]
Les quotidiens du 20 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

FAMPITAM-BAOVAO

FANAMBARANA VOINAM-PIRENENA

Mahazoarivo, ny 24 Janoary 2020 - Manoloana ny voina izay nihatra tamin’ny faritra maromaro izay nateraky ny rotsak ’orana be loatra dia nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny filankevi-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny maha-filoha mpitantana io rafitra io azy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian teto Mahazoarivo androany.


Fivoriana izay nandinihana sy namakafakana ireo fahavoazana misy ka ahafahana mamaritra paikady entina mitondra vahaolana sy fanampiana avy hatrany ho an’ireo traboina ary hanarenana farany izay haingana ny fahasimbana misy, indrindra amin’ireo Faritra fito izay tena nitondra takaitra. Raha ny tarehimarika voaray nandritra ny fivoriana dia fantatra fa manodidina ny 80.000 ny isan’ireo tra-boina, 21 no namoy ny ainy ary 20 no tsy hita popoka, tarehimarika izay mety hisy fiovana. Misy eo ankilan’izany ny fahatapahan’ny lalana maromaro, toy ny RN4, RN6, RN7, RN1 BIS, RN3A, RN34.


Noho izany dia nanao “fanambarana voinam-pirenena” na “déclaration de sinistre national”, noho ny voina nateraky ny andro ratsy izay nitondra rotsak’orana be loatra ny Praiminisitra, ka ankoatra ny fampiasana ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanana dia manao antso avo amin’ny rehetra izy mba hifanome Tanana amin’ny vonjy aina sy ny fanarenana ny fahasimbana.

Entanina ny rehetra ho mailo ny amin’ireo loza maro mety hiseho tahaka ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany, fahatapahan’ny andrin-jiro…; ary hanaraka ireo toromarika izay omen’ireo tompon’andraikitra.

Ny Serasera

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale