]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Praiminisitra Christian Ntsay sy Antananarivo dibo-drano: «misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina»

Praiminisitra Christian Ntsay sy Antananarivo dibo-drano: «misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina»

Niteraka fahavoazana ho an’ny mponina maro eto an-drenivohitra ny fahasimbana toeram-ponenana sy fihotsahana tany vokatry ny rotsak’orana nisesy tao anatin’ny andro vitsivitsy ka misy ireo tena tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao.

Manoloana izany dia nanapa-kevitra hametraka rafitra hanaovana vonjy aina ny fitondram-panjakana. Isan’izany ny toby maromaro handraisana ireo traboina (« sites d’hébergement ») eto Antananarivo ka nidina ifotony nijery izany ny alin'ny 19 janoary 2022 ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary ny teny Ankorondrano no nanombohana ny fitsidihana.

Nomarihin’ny Praiminisitra fa ifarimbonan’ny avy amin’ny ministera, ny Tafika, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ary ireo rantsamangaika toy ny BNGRC, ny fandaminana ny fandraisana ireo traboina. Azo lazaina fa efa milamina raha ny ao Ankorondrano manokana, saingy « misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina », hoy ihany ny Praiminisitra, satria hojerena akaiky avokoa na ny fomba hiainan’ireo mponina eo anivon’ny toby, na ny sakafon’izy ireo, indrindra ny lafiny ara-pahasalamàna.

Notsiahivin’ny Praiminisitra fa mbola ao anatin’ny vanim-potoana ipariahan’ny valanaretina covid-19 isika ka noraisina manokana ny fepetra hametrahana toeram-pitsaboana isaky ny toby fandraisana traboina, ary ny mbola hametrahana toby vaovao hafa, mba hahafahana mandray izay mety ho traboina rehetra, ary izany dia ao anaty fanajàna tanteraka ny fenitra ara-pahasalamàna.

Mahazoarivo, 19 janoary 2022

Seraseran’ny Primatiora sy Madagate.org

Mis à jour ( Jeudi, 20 Janvier 2022 02:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30