]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ilakaka. Jean Laurent Razafimamonjy: polisy mandrahona ao aminy Facebook

Ilakaka. Jean Laurent Razafimamonjy: polisy mandrahona ao aminy Facebook

Raha mbola tsy fantatra ny mikasika ireo polisy navanon-doza nandoro trano tany amin’ny faritra Sofia tany, dia mbola polisy ihany ny sahy mandrahona mpanao gazety amin’ny alalàn’ny facebook.

Tsy hiverina hiditra lalina amin’ny tranga niseho tao aminy radio Jupiter (vakio ETO sy ETO ary ETO) aho, fa ny zava-misy dia tsy mahafehy tena mihitsy ity polisy iray ity.

Io ny lehilahy mandrahona olona nefa hoe mpitandro filaminana. Ho aiza mihitsy ary ity firenena malagasy ity e?

Jean Laurent Razafimamonjy ny anarany entiny ao aminy facebook. Tena anarany io ary tena polisy izy. Dia io nandrahona an’i Fernand Cello fa “hamboariny” hono. Hanamboatra no izy fa tsy "hanambotra" sa koa hambotry tsotra izao? Ary raha atao ary hoe hanambotra (avy amin'ny teny misambotra), taiza teto an-tany no nisy mpitandro filaminana iray manan-jo hanambotra olona iray tsy misy taratasy? Hanamboatra ianao rangaha a! Ka meloka ianao.


Samy mahalala ny dikan’io “hamboarina” io raha mbola Malagasy ihany. Fa dia ahoana loatra? Sa rehefa mpitandro filaminana dia mihevitra ho tsy matimanota satria hisy hiaro foana ao ambony ao? Tsy ampy angaha ny nanjo ny minisitrareo Anandra Norbert?


Ny mpanao gazety Fernand Cello

Ka n’inona n’inona dia nanapak’hevitra hitory azy i Fernand Cello, amin’io fandrahonana nataony io. Dia ho hitan-tsika eo raha tena tany tan-dalàna tokoa ity Madagasikara ity.


Marihina fa na ho fafany aza io fandrahonana io dia efa vita sary ary alefa any amin’ny sampana misahana ny fitoriana. Tsy resaka tahotra koa ity resaka ity fa zon’ny rehetra ny mitory rehefa hiatra aman’aina fa tsy hiandry ferapara vao hikoropaka… Ka dia asa izay ataon'ny minisitry ny Polisy vaovao, Mamy Jean-Jacques Andrianisa, notendren'ny Filoham-pirenena manokana. Sa izaho manoratra ity lahatsoratra ity no adala very saina ("aliéné mental") fa tsy misy izany fandrahonana izany? Fa... fisaorana ny dikan'io "hambotra" io? Asa...

Jeannot Ramambazafy – 06 Marsa 2017

Mis Ă  jour ( Lundi, 06 Mars 2017 14:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA