]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. RSF: manameloka ny lalàn-tserasera manono ny fahafahana

Madagasikara. RSF: manameloka ny lalàn-tserasera manono ny fahafahana

Tena mamono ny fahafahana tanteraka io lalàn-tserasera tiana ho laniana ao Madagasikara ao

Ny minisitry ny Serasera, Vonison Andrianjato Razafindambo -mpanao gazety ihany koa- sy Gérard Rakotonirina. Tena "collé-serré" ara-baki-teny

Raha tsy re teny mihitsy i Gérard Rakotonirina (ATO NY ANTONY), filohan'ny OJM (Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara) izay tokony hiaro sy ho sarotiny amin'ity asa fanaovan-gazety ity -toa ny nataon-dry Ralaiarijaona, Mompera Rémi Ralibera, Anicet Andriantsalama sy James Ramarosaona sy Ruffin Rakotomaharo nodimbiasany- dia ny any ivelany indray no nitsangana nanameloka io resaka fanampenam-bava ny mpanao gazety malagasy, eny ny vahoaka malagasy iray manontolo mihitsy. Eo anatrehin’ny zava-doza haterak’ity « Code de la communication médiatisée » na lalàna-tserasera raha tsorina, dia nampiaka-peo ny « Reporters Sans Frontières » (RSF). Izao ny fijeriny azy io:


Christophe Deloire, Sekretera jeneralin’ny « Reporters Sans Frontières »

Ny andininy sasany ao anatin’io volavolan-dalàna mikasika ny serasera io dia tena manitsaka tanteraka ny zo fototry ny fahalalahana mahazo vaovao. Ny mpanao gazety dia tsy natao ho mpiambina ny fandriampahalemana eo amin’ny lafiny sosialy. Ny anjaran’ny mpanao gazety dia ny manome vaovao, eny na dia manenligelina io vaovao io. Ny vesatry ny sazy dia tsy mifanentana amin’ny fanaovan-gazety mihitsy. Fandrahonana ho an’ny mpanao gazety izany ka hanery azy ireo hanao sivana ny tenany (« autocensure »). Manjavona ihany koa ny fomba namaritana ny tokony mahavoasazy na tsia, eo amin’ny vaovao avoaka.

Tena tsy tokony amaivanàna mihitsy izany rehetra izany ka ho lanian’ny depiote amin’izao fotsiny. Mila averina dinihina io volavolan-dalàna io ary ny tena sosokevitry ny mpanao gazety tamin’ny nandrafetana azy io dia tokony henoin’ny parlemantera voafidy.

Reporters Sans Frontières – 16 Jona 2016

Nandika : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 18 Juin 2016 06:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA