]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Nosy Malagasy. Taratasy misokatra ho an’ny Filoha Rajaonarimampianina

Nosy Malagasy. Taratasy misokatra ho an’ny Filoha Rajaonarimampianina

Antananarivo, faha 14 aogositra 2017

Ho an’Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA

Filoham-pirenena Malagasy

Lapam-panjakana Iavoloha

ANTONY: FITAKIANA IREO NOSY MALAGASY SY NY FANOMEZAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA FRANTSAY TAMBINY HO AN’NY FIANAKAVIAN’IREO MPANJONO MALAGASY NIHARAM-BOINA

Andriamatoa Filoham-pirenena,

Afaka iray volana katroka ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New York ka raisinay voninahitra no mandefa ity taratasy ity aminao nohon’ny antony voalaza etsy ambony.

Araka ny efa fantatrao dia nisy ny « Symposium national pour la restitution des Iles Malagasy » (Iles Eparses) tamin’ny 23 jolay 2016 tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izay nandraisan’ny solontenan’ny olom-boafidy, ny Antoko politika sy ny fiaraha-monim-pirenena, ny mpitondra fivahanana, ireo Ray aman-dreny ara-drazana, ny avara-pianarana, ny tanora, ny vehivavy avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara.

Raha fintinina ny fehin-kevitra tapaky ny mpizaika izay tsy nisy nitsipaka dia ny famerenan’ny fitondram-panjakana frantsay tsy misy hatak’andro ireo nosy malagasy (Iles Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India), tsy ekena ny fiaraha-mitantana (cogestion) ireo nosy malagasy ireo, ny fanomezan’ny fitondram-panjakana frantsay tambiny ho an’ny fianakavian’ireo mpanjono malagasy nodimandry tany an-dranomasina nohon’ny fehitsiky ny tafika an-dranomasina frantsay tamin’ny 29 mas 2014 sy ny toe-draharaha hafa taty aoriana.

Miangavy anao izahay, Andriamatoa Filoham-pirenena, hitondra izany hetahetam-bahoaka izany manoloana ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana amin’ny volana septambra 2017 mandritra ny fandraisanao fitenenana mba ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena Malagasy.

Maneho fisaorana anao mialoha izahay amin’ny fiaraha-miasa.

Marihina fa vonona handray anjara feno amin’ny fivoriana momban’ny famerenana ireo nosy malagasy izay hataon’ny firenena roa tonta ny ANM ary maneho fisaorana sy mankahery an-dRamatoa Dr RANDRIANARISOA Ylénia Léonide – Sekreteram-panjakana miandraikitra ny ranomasina izay nijery ifotony ireo mpanjono nentim-paharazana, manao ny ezaka rehetra amin’ny famerenana ireo nosy malagasy miaraka amin’ireo « Fikambanana mitaky ireo nosy malagasy » amin’ny alalan’ny adi-hevitra eo amin’ny firenena roa tonta ao anatin’ilay vaomiera « iles éparses » eo anivon’io Sekretariam-panjakana io. Miray feo sy miara-mientana ny vahoaka malagasy amin’ny fialana amin’ny fanjanahan-tany ara-politika satria nalan’ny fitondram-panjakana frantsay tamintsika an-kolaka sady tsy mifanaraka amin’ny Lalàna iraisam-pirenena sy ny Fehin-kevitry ny Firenena Mikambana 1514 (XV) tamin’ny 14 desambra 1960 momban’ny fanomezana ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka ireo nosy malagasy ireo tamin’ny alalan’ny fampiharany samy irery ny didim-panjakana n°60-555 du 01 aprily 1960, izany hoe 80 andro talohan’ny fanambarana ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 1960.

Raiso, Andriamatoa Filoham-pirenena, ny haja ambony indrindra atolotray anao.

Arlette RAMAROSON

Filohan’ny ANM

Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha

Nandefasana kopia mitovy:

Ramatoa Sekreteram-panjakana miandraikitra ny ranomasina

Mis à jour ( Lundi, 14 Août 2017 10:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30