]
Les quotidiens du 30 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Sylvain Willy Rabetsaroana : «Ny vahoaka anie ny tompon’ny teny farany e !»

Sylvain Willy Rabetsaroana : «Ny vahoaka anie ny tompon’ny teny farany e !»

Andriamatoa Sylvain Willy Rabetsaroana

Eo anatrehin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, hatao ny 09 Novambra 2023 dia manan-kolazaina ihany koa Andriamatoa Sylvain Willy Rabetsaroana, Loholona teo aloha, Kandida tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ary mpikambana ao amin’ny antoko Avi.


« Mikasika ny G7 (Fivondronan’ny firenena fito matanjaka dia : Allemagne, Canada, Etats-Unis, France, Italie, Japon, Royaume-Uni) ? Tsy dia mazava loatra ilay zavatra resahin-dry zareo. Fa izy moa izany « partenaire financier et technique » manome vola dia miditra amin’ilay izy, izy.

Fa ry zareo ve mahalala ny olona eto Madagasikara ? Mametraka fanontaniana fotsiny ahy… Ohatran’ny manao fanambarana ry zareo nefa ny fanambarany tsy mazava loatra, dia avelao ny Malagasy no hanao ilay izy (fikarakarana ny fifidianana). Malagasy ihany no mahalala ny mahasoa azy anie e ! Malagasy no mahalala ny fahorian’ny malagasy ; Malagasy no mahalala ny fampandrosoana atao amin’ny fireneny.

 

Ny mpanao politika koa tokony mba hiova ny foto-pisainany fa tsy hikorontana foana. F’andao isika hiroso amin’ny fifidianana dia ho hitan-tsika eo. Izay maharesy harabaina, izay resy tsy hakoraina.

Efa nandalovan-tsika matetika ny resaka Tetezamita fa mitondra ny firenena any amin’ny làlana tsy tokony andehanany. F’efa mipetrapetraka daholo ny kalendrie : efa vonombonona daholo ny kara-pifidianana ; ny Ceni manao ny asany.


Mikasika ny kandida folo ? Ny kandida anie tsy maintsy miteny foana e ! Fifidanana izany anie ady saritaka izany e ! Samy mieritreritra izay hahasoa azy, samy mieritreritra izay hazoany fitondrana. Fa ny vahoaka anie ny tompon’ny teny farany e ! Dia ho hitan-tsika eo. Hanao fanambarana ihany koa ny antoko Avi tsy ho ela, momban’io fifidiana io »./.

Nandray an-tsoratra ny feo : Jeannot Ramambazafy - 21.09.2023

Mis à jour ( Jeudi, 21 Septembre 2023 17:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA