ny 74.000 â 75.000 ariary ny hividianâny mpanjifa azy.
Araka ny fanazavana ihany dia any aminâny 390 dĂŽlara ny Taonina iray ny vidinâny vary farafaha-keliny miala avy any aminâny nanafarana azy tonga ao Toamasina, miampy ny famoahana azy ao aminâny seranana dia miakatra kely. Izay no nahatonga ny famaritana ny vidiny ho 72.000 ariary ka hatraminâny 73.000 ariary ny gony iray. Ny mpanafatra dia maro ka tsy misy araka izany ny ahiana ny mety tsy hisianâny vary na koa tsy ho ampy, aminâity volana Desamra ity. Ho maro ny vary ho tonga izay hahatratra 26 000 Taonina. Tsy vary « stock » araka ny heno fa vary vao avy novokarina aminâilay firenena nanafarana no ho tonga eto Madagasikara ho anâny mpanjifa. Momba ny fanafenana vary dia nilaza izy ireo fa tsy ho hisy izany satria mety ho hisy fotoana hidina tampoka ny vidinâny vary dia ho fantiatoka ho azy ireo.
LASA MANAFATRA VARY HATRAMINâNY ANY AMBATONDRAZAKA, ZARA RAHA 25 % NY VOKATRA NIAKATRA
Ny mpiaro ny zonâny mpanjifa indray dia nitatitra fa io vidiny eo ambony io no nifanarahana saingy tsapa ho mahatonga ny vidiny ho miakatra dia mbola maro ny lĂ lana lalovanâiny vary iny vao tonga any aminâny mpanjifa. Eo koa ny lafinâny saram-pitaterana azy, ary dia mbola hitadiavana vahaolana miaraka ihany koa izany.
Tokony ho fantatry ny mpanjifa, hoy i Rakotolova Rabetsara Lita, ny manavaka ny vary hafarana sy ny vary vokatra eto an-toerana, izay hilazany fa ao anatinâny fahasahiranana tanteraka ny vary vokatra eto amintsika. Nilaza moa ny tenany fa any Ambatondrazaka, izay sompitry ny vary dia zara raha nahatratra 25% monja ny vokatra azo, ary aminâizao fotoana dia efa manafatra vay avy any ivelany ny ao Ambatondrazaka. Mitovy tsisy valaka aminâizany any Marovoay sy Tsiroanomandidy. Noho izany dia tsy afaka hampitovy intsony ny vidim-bary eto an-toerana sy ny hafarana isika, fa dia ny vary hafarana no hoahina ka hahena ny vidiny ho zakanâny fahefa-mividy ny mpanjifa.
Ho anâny Minisiteranâny Varotra dia anjara-toerana raisiny ny manara-maso sy mijery hatrany ny tombontsoanâny mpanjifa Na izany aza dia nitatitra ny teo anivonâny Minisitera fa tsy misy ny fanafarana vary nataonâny fannjakana fa dia fifanarahana aminâireo mpanafatra sy mpitsinjara ihany no natao.
Ho anâireo mpitsinjara ny vary dia nitatitra Andriamatoa Roger Randrianirina solontenanâny «grossistes» fa miankina aminâny vidiny ataonâny mpanafatra no hafahana mamaritra ny vidiny eny an-tsena. Eo ihany koa ny lafinâny fitaterana ny vary. Koa raha ny fifanarahana teo no jerena dia tokony ho any aminâny 1600 ariary ny kilao iray eny an-tsena.
Samy hahita izany isika manomboka androany faha-5 Desambra 2017 raha mitombona sy marina daholo izany rehetra izany na fampandriana adrisa indray avy aminâny Fanjakana eo an-katoky ny fety ka mpiray tsikombakomba ireto niresaka ireto ary ho mafimafy kokoa ny hiseho hanomboka ny volana Janoary 2018.
Rakotonirainy Andry
www.madagate.org