]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Elisabeth Borne dia mpanao politika frantsay teraka ny 18 Aprily 1961 tao Parisy ary notendren’ny Filoha Emmanuel Macron ho Praiminisitra nanomboka ny 16 May 2022. Fa iza moa i Ramatoa Borne ?

Injeniera jeneralin'ny Tetezana, ny Rano sy ny Ala, i Ramatoa Borne, nianatra sy nahazo diplaoma avy tao amin’ny « École Polytechnique » fantatra amin’ny hoe « l’X » sy tao amin’ny ENPC (« École nationale des Ponts et Chaussées »). Préfet tao amin'ny faritr'i Poitou-Charentes nanomboka tamin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2014, avy eo dia Talen'ny Kabinetran'i Ségolène Royal tao amin'ny Minisiteran'ny Ekolojia ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2015. Taorian’izay dia Filohan'ny RATP (« Régie autonome des transports parisiens ») ny taona 2015 ka hatramin'ny taona 2017 i Elisabeth Borne.

Rehefa mpikambana hatramin’ny ela tao amin’ny antoko sosialista (PS) frantsay i Elisabeth Borne, dia niditra tao amin’ny antoko « La République en marche » (LREM) natsangan’i Emmanuel Macron. Tsy nahagaga izany raha voatendry ho Minisitry ny Fitanterana izy, ny volana may 2017, tao anatin’ny Governemantan’ny Praiminisitra Edouard Philippe voalohany, teo amban’ny fiadidian’ny Filoha Emmanuel Macron.

Tamin’ny volana jolay 2019, lasa Minisitry ny Tetezamita ara-tontolo iainana sy Firaisan-kinana izy, nisolo toerana an’i François de Rugy, izay nametra-pialàna. Ny taona nanaraka dia voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fananan’asa ary ny Fiverenana amin’ny Asa izy, tao amin'ny governemantan’ny Praiminisitra Jean Castex. Niditra tao amin'ny antoko « Territoires du Progrès » izy io taona 2020 io.

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nahalany fanindroany an’i Emmanuel Macron, dia voatendrin’ity farany ho Praiminisitra i Elisabeth Borne, ny 16 may 2022. Izy izany no vehivavy faharoa nitana io toerana io tao amin'ny governemanta frantsay, telopolo taona taorian'i Edith Cresson, tao amin’ny governemanta fahatelon’ny fotoam-piasana faharoan’ny Filoha François Mitterrand. Izany dia nanomboka ny 15 may 1991 ka hatramin’ny 2 avrily 1992.


Ny hatsiarovako an’i Edith Cresson mandrakizay dia ny teniny tao amin’ny filazam-baovao tao amin’ny Tf1, ny volana may 1991, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety Jean-Pierre Rondeau mikasika ny «Bourse» na Tsenam-bola. Izao no valintenin’ny Praiminisitra Edith Cresson tamin’izay: « La Bourse, je n’en ai rien à cirer ». Azo adika amin’ny hoe : tsy misy rahariako an’izany Bourse izany…

Jeannot Ramambazafy - 17 May 2022

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 Mai 2022 07:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO