]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy R. Rajoelina. Kabariny tao amin’ny Jaipur Foot Camp Andraharo, ny 12 Novambra 2024

Mialy R. Rajoelina. Kabariny tao amin’ny Jaipur Foot Camp Andraharo, ny 12 Novambra 2024

V I D E O

" Amin-kafaliana no hiarahabako anareo rehetra androany feno fankasitrahana ihany koa amin’ny maha-Reny mpiahy ahy ny « Jaipur Foot Camp » voalohany eto Madagasikara.

Mino aho fa ny hetsika hataon-tsika eto amin'ny Galaxy Andraharo, ato anatin'ny 42 andro, dia hamelona ny Fanantenana ho an’ireo mpiray Tanindrazana amintsika izay maniry ny hiverenan’ny fahafahan’izy ireo mamindra ary hananany fahaleovantena.

Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena ary manana tombony lehibe ny olona salama sy tomady. Izay no antony hijoroko ary manohana hatrany ireo tetikasa mitondra Fanantenana ho an’ireo izay tsy manana fahafahana hisitraka izany. Noho ny ezaka nataon’ny BMVSS (Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti) amin’ny alalan’ny « Jaipur Foot », izay modely iraisam-pirenena amin’ny fifanampiana sy fitsinjovana ny maha-olona, dia maherin’ny 500 izay manana fahasembanana sy takaitra no hisitraka maimaipoana ireo ratsam-batana artifisialy na « prothèses ».

Fanampin’izany dia hisy fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny Centre d’Appareillage de Madagascar, ao Befelatànana, mba hafahan’izy ireo mifehy ny dingana fanarenana na « rééducation ».

Ny fampiofanana ho an'ireo mpitsabo ireo no hampaharitra ny tetikasa sy hanatsara ny rafi- pahasalamana eto amintsika. Iainanareo tanteraka ny teny filamatra napetrakareo izay manao hoe « Fianakaviana iray ihany izao tontolo izao », satria hita taratra fa ny asa soa ataonareo malala tànana, dia tsy mifidy toerana na aiza na aiza.

Koa amin'ny anaran'ireo nahazo tombontsoa dia maneho fisaorana eram-po eran-tsaina tamin'ny nisafidiananareo an'i Madagasikara. Miraikitra eo amin'ny tantaram-piainan'izy ireo ny fandalovanareo eto. Ny « Jaipur Foot » dia tsy fitaovana ara-pitsaboana fotsiny fa antoky ny Fahaleovantena sy ny Fahafahana.


Olona maro avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no mahazo « prothèses » :

• Ao ireo izay tsy mbola nahatsapa izany fahafahana mihetsika izany mihitsy. Saingy ankehitriny dia afaka milalao sy mandeha mianatra ankahalalahana ;

• Ao ihany koa ireo izay mety niharan'ny lozam-pifamoivoizana na sendra aretina, ka noho ireto « prothèses » ireto dia afaka mahaleo tena indray ary afaka mandray anjara feno amin’ny Fampandrosoana ny Firenena. Eto aho dia maneho fisaorana ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ity fanamby lehibe ity.

Izany no tontosa dia noho ny fanohanana, ny filofosana ary ny fanolora-tenanareo. Nampiseho modely ianareo fa ny firahalahiana sy ny fifampitsimbinana dia harena sarobidy ho an'ny Firenentsika ; ary izany dia mitondra avo ny toe-tsain'ny fifampizarana. Ny fanolorana fanampiana na « dons » dia misy akony tokoa, nefa tsy tokony hijanona amin'izany isika.

Ny fanomezana dia varavarana manokatra làlana entina manatanteraka vina vaovao, mitarika antsika amin’ny tetikasa maharitra sy fandrosoana azo tsapain-tànana. Ka tsy tokony hionona amin’ny fandraisana fanomezana fotsiny isika, fa tokony hampiroborobo ny finiavan’ny tsirairay handray andraikitra.

Zava-dehibe loatra ohatra ny fandraisana ny fepetra fanafahan-ketra amin’ny fadin-tseranana izay nanomboka nihatra ny janoary 2011 sy ny fanafahan-ketra amin’ny TVA nanomboka ny volana Aogositra 2021, amin’ny fitaovana ara-medikaly ho an’ny olona manana fahasembanana.

Safidy tsara sy voahevitra ary manaporofo ny fahavononantsika hananganana fiarahamonina mampiaty izany. Koa andao isika hanamafy ny Firaisankina ka ny Fahasalamana no ataontsika fototra sy voalohan-daharana amin’izany.

Mirary soa ho antsika rehetra ! "./.

Ramatoa Mialy R. RAJAOELINA

Vadin’ny Filoham-pirenena malagasy

Filoha Mpanorina ny Association FITIA

Mis à jour ( Mercredi, 13 Novembre 2024 09:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA