âNy marina no haha olona afaka anareoâ (Jn 8, 32)
Hafatra ho antsika kristianina katolika sy ireo tsara sitrapo rehetra
« Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavana amam-piadanana avy aminâi Jesoa Kristy Tompontsika!».
Hafaliana ho anay Eveka ny manambara aminâny fomba ofisialy eto fa aminâny Alahady 15 Avril 2018 no hanambarana anâi Ramose Lucien Botovasoa ho Olontsambatra any Vohipeno, Diosezinâi Farafangana. Manasa antsika Malagasy tsy vakivolo hiara-hisaotra anâAndriamanitra noho izany fahasoavana lehibe atolony antsika izany.
Aminâizao ankatoky ny fankalazana ny haha-olontsambatra azy izao Ă ry dia aoka samy hibanjina ireo aim-pahasoavana tsy manam-paharoa, tafitanâity zoky olon-tsambatra ity satria ny kabary manidina fa ny soratra mipetraka ary ny teny manaitra fa ny atao mahasarika. Taminâny taona 1908 izy no teraka, ary maty martiry taminâny 17 avrily 1947, teo aminâny faha-39 taonany, mbola tanora tokoa. Nisy ireo misionera maro nampita ny finoana fa hafa kely ny tantaranâi Lucien Botovasoa. Lafim-piainany vitsy no horaisintsika manokana eto :
1. Finoana mari-pototra, tsy azo hozongozonina ny anâi Ramose Lucien Botovasoa.
« Ny zavatra rehetra atao ho voninanitrâAndriamanitra » ( Tout faire pour mieux glorifier Dieu ». (Ad Majorem Dei Gloriam). Io no teny faneva nanorina mafy ny finoany. Tao no nanentana azy hahalala sy ho tia anâi Jesoa Kristy aminâny fony tokoa. « Niova ianao Ramose » hoy ireo mpiara-miasa taminy satria nampifanarahany tanteraka taminâny fiainanâi Jesoa ny fiainany manontolo : Mivavaka, miaina ny fitiavana lavorary araka ny Evanjely. Miaina ny marina. Nahay nifandray taminâireo mompera sy masera ary taminâireo mpiara-mivavaka taminy na katolika na tsia. Isanâandro aorianâny lakilasy izy dia namaky ny Tantaranâny Olomasina aminâireo mpianatra nazoto namonjy izany. Namola-tena taminâny zavatra maro izy: fifadia-kanina, fitondrana akanjo malailay, manao sapile tsy ankijanona eny andalana noho ny fitiavany manokana anâi Masina Maria, naharitra nibanjina ny Sakramenta Masina isanâandro, ary mampianatra katesizy..... Ny finoana ho azy dia fanamasinam-piainana. Hilazana amintsika fa Lehilahy tia Vavaka i Lucien Botovasoa. Lehilahy tia ny marina. Izany no tsy nampatahotra azy nanolo-tena ho martiry.
Aiza ho aiza re ny halalinâny finoantsika kristiana ankehitriny? Tsy miha marefo ve tratry ny fitsapana goavana miseho andavanadro? Ny mahagaga dia efa nifanaraka tsara aminâny voalazanâny Papa Fransoa ny finoanâi Botovasoa : â Ny tena finoana ny Zanakâ Andriamanitra tonga nofo dia tsy afa-misaraka aminâny fahafoizan-tena, aminâny firotsahana ho isanâny ankohonanâny mpino, aminâny asa fanompoana, ary aminâny famitranam-pihavanana aminâny maha nofo aman-drĂ ny hafa. Ny Zanakâ Andriamanitra tonga nofo no mitaona antsika hanova fenitra eo aminâny fomba fanehoam-pitiavana.â (Hafalianâny Evanjely n° 88)
2. Tao aminâny Fianakaviany
Raim-pianakaviana nanolo-tena tanteraka ho anâny vady aman-janany. Tsy maintsy mody ao an-trano izy isan'andro isanândro na lavitra aza ny âtournĂ©eâ ataony. Eo am-pisakafoana dia izy no manome aina ny dinidinika hahazoana hafaliana. Ho fiombonany aminâny fijalianâi Kristy, mifady hanina izy isaky ny alarobia sy zoma, hany ka, aminâireo andro ireo, matetika izy no mizara aminâireo zanany izay anjara sakafo tokony hohaniny.
