]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une LAMASININA. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE (FIANARANTSOA-Côte Est)

LAMASININA. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE (FIANARANTSOA-Côte Est)

VIDEO ICI

Zoma 26 May 2023. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE na Fianarantsoa Côte Est mampitohy an'i Fianarantsoa amin'i Manakara. Ny Filoha Andry Rajoelina mivady, niaraka tamin'ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, Valery Ramonjavelo no tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa. Satria vita tokoa ireo asa fanarenana sy fanamboarana natao.


Nandritra ny taona maro no nikatso ny zotra FCE. Niezaka nitondra vahaolana tamin'izany ny fitondram-panjakana notarihin'ny Filoha Andry Rajoelina. Ny taona 2021, nisy ny lohamasinina ("locomotives") miisa efatra natolotry ny Filoha ; teo ihany koa ny "wagons" mitondra mpandeha miisa efatra ihany koa. Tamin'izany ny tenany no efa nampanantena ny hamerenana ity zotra an-dalamby ity indray.

Ny volana Febroary 2023, vantany vao tonga teo amin'ny fitantanana ny ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro ny Minisitra Valery Ramonjavelo sy ny ekipany, dia anisan'ny fitsidihina voalohany nataony ny tao amin'ny FCE Fianarantsoa. Nitady ny vahaolana maika hafahana mamelona sy mamerina izany ao anatina fotoana fohy. Izay rahateo no fifanarahana na "contrat" nifanaovan'ny Minisitra tamin'ny Filoha, dia ny hamelomana aingana ireo zotra an-dalamby eto Madagasikara, fa indrindra ny FCE.


Tao anatin’izany ny fandoavana ireo karaman’ny mpiasa sy ny fandraisan’ny fanjakana an-tànana ireo fisotroan-drononon’ireo mpiasa izay tsy voaloa. Natsangana tamin’izany ny Komity fanarenana ny FCE na ny "Comité de redressement". Teo ihany koa ny Fitantanàna iombonana na "Direction collégiale" izay nanakinana ny fanarenana ny orinasa. Telo volana aty aoriana, nahitam-bokany ny ezaka natao ka dia hiverina handeha ny zotra an-dalamby FCE.


Nambaran'ny Minisitra Ramonjavelo tao anatin'ny lahateniny ireo asa rehetra natao tao anatin'izay telo volana izay. Ny volana Avrily, dia efa nisy ny zotra nampitohy an'i Fianarantsoa sy Sahambavy, izay nantsoina hoe "Train Pascal". Olona an'arivony no mpandeha nentiny tamin'izay. Amin'izao fanombohan'ny fiverenany ny fandehanan'ny zotra FCE izao, dia hiainga ao Fianarantsoa ary ho tonga hatreo Manampatrana ny lamasinina. Amin'ny volana Jona 2023 kosa no ho tonga hatrany Manakara izany. Efa tonga any Manakara rahateo ny "draisine" (karazana "plateau" misy kodiarana vy manaraka ny lalamby, voizina amin'ny tànana na amin'ny tongotra) hanokatra ny làlana sy hikojakoja ireo lalamby ("rails").


Ny Filoha Andry Rajoelina indray dia nambara fa zava-dehibe ny famerenana ity zotra an-dalamby FCE ity noho izy lalan-drà mampitohy an'i Fianarantsoa sy ny Faritra Fitovinany, mandalo amin'ireo kaominina marobe ao anelanelany. "Ny lalamby mantsy" hoy izy, "no làlana hafahana mamoaka ny vokatra ; ny lalamby no anisan'ny mampiaina sy mampiodina ny sehatra ara-ekonomika amin'ireo toerana rehetra lalovany".


Notsiahivin'ny Filoha fa nanomboka ny taona 1936 nisokafany, zara raha nisy ny fikojakojana natao tamin'ity fitaterana an-dalamby ity. Nandritra izao fitondrana izao kosa no nijerena akaiky izany indray, ka ankoatra ny fanamboarana ny lalamby, dia tao ny fividianana ireo lohamasinina sy ny maro hafa, ka anisan'ny asa natao ihany koa ny fanamboarana ireo "gares" (fiantsonana'ny lalamby) rehetra lalovany. Ary nanome toromarika manokana ny Filoha Rajoelina amin'ny hanamboarana ny fiantsonana ao Fianarantsoa. Mbola hisy ihany koa ny fijerena lohamasinina vaovao mba tsy ahatapatapaka intsony ny fitaterana.


In-telo isan-kerinandro no hisy ny zotra mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manampatrana amin'izao fiverenany izao indray. Toy izany ihany koa rehefa hisokatra ny hatrany Manakara, manomboka ny volana Jona ho avy. Tsy hifanalavitra amin'ny saran-dàlana teo aloha ny saran-dàlana, na misy aza ireo fanavaozana natao. Araka izany dia ho mora lavitra noho ny fitaterana entana amin’ny alalan’ny fiara be ("camion") ny fitaterana entana amin’ny lamasinina, ary tsy hifanalavitra amin’ny an’ny taxiborosy ny fitaterana olona  amin’ny lamasinina izay hahatratra ireo tànana mitoka-monina tsy tongan’ny fiara hatrizay.

Ny tanjona dia ny mba hahaleo tena tanteraka ity zotra an-dalamby FCE ity amin'ny resaka ara-bola, izany hoe afaka mamelo-tena aoriana kely ao.


Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Samedi, 27 Mai 2023 18:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30