Izao izany ny hoe « delegasiona ofisialy » nandaniana ny volam-bahoaka a ? Rajaonarimampianina mianakavy ireo, miampy ny minisitra Rivo Rakotovao, Filohanâny antoko Hvm (fahatelo ankavia) sy VĂ©ronique Resaka, « chargĂ©e dâAffaires » malagasy ao aminâny Masoivoho ao Parisy, any Frantsa (ankavanana indrindra)
Dia mbola fitaka indray no nataonâny ao aminâny fitondrana malagasy e ! Ny 26 Jona teo dia nalefa ny fampilazana ho anâny mpanao gazety fa voaasa ara-pomba ofisialy ny Filoha Rajaonarimampianina hihaona aminâny Papa Ray Masina François, any Vatican. Tampotampoka teo izany. Ka na dia nisy maty sy naratra aza teny Mahamasina, ny folakâandro, dia lasa ihany izy mianakavy, tsy nampilaza toa ny mpanao ratsy mitsaoka.
Tonga tany anefa izy rehetra, inona no teo ? Nambaranâny Radio Vatican mazava fa fitsidiana manokana (« audience privĂ©e ») sy ara-pianakaviana (« familiale ») no nalehanâilay Filoha malagasy tany, ny asabotsy maraina 28 Jona. Io sary io ambony io no porofo mivaingana tsy azo ivalozana ! Izany hoe tsy fitsidiana ara-pomba ofisialy na ilay hoe « visite dâEtat » akory. Raha ny marina izany dia tokony ny volany manokana no nandoavana ny saranâizy mianakavy nandehana tany Roma fa tsy ny volam-bahoaka mihitsy no nanaovana kĂ poky ny tsy miala vola. Sady aminâizay efa mihaotra ny folo ny « delegasiona » nanaraka izy mivady.
Ny tao aminy Tvm moa dia natao toa tena fandraisana makotrokotroka ny fisehoanâilay fitsidiana. Tena manozon-tena mihitsy anie ity Filoha vaovoa ity e ! Aiza ka : namely mafy ny rivo-doza Hellen tany avaratra tany. Lasa izy nandeha ho any Bruxelles. Noravana ny trano etsy Ankadimbahoaka, lasa ihany izy nandeha tany IsraĂ«l. Tsy nisy teny fampiononana mitaratra ny maha-Malagasy avy any aminy mivantana mihitsy. Ary koa aminy maha ray aman-drenin'ny Malagasy tsy vaky volo azy.
Fa dia mihevitra mihitsy ve ity filoha vaovao ity, aminâizao andronâny fifandraisana eo no eo izao fa ho takona ny tena zava-misy marina ataony ? Afa ny zavatra mivoaka ny vavany ary afa ny zavatra ataony. Fâangaha dia laharam-pahamehana io fitsidiana ara-mpianakaviana ny Papa François io ? Samia miheritreritra lalina isika Malagasy rehetra fa ho ratsy ny tohinâny tantara... Manao izay tiany atao ilay filoha vaovao satria voafidim-bahoaka. Ary na dia izaho manokana aza re fa dia tadiavina hanaovana antsojay. Satria matahotra ny marina ve e ? Tsotra ny teniko : aza manambĂ ny tena aminâizany fa hahitsio dieny izao ny famindra. Zafy albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana. Tsisy izay tsy mahalala ahy ireo Filoha ireo. Tsy nisy na iray aza nitady biby kely taty amiko satria ny marina marina ihany. I Didier Ratsiraka aza nanome baiko hamoahana ahy taminy izaho tratra sambo-belona tany Diego. Sa hanao fisamborana « vaovao » ianareo ao ambony ao satria anisan'ny "mpanatsatso" ny tenako ? Eo isika mahita azy, hoy i Jaojoby izay.
Jeannot Ramambazafy â 28 Jona 2014