Ny fampianaram-pinoana sy ny fivavahana dia tsy latsa-danja tao aminy. Mandritra ny andro, na alina koa aza, dia maro ny fotoana ivavahany. Noho ny ezaka nataony, ireo ray aman-dreniny sy ny iray tampo aminy dia vita batemy sy mariazy avokoa, hany ka nisy lasa mpamorona eglizy mihitsy aza taty aoriana. Ireo zanany dia nobeaziny tanteraka mba ho modely ho anâireo ankizy namany fa indrindra any an-tsekoly. Nampianariny azy ireo ny fahalalam-pomba sy ny fahaizana manaja olona.
Tsy navelany ho resinâny tahotra ity vadiny sy ireo zanany dimy mianadahy nanoloana ny fanenjehana ny mpivavaka. Rehefa nandalo fotoan-tsarotra mavaivay i Madagasikara taminâny 1947, teo aminâny fanenjehana ireo misionera sy kristianina, dia hoy i Lucien taminâizy ireo: âna inon-kidona na inon-kihatra, aoka ianareo tsy hiala aminâAndriamanitraâ.
Aiza ho aiza ny fifanabezana ao aminâny fianakaviana misy antsika ankehitriny? Ny fifankatiavanâny Ray sy ny Reny manoloana ny zanaka? Tsy zara ve fa mifankahita ny mpianakavy anatinâny herinandro? Hoy ny Papa Fransoa: â Ny aminâny fianakaviana, dia azo lazaina fa zava-doza ny hoe rohim-pihavanana mihalefy, satria ny fianakaviana no singa fototra iorenanâny fiaraha-monina : ao no ianarana miara-miaina, na dia eo aza ny fahasamihafana, ary koa ianarana mahafoy tena ho anâny hafa ; ao ny ray aman-dreny no mampita ny finoana aminâny zanany. Mahazo vahana tsikelikely ny fiheverana fa ny fanambadiana dia fomba fanehoam-pitiavana fotsiny ihany, ka azo aorina aminâizay fomba itiavana azy, ary mety ovĂ na arakaraka ny fihetsehamponâny tsirairay. Saingy ny fandraisana anjaranâny fanambadiana, tsy azony ihodivirana, eo aminâny fiaraha-monina, dia mihoatra ny hoe fihetsehampo fotsiny, na ny hoe zavatra ilainâny mpivady aminâny fotoana voafetra fotsiny.â(Hafalianâny Evanjely n° 66). Ampirisihina isika handala mandrakariva ny hasinâny fianakaviana.
3. I Ramose Botovasoa sy ny Fiaraha-monina
Mikorosy fahana tanteraka ny fiainantsika Malagasy ankehitriny. Mbola mahazo tatitra maro mampihoronkoditra izahay : noho ny fikorontananâny toe-tany sy ny toetrandro, noho ny hai-tany mafibe, noho ny fitiavan-tena sy ny politikanâny samy maka ho azy dia mbola mahazo vahana be dia be ny fahantrana. Ny tsy fandriam-pahalemana efa mampandry tsy lavoloha ny maro ka mampitombo ny tebiteby marain-tsy hariva. Ny fifandraisanâny samy mpiara-belona feno tsy fifampitokisana. Mihanaka any aminâny seha-piainana manontolo ny kolikoly ary ny vidim-piainana tsy mitsaha mitombo.Tena mahazo toerana faratampony ny fitiavan-tena sy ny fanompoana ny VOLA. Vokatrâizany, tsy misy hasiny ny aina fa tahaka ny mamono akoho ny mamono olona. Maty ny MARINA eto Madagasikara
Inona Ă ry ny ataontsika (Lk 3, 10)? Nitady toko isika ka sendra vato. Ny fiainanâi Ramose Lucien Botovasoa dia toro-lĂ lana mazava hanampy handray andraikitra. Ny  fahaizany maneho ny fahatsorany no nahamamy hoditra azy teo aminâny mpiara-monina. Nahiran-tsaina izy, ka rehefa nahavita ny fianarany dia nampianatra tao Vohipeno. Tokana ny tanjona nokendreny taminâizany : ny  hampivoatra ny tanĂ nany aminâny lafiny rehetra.
