]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Zafy Albert. Fisaonam-pirenena: ny praogramam-panjakana

Zafy Albert. Fisaonam-pirenena: ny praogramam-panjakana

Ny Praiminisitra Olivier Mahafaly sy solontan'ny fianakavian'ny Profesora Zafy Albert

Tsy maintsy miteny sy mampita ny zava-misy marina eto amin'ny firenena. Izany koa anisan'ny asana mpanao gazety. Vaka ny ankamaroan'ny Malagasy n'inona n'inona izay filazan-dry matihanina isany. Filoha voafidy nitondra firenena teo aloha ve no nodimandry dia tsy nanana na iray segondra akory aza ity filoha am-perinasa? Fa dia ny Praiminisitra no navelany teo na dia tsy anjarany izy samy irery asa izany adidy goavana sy masina izany. Soa fa nandray andraikitra ity farany. Iza koa moa no afaka omeny andraikitra eo, satria izy no Praiminisitra ao amin'ny fahefana mpanatanteraka (Premier ministre exécutant de l'exécutif)?

Fa dia mpitondra ahoana loatra va re ity Hery Rajaonarimampianina ity e? F'angaha ny Malagasy lasa miady amam-paty indray amin'ity repoblika faha-efatra efa sadasada be ity? - Jeannot Ramambazafy -

Ttf: Niteny ihany ingahy filoha Hery, androany 13 Okotobra 2017 hariva, fa tsy nihoatra ny roa minitra ny teniny. Asa, vontom-pahoriana be loatra?

Hoy tokoa izy mantsy :

Ry Vahoaka malagasy,
Amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert androany tany amin’ny Nosy La Réunion.
Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1993 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena.
Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.
***************

Mis Ă  jour ( Dimanche, 15 Octobre 2017 05:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA