]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Genève. Hanatrika ny faha-60 taonan’ny UNCTAD ny Filoha Andry Rajoelina mivady

Genève. Hanatrika ny faha-60 taonan’ny UNCTAD ny Filoha Andry Rajoelina mivady

 

 

* * * * * * *

Ny « Conférence des Nations unies sur le Commerce et le Développement » (CNUCED) na Konferansin’ny Firenena Mikambana momban’ny Varotra sy ny Fampandrosoana, dia sampana iray ao amin’ny Fivoriam-ben’ny Firenena Mikambana nitsangana ny 30 Desambra 1964. Ny antom-pisiana dia ny hampiditra ireo firenena an-dàlam-pandrosoana mba andray anjara ao anatin’ny tontolo ekonomika maneran-tany. Izany dia mba hafahan’ireo firenena ireo hanatsara ny fivoarany.


Madagasikara moa dia ny 20 septambra 1960 no niditra mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana. Izany hoe mpikambana tanteraka ao amin’ny CNUCED izy efa tamin’ny andron’ny Filoha Philibert Tsiranana.

Fiaraha-miasa ara-teknika no tena sahanin’ny CNUCED tam-boalohany mba hanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana hiditra amin'ny toekarena manerantany amin'ny fanamorana ny fandraisan'izy ireo anjara mahomby amin'ity farany, indrindra amin'ny resaka varotra, fitantanam-bola ary fampahalalam-baovao.


Ity taona 2024 ity izany dia manamarika ny faha-60 taonan’ny CNUCED (1964-2024). Ao anatin’izany fankalazana izany no nanovana ny « logo »-ny UNCTAD (« United Nations Conference on Trade and Development » na « Conférence des Nations Unies pour le Commerce et le Développement » amin’ny teny frantsay, izay lasa « ONU Commerce et Développement », ny 09 Avrily 2024. Ny Sekretera jeneraliny, Ramatoa Rebeca Gryspan no nampiseho izany « logo » vaovao izany, tao Genève, Suisse, Foiben’ny UNCTAD sy toerana hankalazana ny faha-60 taonany ny 12 hatramin’ny 14 Jona 2024.

Isan’ireo Filoham-pirenena telo nahazo fanasana manokana, ny filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny. Ny Filohan'ny Comores, Azali Assoumani, sy Togo, Faure Gnassingbé, no Filoham-pirenena roa hafa voaasa.

Tsiahivina fa Ramatoa Rebeca Grynspan Mayufis dia teratany avy ao Costa Rica, ao Amerika afovoany, ary ny 13 Septambra 2021 izy no voatendry ho Sekretera jeneralin’ny UNCTAD. Izy no vehivavy voalohany, ao amin’ny Tantara io sampanan’ny Firenena Mikambana io, no misahana izany toerana Sekretera jeneraly izany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 12 Juin 2024 07:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30