Lehilahy Marina izy. Tsy nifikitra taminâny Vola sy ny harenâny tany. Moa ve tsy i Md François tany Assise ny fihetsiny?  Na dia hoy aza ny vadiny taminy indray andro : âtsy aleo ve ianao manam-pahaizana be io mba miditra ho âcomptableâ dia mahazo vola be dia be, ka tonga miadana isika, tsy sahirana toy izao?â Namaly izany am-pahatsorana ny Ramose Lucien: â Na dia manam-bola mahafeno ity trano ity aza isika, dia tsy hanan-karena toy izao ananantsika izao tsy akory, harena tsy mety ho voanâny harafesina!â
4. Tao aminâny fampianarana sy ny fanabezana
Ny fahaizany tenim-pirenana maro toy ny frantsay, anglisy, latina, sorabeâŠâŠ dia nampisokatra azy taminâny olon-drehetra, ka nantsoinâny olona izy noho izany hanoro hevitra aminâny zavatra maro. Nisongadina taminâizany ny fampihavanana ireo tanĂ na roa nanana olam-pifandraisana. Tsy nisalasala izy nifampidinika taminâireo ampanjaka sy ray aman-dreny mba hahitana vahaolana. Noho ny fitiavany ireo tanora izay babonâny alim- pandihizana sy dihy mamoafady dia sahy niteny tsy mihambahamba izy nanoro lalana mazava ho azy ireo.
Firifiry moa ireo tanora mivaona aminâny zava-maha-domelina sy fitondrantena ratsy ary ny heritsetra nefa jerentsika fotsiny? Tato ho ato, ny fanabeazana dia mody hasohasoina, kanjo havarina ambany dia ambany ka tsy ny fitondran-tena mendrika intsony no ampitaina fa ny fanafody tsy mampiteraka sy ny fanalalahana ny fanalan-jaza no hatao filamatra.
Ry tanora ĂŽ, mila olona tia vavaka sy tia mampianatra ny namana tahaka anâ i Lucien Botovasoa izao vaninandrotsika izao. Mila apostoly mirotsaka anâasa : mampianatra katesizy, miandraikitra fikambanana masina, mandray anjara aminâny asam-baomiera samihafa, ary indrindra malala-tĂ nana aminâny famelomana ny Eglizy misedra ihany koa ny fahantrana miaraka aminâny vahoaka. Aoka ho taranaka Mpanorina tahaka anâi Lucien Botovasoa ianareo fa tsy ho taranaka mpandrava laka. Hoy indrindra ny Papa François : Mahafinaritra aokâizany ny mahita tanora mirotsaka ho « mpivahiny masinâny finoana », faly mitondra anâi Jesoa eny aminâny lalam-be rehetra, eny aminâny kianja rehetra, manerana ny vazantany efatra ! (Hafalianâny Evanjely n°106).
5. Politikanâny fanasoavana ny tanindrazana aminâny fikatsahana ny soa iombonana ny anâi Ramose Botovasoa
Ny fahaizany sy ny fahendreny Ă ry dia nahatsapĂ na fa lehilahy tia sy mahafoy tena ho anâny tanindrazana izy. Tsy nanaiky hatao ho mpitarika ny PADESM na hiaraka aminâny MDRM satria tsy mifanaraka aminâny kosiansiny izany : âmiaina aminâny lainga ny politikanareo ka ho rĂ no hiafaranyâ hoy izy taminâizy ireo. Na izany aza tena nirotsaka aminâny fikatsahana mandrakariva izay hampandroso ny faritra izy. Noho io fomba fijeriny io dia nanenjika azy ireo manam-pahefana taminâizay ka nifofo ny ainy mihitsy, hamono azy ho faty. Dia hoy indray izy taminâizy ireo: â Fantatro fa hamono ahy ianareo ka tsy afaka manda aho; raha ny aiko no hahavotra ny olo-maro, aza misalasala ny hamono ahy ianareo. Ny angatahiko aminareo dia ny rahalahiko tsy ho kasihinaâ.
Ny zava-misy eto amintsika aminâizao dia: Ny politika mifototra aminâny lainga sy ny kobaka am-bava no mibaribary hitam-bahoaka. Tsy misy fanompoana fa fitadiavan-karena ankolaka no manjaka; kolikoly avo lenta. Ny vola sy ny fahefana no mibaiko. Tsy ny fahaizana sy ny fahendrena intsony no entina mampandroso ny Firenena. Tsy voafehy intsony momba ny fananan-tany hany ka marobe ny tany nolovaina taminâny razana no very na amidy aminâireo vahiny avy any ivelany mihitsy aza. Tonga miady, mifampitory, mifamono ny mpianakavy.
Aminâizao androntsika izao, mbola hisy ve Malagasy (39 taona) sahy hijoro ho vavalombelonâny marina na dia hamoizana ny aina aza izany, ho fitiavana ity tanindrazana malalantsika ity? Ho tonga ity ny fifidianana, hiharihary aminâny fampieleza-kevitra indray ve ny fampanantenana poakâaty, ny fampifandrafesana ny sokajinâolona samihafa, ny fanaparitahana vola hamitahana olona? Tsarovy fa âNy teny manaitra fa ny atao no mahasarikaâ. Tadidio fa i Botovasoa dia maty martiry noho ny fiarovana ny marina sy ny fitiavana namana. Hoy Izy : Â âEnga anie ny rako latsaka aminâny tany, ho fanavotana ny Tanindrazakoâ.
Ry Havana, antso avo ho antsika taranaka ankehitriny ny fiainanâi Ramose Lucien Botovasoa. Manainga antsika hanavotra ity Tanindrazana malalantsika ity hiaina ny marina ka  hahatonga ao aminy ny fihavanana sy ny fiadanana. Enga anie ny oha-piainana navelany sy vavaka ataony ho fanilo tsy maty vonoina ao ampontsika. Ankinintsika manokana anâi Masina Maria Mpanjakavavinâi Madagasikara ny ezaka rehetra ataontsika.
Mitsodrano anareo rehetra izahay
Antananarivo, anio 15 novambra 2017.
Fetinâ i Md Albert le Grand, Eveka, Mpampianatry ny Eglizy
Mgr DĂ©sirĂ© TSARAHAZANA, Arsevekanâi Toamasina, Filohanâny Fivondronambenâny Eveka eto Madagasikara
Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekanâi Morondava, Filoha lefitra
Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekanâi Miarinarivo, Sekretera Jeneraly
Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, ArsevekanâAntsiranana,
Mgr Odon Marie ArsĂšne RAZANAKOLONA, ArsevekanâAntananarivo,
Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekanâi Fianarantsoa,
Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekanâi Toliary
Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekanâi Port-BergĂ©
Mgr Rosario VELLA, EvekanâAmbanja
Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekanâi Mahajanga
Mgr Jean de Dieu RAOELISON, EvekanâAmbatondrazaka
Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekanâi Moramanga
Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekanâi Fenoarivo Atsinanana
Mgr Philippe RANAIVOMANANA, EvekanâAntsirabe
Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekanâi Maintirano
Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, EvekanâAmbositra
Mgr JosĂ© Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekanâi Mananjary, Administrateur Apostolique-nâi Farafangana
Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, EvekanâIhosy
Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekanâi Tolagnaro
Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekanâi Morombe
Mgr Michel MALO, ArchevĂȘque EmĂ©rite dâAntsiranana
Mgr Philibert RANDRIAMBOLOLONA, ArchevĂȘque EmĂ©rite de Fianarantsoa
Mgr Raymond RAZAKARIVONY, EvĂȘque EmĂ©rite de Miarinarivo
Mgr Antonio SCOPELLITI, EvĂȘque EmĂ©rite dâAmbatondrazaka
Mgr Joseph Donald LĂ©o PELLETIER, ĂvĂȘque ĂmĂ©rite de Morondava
Mgr Armand TOASY, EvĂȘque EmĂ©rite de Port-BergĂ©
RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain-de Tsiroanomandidy